Fitomaniana 5:1-22
5 Jehovah ô, tsarovy izay nanjo anay.+ Jereo ka diniho ny latsa mahazo anay.+
2 Natolotra ho an’ny vahiny ny lovanay, ary ho an’ny hafa firenena ny tranonay.+
3 Lasa kamboty tsy manan-dray izahay,+ ary toy ny mpitondratena ny reninay.+
4 Anay ny rano nefa nandoa vola izahay vao afaka nisotro,+ ary anay ny kitay nefa nividy izahay vao nahazo.
5 Nenjehina akaiky dia akaiky izahay.+ Sasatra izahay, ary tsy navela haka aina mihitsy.+
6 Nanolotra ny tananay+ tamin’i Ejipta+ sy Asyria+ izahay mba ho voky sakafo.
7 Ny razanay no nanota,+ ary tsy eo intsony izy ireo. Fa izahay kosa no nibaby ny fahadisoany.+
8 Mpanompo no nifehy anay,+ ary tsy mba nisy nisintona anay teny an-tanany.+
9 Nanao vivery ny ainay izahay vao nahazo sakafo,+ noho ny sabatra tany an-tany efitra.
10 Nahamay be toy ny lafaoro ny hoditray, noho ny fanaikitry ny hanoanana.+
11 Nampietrena ny vehivavy tao Ziona,+ sy ny virjiny tany amin’ireo tanànan’i Joda.
12 Ny andriana dia nahantona tamin’ny tanany,+ ary tsy nohajaina ny lahiantitra.+
13 Nibata vato fikosoham-bary ny tovolahy,+ ary nangozohozo ny tongotry ny zazalahy nilanja kitay.+
14 Tsy nisy lahiantitra intsony teo am-bavahady,+ ary tsy nisy tovolahy nitendry zavamaneno intsony.+
15 Nitsahatra ny fifalian’ny fonay, ary niova ho fisaonana ny fandihizanay.+
16 Nianjera ny satroboninahitra teny an-dohanay.+ Idiran-doza izahay satria nanota!+
17 Narary ny fonay noho izany.+ Lasa nanjavozavo ny masonay noho izany zavatra izany,+
18 Sy noho ny amin’ny tendrombohitr’i Ziona izay lasa aolo+ ka nandehandehanan’ny amboadia.+
19 Jehovah ô, hipetraka mandritra ny fotoana tsy voafetra ianao eo amin’ny seza fiandriananao,+ izay haharitra hatramin’ny taranaka fara mandimby.+
20 Nahoana ianao no manadino anay mandrakizay,+ ka mahafoy anay ela be?+
21 Ampodio ho aminao izahay,+ Jehovah ô, dia hody avy hatrany. Itondray andro vaovao toy ny tamin’ny fahiny izahay.+
22 Nafoinao tokoa anefa izahay.+ Tena tsy faly aminay mihitsy ianao.+