Galatianina 3:1-29

3  Ry Galatianina tsy misaina! Iza no nitaona anareo ho amin’ny ratsy,+ kanefa dia toy ny hoe ny masonareo mihitsy no nahita an’i Jesosy Kristy nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana?+  Izao ihany no tiako ho fantatra avy aminareo: Noho ny asan’ny lalàna+ ve no nahazoanareo ny fanahy masina,+ sa noho ianareo nino an’izay renareo?+  Tena tsy misaina mihitsy ve ianareo e? Dia ho araka ny nofo+ ve no hiafaranareo nefa mba nanomboka araka ny fanahy+ ihany ianareo?  Dia ho very maina fotsiny ve ny niaretanareo fahoriana be dia be toy ireny?+ Tsy ho very maina kosa angamba izany!  Ary ilay manome fanahy masina+ anareo sady manao fahagagana+ eo aminareo, noho ny asan’ny lalàna ve no anaovany izany, sa noho izy nino an’izay reny?  Sahala amin’i Abrahama izay “naneho finoana an’i Jehovah, ka nekena ho isan’ny olo-marina izy.”+  Efa fantatrareo tokoa fa ireo mifikitra amin’ny finoana+ no zanak’i Abrahama.+  Efa tsinjon’ny Soratra Masina fa hambaran’Andriamanitra ho marina ny hafa firenena noho ny finoan’izy ireo. Noho izany, dia nambaran’ny Soratra Masina mialoha tamin’i Abrahama ny vaovao tsara, tamin’ny filazana hoe: “Amin’ny alalanao no hitahiana ny firenena rehetra.”+  Koa ireo mifikitra amin’ny finoana àry dia tahina+ tahaka an’i Abrahama,+ olona tsy nivadika. 10  Fa voaozona izay rehetra miantehitra amin’ny asan’ny lalàna, satria voasoratra hoe: “Voaozona izay tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ny horonam-boky misy ny Lalàna.”+ 11  Hita mazava koa fa tsy misy olona ambara ho marina eo anatrehan’Andriamanitra noho ny lalàna,+ satria “ny olo-marina ho velona noho ny finoany.”+ 12  Ary tsy mitaky finoana ny Lalàna, fa “izay mankatò izany no ho velona amin’ny alalan’izany.”+ 13  Nividy+ sy nanafaka+ antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna i Kristy rehefa nanjary voaozona+ hisolo antsika, satria voasoratra hoe: “Voaozona izay mihantona eo amin’ny tsato-kazo.”+ 14  Amin’izay mantsy ilay fitahiana an’i Abrahama dia ho tonga amin’ny hafa firenena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy,+ mba hahazoantsika ny fanahy nampanantenaina.+ Ary noho ny finoantsika+ no ahazoantsika izany. 15  Ry rahalahy, fanoharana avy amin’ny fiainan’olona andavanandro no lazaiko: Na dia ny fifanekena ataon’ny olona aza, rehefa manan-kery, dia tsy misy manafoana na manampy.+ 16  Tamin’i Abrahama sy tamin’ny taranany no nilazana ny fampanantenana.+ Tsy voalaza hoe: “Ary ho an’ireo taranaka”, toy ny milaza maro, fa toy ny milaza tokana,+ dia hoe: “Ary ho an’ny taranakao”,+ dia i Kristy+ izany. 17  Izao koa no lazaiko: Raha ny amin’ilay fifanekena izay nataon’Andriamanitra nanan-kery fahiny,+ dia tsy ny Lalàna izay niseho telopolo sy efajato taona+ tatỳ aoriana no tsy mampanan-kery azy ka hahafoana an’ilay fampanantenana.+ 18  Raha noho ny lalàna mantsy no ahazoana ny lova dia tsy noho ny fampanantenana intsony izany,+ kanefa tamin’ny alalan’ny fampanantenana no nanomezan’Andriamanitra azy io tamin-katsaram-panahy an’i Abrahama.+ 19  Inona àry no anton’ny Lalàna? Nomena koa izy io mba hampiharihariana ny fandikan-dalàna,+ mandra-pahatongan’ilay taranaka+ izay nanaovana an’ilay fampanantenana. Ary nampitaina tamin’ny alalan’ny anjely+ izy io, teo an-tanan’ny mpanelanelana iray.+ 20  Fa tsy ilaina ny mpanelanelana raha olona iray monja no voakasika. Andriamanitra irery ihany+ anefa no nanao an’ilay fampanantenana. 21  Koa mifanohitra amin’ny fampanantenan’Andriamanitra àry ve ny Lalàna?+ Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna nahavita nanome fiainana,+ dia ho ny lalàna no nahatonga ny olona ho marina.+ 22  Niara-natolotry ny Soratra Masina+ hogejain’ny ota avokoa anefa ny zava-drehetra.+ Amin’izay, ilay fampanantenana izay avy amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy dia homena an’izay maneho finoana.+ 23  Fony mbola tsy tonga anefa ny finoana,+ dia voambina teo ambanin’ny lalàna+ isika, ka niara-natolotra hogejaina avokoa. Ary ny finoana izay tsy maintsy haharihary no nandrasantsika.+ 24  Koa nanjary mpitaiza antsika àry ny Lalàna ka nitarika antsika ho amin’i Kristy,+ mba ho azo ambara ho marina+ isika noho ny finoana. 25  Efa tonga anefa izao ny finoana,+ ka tsy fehezin’ny mpitaiza intsony isika.+ 26  Raha ny tena izy, dia zanak’Andriamanitra+ ianareo rehetra noho ny finoanareo an’i Kristy Jesosy. 27  Nitafy ny toetran’i Kristy+ mantsy ianareo rehetra izay natao batisa ho amin’i Kristy.+ 28  Ary tsy misy intsony na Jiosy na Grika,+ na andevo na tsy andevo,+ na lahy na vavy.+ Fa olona iray ihany tafaray amin’i Kristy Jesosy ianareo rehetra.+ 29  Ary raha an’i Kristy ianareo, dia tena taranak’i Abrahama,+ sady mpandova araka ny fampanantenana.+

Fanamarihana