Galatianina 4:1-31
4 Izao no lazaiko: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy misy maha samy hafa azy mihitsy amin’ny mpanompo,+ na dia tompon’ny zavatra rehetra aza izy.
2 Fa fehezin’ny mpitaiza+ sy ny mpanompo miandraikitra ny ao an-trano izy, mandra-pahatongan’ny andro voatondron-drainy mialoha.
3 Dia toy izany koa isika: Fony mbola zaza bodo isika dia nandevozin’ny zavatra fototra+ eto amin’ity tontolo ity.
4 Fa rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voafetra,+ dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany,+ izay natera-behivavy+ ary nateraka teo ambanin’ny lalàna,+
5 mba hividianany+ an’izay eo ambanin’ny lalàna+ ka hanafahany azy ireo. Ary amin’izay isika dia handray ny fananganana antsika ho zanaka.+
6 Koa satria zanaka ianareo, dia nalefan’Andriamanitra ao am-pontsika ny fanahin’ny+ Zanany, ary io fanahy io no miantsoantso hoe: “Aba,* Ray ô!”+
7 Koa tsy mpanompo intsony àry ianao fa zanaka. Ary raha zanaka dia nataon’Andriamanitra ho mpandova koa.+
8 Fony ianareo tsy nahalala an’Andriamanitra+ anefa, dia izay tsy andriamanitra no notompoinareo.+
9 Fa izao kosa ianareo efa mahalala an’Andriamanitra, na ny marina kokoa dia hoe efa fantany ianareo.+ Koa nahoana àry ianareo no miverina indray any amin’ireo zavatra fototra+ tsy misy dikany+ sy tsy misy ilana azy, ary te handevozin’izany indray?+
10 Andro+ sy volana+ sy vanim-potoana ary taona no tandremanareo fatratra.
11 Matahotra ny aminareo aho sao dia sasa-poana+ taminareo.
12 Miangavy anareo aho, ry rahalahy, aoka ho tahaka ahy ianareo,+ satria izaho koa mba efa tahaka anareo.+ Tsy nanisy ratsy ahy ianareo.+
13 Fantatrareo anefa fa noho ny tsy fahasalaman’ny nofoko no nitoriako ny vaovao tsara taminareo tamin’ny voalohany.+
14 Ary fitsapana ho anareo izany tsy fahasalamako izany, nefa tsy nanamavo ahy ianareo sady tsy nandrora tamin-drikoriko. Fa noraisinareo toy ny anjelin’Andriamanitra+ sy toa an’i Kristy Jesosy+ kosa aho.
15 Aiza àry ilay hasambarana nanananareo?+ Fa mijoro ho vavolombelona aho fa raha azonareo natao, na ny masonareo aza ho nopotsirinareo ka ho nomenareo ahy.+
16 Koa nanjary fahavalonareo+ ve aho, satria milaza ny marina+ aminareo?
17 Miezaka fatratra mitaona anareo hiandany aminy ireny,+ kanefa tsy noho ny antony tsara. Fa tiany hosarahina amiko ianareo mba hitadiavanareo azy fatratra.+
18 Tsara anefa raha miezaka mafy mitaona anareo noho ny antony tsara ny olona,+ ka manao izany foana fa tsy rehefa eo aminareo ihany aho,+
19 ry zanako+ malalako. Ary toy ny marary mihetsi-jaza hiteraka anareo indray aho, mandra-piforonan’i Kristy ao aminareo.+
20 Fa te ho eo aminareo aho izao ankehitriny izao,+ ary te hanova ny fomba fiteniko. Very hevitra+ noho ny aminareo mantsy aho.
21 Hono ho’aho, ianareo izay te ho eo ambanin’ny lalàna:+ Tsy renareo ve ny Lalàna?+
22 Voasoratra, ohatra, fa nanan-janaka roa lahy i Abrahama, ny anankiray tamin’ny mpanompovavy,+ ary ny anankiray tamin’ny vehivavy afaka.+
23 Nateraka araka ny nofo anefa ilay tamin’ny mpanompovavy,+ fa nateraka noho ny fampanantenana kosa ilay tamin’ny vehivavy afaka.+
24 Sary an’ohatra+ izany, satria izy roa vavy dia fifanekena roa,+ ny anankiray natao teo amin’ny Tendrombohitra Sinay,+ ary mitera-jaza ho amin’ny fanandevozana, dia i Hagara izany.
25 Ary io Hagara io dia Sinay,+ izay tendrombohitra anankiray any Arabia. Mifanitsy amin’ilay Jerosalema ankehitriny izy, satria andevo+ izy sy ny zanany.
26 Fa afaka kosa ilay Jerosalema+ any ambony, ary izy no renintsika.+
27 Fa voasoratra hoe: “Mifalia, ry vehivavy momba izay tsy niteraka. Mihobia sy mihorakoraha, ry vehivavy tsy mba narary nihetsi-jaza. Fa ny zanaky ny vehivavy nilaozam-bady dia betsaka noho ny zanaky ny vehivavy manambady.”+
28 Isika, ry rahalahy, no zanaky ny fampanantenana toa an’i Isaka.+
29 Fa nanenjika an’ilay nateraka araka ny fanahy ilay nateraka araka ny nofo+ tamin’izany fotoana izany. Dia tahaka izany koa ankehitriny.+
30 Fa inona anefa no lazain’ny Soratra Masina? “Roahy any ilay mpanompovavy sy ny zanany, fa tsy hiray lova mihitsy amin’ny zanak’ilay vehivavy afaka ny zanak’ilay mpanompovavy.”+
31 Koa tsy zanaky ny mpanompovavy isika,+ ry rahalahy, fa zanaky ny vehivavy afaka.+