Galatianina 5:1-26

5  Ho amin’izany fahafahana izany no nanafahan’i+ Kristy antsika. Koa mijoroa tsara,+ ary aza mety hogejaina indray ao amin’ny ziogan’ny fanandevozana.+  Izaho Paoly no milaza aminareo fa raha hoforana+ ianareo, dia tsy hahasoa anareo na kely akory aza i Kristy.  Ary hamafisiko eto indray amin’izay hoforana fa tsy maintsy mankatò ny Lalàna manontolo izy.+  Fa na iza na iza ianareo no te hambara ho marina amin’ny alalan’ny fankatoavana ny lalàna,+ dia tafasaraka amin’i Kristy ianareo. Efa niala tao amin’ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa+ ianareo.  Fa izahay kosa, dia ny fanahin’Andriamanitra no mahatonga anay hiandry mafy an’ilay fahamarinana izay antenainay vokatry ny finoanay.+  Raha ny amin’i Kristy Jesosy mantsy, dia samy tsy misy vidiny na ny famorana na ny tsy famorana,+ fa ny finoana+ izay miasa amin’ny alalan’ny fitiavana+ no misy vidiny.  Efa nihazakazaka tsara ange ianareo e!+ Iza no nisakana anareo tsy hankatò ny fahamarinana?+  Tsy Ilay miantso anareo+ no nandresy lahatra anareo hanao toy izany.  Lalivay kely fotsiny mantsy dia mampitombo ny koba manontolo.+ 10  Matoky aho+ fa tsy ho hafa noho izany ny hevitrareo, dia ianareo izay tafaray+ amin’ny Tompo. Fa ilay manakorontana+ anareo no hizaka ny fanamelohana,+ na iza izy na iza. 11  Fa ny amiko kosa, ry rahalahy, raha toa aho ka mbola mitory momba ny famorana, nahoana aho no mbola enjehina ihany? Raha izany tokoa no ataoko, dia efa nesorina ilay zavatra manafintohina+ momba ny hazo fijaliana.+ 12  Enga anie ka ireo mitady hampivadika anareo+ ireo mihitsy no hovosirina!+ 13  Efa voantso ho amin’ny fahafahana ianareo,+ ry rahalahy. Aoka anefa tsy hampiasainareo handrisihana ho amin’ny fanirian’ny nofo izany fahafahana izany,+ fa mifanompoa+ kosa noho ny fitiavana. 14  Fa ny Lalàna manontolo dia tanteraka+ ao amin’ilay didy tokana hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”+ 15  Fa raha tsy mitsahatra mifandramatra sy mifamely ianareo,+ tandremo sao mifandringana.+ 16  Fa izao no lazaiko: Mandehana hatrany araka ny fanahy,+ dia tsy hahatanteraka ny fanirian’ny nofo mihitsy ianareo.+ 17  Ny nofo sy ny faniriany mantsy manohitra ny fanahy,+ ary ny fanahy kosa manohitra ny nofo. Ary mifanohitra izy roa ireo, mba tsy hanaovanareo izay tianareo hatao.+ 18  Fa raha tarihin’ny fanahy+ ianareo, dia tsy eo ambanin’ny lalàna.+ 19  Miharihary ny asan’ny nofo,+ dia fijangajangana,+ fahalotoana, fitondran-tena baranahiny,+ 20  fanompoan-tsampy, filalaovana ody,*+ fifandrafiana, fifamaliana, fialonana, fipoahan’ny fahatezerana, fifandirana, fisaratsarahana, sekta, 21  fitsiriritana, fibobohan-toaka,+ lanonana feno filibana, ary ny toy ireo. Ny amin’ireo zavatra ireo no ampitandremako anareo mialoha, toy ny efa nampitandremako anareo rahateo, fa tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra+ izay mpanao+ an’ireo. 22  Fa ny vokatry+ ny fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra,+ finoana, 23  fahalemem-panahy, fifehezan-tena.+ Tsy misy lalàna+ manohitra an’ireo. 24  Ary izao no ataon’izay an’i Kristy Jesosy: Nofantsihan’izy ireo tamin’ny hazo fijaliana ny nofo, mbamin’ny filan-dratsiny sy ny faniriany.+ 25  Raha araka ny fanahy ny fomba fiainantsika, dia aoka koa isika hanaraka hatrany ny fitarihan’ny fanahy.+ 26  Aoka isika tsy hirehareha ka hampisy fifaninanana+ sy fifampialonana.+

Fanamarihana

Na: “fifandraisana amin’ny fanahy ratsy.” Gr.: farmakia: fampiasana fanafody na zava-mahadomelina.