Hebreo 11:1-40

11  Ny finoana+ dia fiandrasana amin-toky ny zavatra antenaina,+ ary fanomezana porofo mazava momba ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.+  Fa izy io no nahazoan’ny olona fahiny porofo fa nankasitrahan’Andriamanitra izy ireo.+  Finoana no ahatakarantsika fa ny tenin’Andriamanitra+ no nandamina ireo rafitra nisy teto amin’ity tontolo ity,+ ka ny zavatra tsy miseho no iavian’ny zavatra hita maso.+  Finoana no nanoloran’i Abela ho an’Andriamanitra sorona nisy vidiny kokoa noho ny an’i Kaina.+ Noho ny finoany no nanambarana azy ho marina, ka Andriamanitra no nanaporofo fa nankasitrahany+ ny fanomezana nataony. Ary na efa maty aza izy dia mbola miteny ihany,+ noho ny finoany.  Finoana no nahatonga an’i Enoka+ hafindra toerana mba tsy hahita fahafatesana, ary tsy hita na taiza na taiza izy satria nafindran’Andriamanitra.+ Fa talohan’ny namindrana azy, dia nambara taminy fa nahazo sitraka tamin’Andriamanitra izy.+  Ary raha tsy amin’ny finoana,+ dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra,+ satria izay manatona azy dia tsy maintsy mino fa misy izy+ sady mpamaly soa+ an’izay mitady mafy azy.+  Finoana no nanehoan’i Noa+ tahotra an’Andriamanitra sy nanamboarany sambofiara+ hamonjena ny ankohonany, rehefa nahazo fampitandremana avy tamin’Andriamanitra ny amin’ny zavatra mbola tsy hitany+ izy. Ary izany finoana izany no nanamelohany an’izao tontolo izao,+ ka tonga mpandova an’ilay fahamarinana+ izay araka ny finoana izy.  Finoana no nankatoavan’i Abrahama+ rehefa nantsoina izy. Nankatò tokoa izy ka nandeha ho any amin’ny toerana voatendry ho lovany. Ary nandeha izy, na dia tsy fantany aza hoe ho aiza.+  Finoana no nivahiniany tany amin’ny tany voalazan’ny fampanantenana, ka toy ny tany an-tanin’olona+ izy, ary nitoetra an-tranolay+ izy niaraka tamin’i Isaka+ sy Jakoba,+ mpiara-mandova aminy an’io fampanantenana io.+ 10  Fa ilay tanàna manana fototra tena izy no nandrasany,+ ary Andriamanitra no mpanorina sy mpanao azy io.+ 11  Finoana koa no nahazoan’i Saraha+ hery hananana anaka, na dia efa nihoatra ny taona ahafahana miteraka+ aza izy. Nihevitra mantsy izy fa tsy mivadika amin’ny teniny ilay nampanantena.+ 12  Noho izany, dia avy tamin’ny lehilahy anankiray,+ izay toy ny efa maty,+ no nahaterahan’ny maro be, izay toy ny kintana eny amin’ny lanitra sy tsy tambo isaina toy ny fasika eny amoron-dranomasina.+ 13  Maty+ tamim-pinoana ireo rehetra ireo, na dia tsy hitany aza ny fahatanterahan’ny fampanantenana,+ fa tazany lavitra+ kosa, ka faly niandrandra izany izy ireo, ary nanambara ampahibemaso fa vahiny sy mpivahiny teo amin’ilay tany.+ 14  Fa ireo nilaza an’izany dia nanaporofo fa nitady fatratra izay ho toerany izy ireo.+ 15  Raha nieritreritra foana ny toerana nilaozany+ anefa izy ireo, dia ho nahita fomba niverenana.+ 16  Toerana tsara kokoa anefa izao no nokatsahin’izy ireo, dia ilay any an-danitra.+ Koa tsy mahamenatra an’Andriamanitra ny hantsoina hoe Andriamaniny,+ satria efa nanomana tanàna+ ho an’ireo izy. 17  Finoana no nahatonga an’i Abrahama ho tonga hatramin’ny fanolorana an’i Isaka rehefa notsapaina+ izy. Vonona hanolotra ny zanany lahitokana+ ilay lehilahy izay faly nahazo ny fampanantenana. Vonona hanao izany izy, 18  na dia efa nilazana aza hoe: “Amin’ny alalan’i Isaka no hiavian’ilay hantsoina hoe ‘taranakao.’”+ 19  Nihevitra mantsy izy fa hain’Andriamanitra na dia ny manangana an’i Isaka amin’ny maty aza,+ ka avy tamin’ny fahafatesana no nandraisany azy, ary tandindon-javatra+ izany. 20  Finoana koa no nitsofan’i Isaka rano an’i Jakoba+ sy Esao+ ny amin’ny zavatra mbola ho avy. 21  Finoana no nitsofan’i Jakoba rano azy roa lahy zanak’i Josefa,+ fony efa ho faty i Jakoba,+ ka niankohoka raha mbola niankina tamin’ny tendron’ny tehiny.+ 22  Finoana no niresahan’i Josefa momba ny hanafahana*+ ny zanak’Israely, tamin’izy efa ho faty, ka nanafatrafarany momba ny taolambalony.+ 23  Finoana no nanafenan’ny ray aman-drenin’i Mosesy azy nandritra ny telo volana taorian’ny nahaterahany,+ satria hitan’izy ireo fa zaza mahafatifaty izy,+ ka tsy natahotra ny didin’ny+ mpanjaka izy ireo. 24  Finoana no nandavan’i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao,+ rehefa nihalehibe+ izy. 25  Naleony nampijalina niaraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra, toy izay hifaly vetivety tamin’ny fahotana. 26  Taminy mantsy, dia harena lehibe noho ny zava-tsarobidin’i Ejipta ny latsa+ nozakain’ilay Voahosotra, satria izy nibanjina tsara ny fanomezana an’ilay valisoa.+ 27  Finoana, fa tsy tahotra ny fahatezeran’ny mpanjaka,+ no nandaozany an’i Ejipta,+ satria tsy azo nohozongozonina mihitsy izy, toy ny mahita an’Ilay tsy hita.+ 28  Finoana no nitandremany ny Paska+ sy ny nanosorany ra teo amin’ny tolàm-baravarana,+ mba tsy ho voakasiky ny mpandringana ny lahimatoa teo amin’ny Israelita.+ 29  Finoana no niampitan’izy ireo ny Ranomasina Mena toy ny hoe nandia tany maina.+ Fa natelin’ny rano+ kosa ny Ejipsianina rehefa sahisahy nandeha teo. 30  Finoana no nampianjera ny mandan’i Jeriko rehefa nohodidinina nandritra ny fito andro.+ 31  Finoana no namonjena an-dRahaba+ mpivaro-tena ka tsy niara-maty tamin’ireo tsy nankatò izy, satria noraisiny tamim-pihavanana ireo mpitsikilo.+ 32  Ary inona koa no holazaiko? Fa tsy ho ampy ny fotoana raha hotantaraiko koa ny momba an’i Gideona,+ Baraka,+ Samsona,+ Jefta,+ Davida+ ary Samoela+ mbamin’ny mpaminany hafa,+ 33  izay nanam-pinoana ka nandresy fanjakana,+ nampihatra izay mahitsy,+ nahazo fampanantenana,+ nanakombona ny vavan’ny liona,+ 34  nahatohitra ny herin’ny afo,+ afa-nandositra lelan-tsabatra,+ nalemy nefa tonga mahery,+ tonga mpiady mahery fo,+ ary nampandositra ny tafiky ny hafa firenena.+ 35  Nisy vehivavy nandray ny havany efa maty, izay natsangana.+ Fa ny hafa indray nampijalijalina noho izy ireo tsy nanaiky hafahana tamin’ny alalan’ny vidim-panavotana, mba hahazoany fitsanganana tsara kokoa. 36  Eny, ny sasany niharam-pitsapana ka nesoina sy nokaravasina, ary tsy izany ihany fa nofatorana+ sy natao am-ponja+ koa. 37  Notoraham-bato+ izy ireo, niharam-pitsapana,+ notsofana, maty+ ripaky ny sabatra, nirenireny nitafy hoditr’ondry+ sy hoditr’osy, sady tsy nanana na inona na inona,+ nizaka fahoriana,+ nampijalina.+ 38  Ary tsy mendrika azy ireo izao tontolo izao. Nirenireny tany an-tany efitra izy ireo, sy tany an-tendrombohitra sy tany anaty lava-bato+ ary tany an-davaky ny biby. 39  Tsy nahita ny fahatanterahan’ny fampanantenana anefa izy rehetra ireo,+ na dia nahazo porofo aza fa nankasitrahana satria nanam-pinoana. 40  Fa Andriamanitra efa nanomana zavatra tsara kokoa+ ho antsika,+ mba tsy hatao lavorary+ izy ireo+ raha tsy eo isika.+

Fanamarihana

Mifandray amin’ny anaran’ny bokin’ny Eksodosy amin’ny teny grika ilay teny grika ampiasaina eto.