Hebreo 12:1-29

12  Koa satria misy vavolombelona maro be+ toy ny rahona manodidina antsika, dia aoka koa isika hanaisotra izay rehetra manavesatra antsika+ sy ny ota izay mora mamatopatotra antsika,+ ary aoka isika hihazakazaka amim-paharetana+ amin’ilay hazakazaka+ eo anoloantsika.+  Sady mihazakazaka isika no mibanjina tsara an’ilay Mpitarika Lehibe Indrindra+ sy Mpandavorary ny finoantsika,+ dia i Jesosy. Fa niaritra+ hazo fijaliana izy noho ilay fifaliana natao teo anoloany, ka tsy nitandro henatra, ary nipetraka teo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.+  Diniho tsara tokoa ilay niaritra izany teny fanoheran’ny+ mpanota izany mba tsy ho kivy ianareo na ho reraka.+ Tsy nitera-boka-tsoa ho an’ireny anefa izany fanoherana izany.  Mbola tsy tonga hatramin’ny fahalatsahan-dra+ ny ady nataonareo hanoherana izany ota izany.  Ary efa hadinonareo tanteraka ilay fiangaviana anareo toy ny amin’ny zanaka,+ hoe: “Aza atao tsinontsinona, anaka, ny famaizan’i Jehovah, ary aza kivy raha anariny ianao.+  Fa izay tian’i Jehovah no faiziny. Manasazy mafy an’izay raisiny toy ny zanaka izy.”+  Miaritra ianareo ho famaizana anareo,+ fa mitondra anareo toy ny zanaka Andriamanitra.+ Fa iza moa no zanaka tsy faizin-drainy?+  Fa raha tsy faizina tahaka ny atao amin’ny rehetra ianareo, dia tena zazasary+ fa tsy zanaka.  Nanana ray olombelona isika mba hanafay antsika,+ ary nohajaintsika izy ireny. Koa tsy vao mainka tokony hanaiky an’ilay Raintsika ara-panahy ve isika mba ho velona?+ 10  Nanafay antsika andro vitsy izy ireny araka izay hitany fa mety,+ fa izy kosa manao izany mba hahasoa antsika ka hananantsika anjara amin’ny fahamasinany.+ 11  Marina fa tsy misy famaizana toa mahafaly eo no ho eo, fa mampahory.+ Avy eo anefa izy io, dia mitondra vokatra hiadanana ho an’izay nampiofanina tamin’ny alalan’izany.+ Ary ny fahamarinana+ izany vokatra izany. 12  Koa hatanjaho ny tanana miraviravy+ sy ny lohalika malemy,+ 13  ary ataovy mahitsy foana ny lalana halehan’ny tongotrareo,+ mba tsy hifandiso ny tonon-taolan’ny efa malemy tongotra, fa mba ho sitrana kosa.+ 14  Ataovy izay hihavananareo amin’ny olon-drehetra,+ ary katsaho ilay fahamasinana,+ izay tsy maintsy ananana mba hahitana ny Tompo.+ 15  Koa rehefa manao izany ianareo, dia tandremo tsara sao hisy aminareo tsy hahazo ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra,+ ary sao koa hisy faka hitsimoka eo aminareo, dia faka misy poizina.+ Ary tandremo sao hanakorontana anareo izany faka izany, ka handoto+ olona maro. 16  Tandremo koa sao hisy mpijangajanga eo aminareo, na olona tsy manaja zava-masina tahaka an’i Esao,+ izay nahafoy ny zon’ny lahimatoa ho takalon’ny hanina indray mihinana.+ 17  Fantatrareo fa nolavina izy tatỳ aoriana, rehefa naniry handova ilay tsodrano.+ Fa na dia nangataka mafy tamin-dranomaso ny hiovan-drainy hevitra aza izy,+ dia tsy nahita hirika ho amin’izany.+ 18  Fa ianareo tsy manatona an’ilay tendrombohitra azo tsapain-tanana+ sy nirehitra afo,+ na nanatona rahona mainty, sy haizina mikitroka, sy tafio-drivotra mahery,+ 19  sy trompetra+ maneno, ary feon’ny teny.+ Rehefa nandre izany feo izany ny vahoaka, dia nitalaho mba tsy hisy teny holazaina aminy intsony.+ 20  Fa tsy zakan’izy ireo ilay didy manao hoe: “Ary raha misy biby mikasika an’ilay tendrombohitra, dia tsy maintsy hotoraham-bato.”+ 21  Ary nampahatahotra loatra ny zava-niseho tamin’izany, ka hoy i Mosesy: “Matahotra sy mangovitra aho!”+ 22  Fa ny hatoninareo kosa dia Tendrombohitra Ziona,+ sy tanànan’ilay+ Andriamanitra velona, izany hoe i Jerosalema any an-danitra;+ sy anjely+ an’alinalina 23  tafavory;+ sy ny fiangonan’ny lahimatoa+ voasoratra+ any an-danitra; sy Andriamanitra, ilay Mpitsara ny olona rehetra;+ sy ny fiainana ara-panahin’ny+ olo-marina efa natao lavorary;+ 24  sy Jesosy ilay mpanelanelana+ amin’ny fifanekena vaovao;+ ary ny ra nafafy+ izay miteny tsara kokoa noho ny ran’i Abela.+ 25  Mitandrema ianareo sao tsy mankatò* an’ilay miteny.+ Fa raha izay tsy nankatò an’ilay nilaza ny fampitandreman’Andriamanitra teto an-tany+ aza tsy afa-nandositra, mainka fa isika! Tsy ho afa-mandositra mihitsy isika, raha tsy mankatò an’ilay miteny avy any an-danitra.+ 26  Nanozongozona ny tany ny feony tamin’izany fotoana izany,+ fa ankehitriny kosa izy nampanantena hoe: “Mbola hohozongozoniko indray mandeha indray, tsy ny tany ihany, fa ny lanitra koa.”+ 27  Ilay fitenenana hoe “indray mandeha indray” dia midika fa hesorina izay zavatra hozongozonina, izany hoe ny zavatra natao,+ mba hitoeran’izay zavatra tsy hozongozonina.+ 28  Koa satria hahazo fanjakana tsy azo hozongozonina+ isika, dia aoka hohazonintsika ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izay entintsika manao fanompoana masina ho an’Andriamanitra amin’ny fomba ankasitrahany, amin-tahotra sy amim-panajana.+ 29  Fa afo mandevona koa ny Andriamanitsika.+

Fanamarihana

Na: “mitady fialan-tsiny tsy hankatoavana.”