Hebreo 13:1-25

13  Aoka haharitra ny fitiavanareo ny rahalahy.+  Aza hadinoina ny fitiavana mandray vahiny,+ fa noho izany, dia nampiantrano anjely+ ny sasany nefa tsy fantany.  Tsarovy ireo mifatotra any am-ponja,+ toy ny hoe miara-mifatotra aminy ianareo.+ Tsarovy koa ireo ampijalina,+ satria ianareo koa aza mbola ao amin’ny nofo.  Aoka ho mendri-kaja eo imason’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrianan’ny mpivady,+ fa homelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpanitsakitsa-bady.+  Aoka ny fomba fiainanareo tsy hisy fitiavam-bola,+ fa aoka ianareo hianina+ amin’izay efa eo.+ Fa hoy izy: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao velively.”+  Koa be herim-po+ àry isika, ka milaza hoe: “Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona moa no azon’ny olona atao amiko?”+  Tsarovy ireo mitarika eo aminareo,+ dia ireo nilaza ny tenin’Andriamanitra taminareo. Ary rehefa mandinika ny soa entin’ny fitondran-tenany ianareo, dia tahafo+ ny finoany.+  I Jesosy Kristy dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.+  Aza mety ho voataonan’ny fampianarana maro samihafa sy ny fampianarana hafahafa.+ Fa tsara ny hanatanjahana ny fo amin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa,+ fa tsy amin’ny sakafo,+ izay tsy mahasoa an’ireo misahirana fatratra amin’izany. 10  Ary manana alitara isika, fa izay manao fanompoana masina ao amin’ny tranolay kosa tsy manana fahefana hihinana eo amin’izany.+ 11  Fa rehefa avy nentin’ny mpisoronabe ho ao amin’ny toerana masina ny ran’ny biby, noho ny ota, dia dorana any ivelan’ny toby kosa ny fatiny.+ 12  Nijaly tany ivelan’ny vavahady+ koa i Jesosy, mba hanamasinany+ ny vahoaka amin’ny alalan’ny rany.+ 13  Koa aoka isika hankany aminy any ivelan’ny toby, sady mitondra ny latsa nentiny.+ 14  Fa isika tsy manana tanàna maharitra+ eto, fa ilay ho avy no katsahintsika fatratra.+ 15  Aoka foana isika hanao sorona fiderana+ ho an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy, dia ny vokatry ny molotra+ izay manao fanambarana ampahibemaso momba ny anarany.+ 16  Aza manadino hanao soa+ sy hizara amin’ny hafa, fa sorona toy izany no ankasitrahan’Andriamanitra.+ 17  Aoka ianareo hankatò sy hanaiky+ an’ireo mitarika eo aminareo,+ fa izy ireny miaro anareo hatrany toy ny olona mbola hatao ampamoaka,+ mba hanaovany izany amim-pifaliana fa tsy amim-pisentoana, fa tsy hahasoa anareo izany.+ 18  Mivavaha foana+ ho anay. Matoky mantsy izahay fa manana feon’ny fieritreretana tsara, satria te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra.+ 19  Fa iangaviako mafy kokoa ianareo hivavaka ho anay mba ho tafaverina haingana kokoa any aminareo aho.+ 20  Nentin’ilay Andriamanitry ny fiadanana+ niakatra avy tamin’ny maty+ ilay mpiandry ondry+ lehibe,+ dia i Jesosy Tompontsika, izay nitondra ny ran’ny fifanekena mandrakizay.+ Koa ilay Andriamanitry ny fiadanana anie 21  hanome anareo ny zavatra tsara rehetra mba hanaovanareo ny sitrapony, ka hotanterahiny ao amintsika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ny zavatra ankasitrahana eo imasony!+ Ho an’Andriamanitra anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay!+ Amena. 22  Ary miangavy anareo aho, ry rahalahy, mba haharitra amin’izany teny fampaherezana izany, satria teny vitsivitsy+ no nataoko ato amin’ity taratasy nosoratako ho anareo ity. 23  Tsara ho fantatrareo fa efa nafahana i Timoty+ rahalahintsika. Ary raha ho avy tsy ho ela izy, dia hiaraka aminy aho ka hahita anareo. 24  Mampamangy any amin’izay rehetra mitarika+ eo aminareo, sy any amin’ny olona masina rehetra. Mampamangy, hono, ianareo, hoy ry zareo atỳ Italia.+ 25  Ho aminareo rehetra anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa!+

Fanamarihana