Hebreo 2:1-18

2  Noho izany, dia ilaintsika hotandremana mafimafy kokoa noho ny hatramin’izay ny zavatra efa rentsika,+ mba tsy ho voatarika hiala mihitsy isika.+  Fa raha ny teny nampilazaina ny anjely+ aza natao mafy orina, ary raha novaliana ara-drariny daholo ny fandikan-dalàna sy ny tsy fankatoavana,+  ataontsika ahoana no fandositra+ raha famonjena lehibe+ toy izao no ataontsika tsirambina?+ Ny Tompontsika+ mantsy no voalohany nilaza an’io famonjena io. Ary nanamafy+ azy io tamintsika ireo nandre azy io.  Efa nanome porofo momba azy io koa Andriamanitra tamin’ny alalan’ny famantarana sy ny fambara ary ny fahagagana+ maro samihafa sady nizara+ fanahy masina araka ny sitrapony.+  Fa tsy anjely no nasainy neken’ilay tany onenana ho avy+ izay lazainay.  Fa nisy vavolombelona nanome porofon’izany any ho any, nanao hoe: “Dia inona moa izay olombelona no tsaroanao?+ Ary inona moa izay zanak’olona no karakarainao?+  Efa nataonao ambany kely noho ny anjely izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy haja,+ sady notendrenao hiandraikitra ny asan’ny tananao.+  Ny zava-drehetra efa nasainao nanaiky azy ka nataonao eo ambany tongony.”+ Koa rehefa nasain’Andriamanitra nanaiky azy ny zava-drehetra,+ dia tsy nisy na iray aza tsy nanaiky azy.+ Mbola tsy hitantsika anefa ankehitriny hoe manaiky azy ny zava-drehetra.+  Fa efa hitantsika i Jesosy, izay efa natao ambany kely noho ny anjely,+ sady misatroka voninahitra+ sy haja noho izy efa nandia fahafatesana,+ mba ho faty ho an’ny rehetra noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra.+ 10  Ho voninahitr’Andriamanitra no nampisy ny zava-drehetra+ ary izy ihany koa no nisian’ny zava-drehetra. Nitondra zanaka maro ho amin’ny voninahitra izy,+ ary nety tokoa ny nataony rehefa nataony lavorary tamin’ny alalan’ny fahoriana+ ilay Mpitarika Lehibe Indrindra,+ izay mitondra famonjena ho an’ireo. 11  Fa iray ihany no niavian’izy roa tonta,+ na ilay manamasina na ireo hamasinina,+ hany ka tsy mahamenatra azy ny miantso azy ireo hoe “rahalahy”,+ 12  araka ny teniny hoe: “Hanambara ny anaranao amin’ny rahalahiko aho. Eo anivon’ny fiangonana no hiderako anao an-kira.”+ 13  Ary koa hoe: “Hatoky azy aho”,+ sy hoe: “Indreto izaho sy ireo zaza nomen’i Jehovah ahy!”+ 14  Koa satria manana nofo aman-dra ny “zaza”, dia tonga nofo aman-dra toy izany koa izy,+ mba ho ny fahafatesany+ no hanafoanany+ an’ilay manan-kery hahatonga fahafatesana,+ dia ny Devoly,+ 15  ary mba hanafahany+ an’ireo rehetra nandevozina nandritra ny androm-piainany+ noho ny tahotra ny fahafatesana.+ 16  Fa tsy anjely mihitsy no ampiany amin’izany, fa ny taranak’i Abrahama.+ 17  Koa tsy maintsy tonga tahaka an’ireo “rahalahiny” izy tamin’ny lafiny rehetra,+ mba ho tonga mpisoronabe mamindra fo sy mendri-pitokisana raha ny amin’ny zavatra momba an’Andriamanitra,+ ka hanolotra sorona fampihavanana+ noho ny fahotan’ny olona.+ 18  Fa noho izy efa nijaly rehefa niharam-pitsapana,+ dia afaka manampy an’izay iharam-pitsapana+ izy.

Fanamarihana