Hebreo 3:1-19

3  Noho izany, ry rahalahy masina izay nahazo fiantsoana+ ho any an-danitra toa ahy, eritrereto ilay apostoly+ sady mpisoronabe ekentsika,+ dia i Jesosy.  Mendri-pitokisana+ teo anatrehan’Ilay nanendry azy ho toy izany izy, tahaka an’i Mosesy+ koa izay mendri-pitokisana raha ny amin’izay rehetra tao an-tranon’Andriamanitra.+  Mendrika hahazo voninahitra+ lehibe noho ny an’i Mosesy mantsy i Jesosy, satria ny mpanao trano+ dia mendrika hahazo haja lehibe kokoa noho ny trano nataony.+  Mazava ho azy fa nisy nanao ny trano rehetra, fa ilay nanao ny zava-drehetra kosa dia Andriamanitra.+  Ary i Mosesy, izay mpanompo,+ dia mendri-pitokisana raha ny amin’izay rehetra tao an-tranon’Andriamanitra, mba ho porofon’ny zavatra holazaina atỳ aoriana.+  Fa i Kristy kosa mendri-pitokisana amin’ny maha Zanaka+ miandraikitra ny ao an-tranon’Andriamanitra rehetra azy. Isika izany tranony izany,+ raha hazonintsika mafy hatramin’ny farany ny fahasahiantsika miteny sy ny fireharehantsika noho ny fanantenantsika.+  Koa araka ny lazain’ny fanahy masina+ hoe: “Raha mihaino ny feony ianareo anio,+  dia aza manamafy ny fonareo toy ny tamin’ilay fotoana nampisy fahatezerana mafy,+ toy ny tamin’ilay andro fitsapana+ tany an-tany efitra,+  fony nitsapa toetra ahy tamin’ny fisedrana ny razanareo, kanefa efa nahita ny asako+ nandritra ny efapolo taona+ izy ireo. 10  Izany no nahatonga ahy hahatsapa rikoriko tamin’ity taranaka ity, ka nilazako hoe: ‘Olona maniasia ao am-pony foana ireo,+ ary tsy mahalala ny lalako.’+ 11  Koa nianiana tamin-katezerana aho hoe: ‘Tsy hiditra+ amin’ny fitsaharako ireo.’”+ 12  Koa tandremo, ry rahalahy, sao misy aminareo koa hanjary hanana fo ratsy sady tsy mino, ka hiala amin’ilay Andriamanitra velona.+ 13  Fa mifananara+ hatrany kosa isan’andro, raha mbola misy koa azo atao hoe “Anio”,+ sao misy aminareo ho mafy fo noho ny hery mamitaky+ ny ota. 14  Tsy ho tonga tahaka an’i Kristy+ mantsy isika, raha tsy hazonintsika mafy hatramin’ny farany ilay toky nananantsika tamin’ny voalohany,+ 15  dieny mbola lazaina hoe: “Raha mihaino ny feony ianareo anio,+ dia aza manamafy ny fonareo toy ny tamin’ilay fotoana nampisy fahatezerana mafy.”+ 16  Fa iza moa ireo nandre nefa mbola nahatonga fahatezerana mafy ihany?+ Tsy ireo rehetra nentin’i Mosesy nivoaka avy tany Ejipta ve?+ 17  Ary iza koa no naharikoriko an’Andriamanitra nandritra ny efapolo taona?+ Tsy ireo nanota ve ka maty niampatrampatra tany an-tany efitra?+ 18  Ary iza no nianianany+ hoe tsy hiditra amin’ny fitsaharany, afa-tsy ireo tsy nankatò?+ 19  Koa hitantsika, araka izany, fa tsy afaka niditra izy ireo noho ny tsy finoany.+

Fanamarihana