Hebreo 4:1-16

4  Koa satria mbola misy fampanantenana hidirana amin’ny fitsaharany,+ dia aoka isika hatahotra sao hisy aminareo, indray andro any, ho hita ho tsy mendrika hahazo izany fampanantenana izany.+  Isika koa mantsy mba efa nilazana ny vaovao tsara+ toa azy ireo.+ Tsy nahasoa azy ireo anefa ny teny reny,+ satria tsy nanana finoana+ toy ny an’ireo nihaino izy ireo.+  Fa isika izay mino no tena miditra amin’ilay fitsaharana, araka ny nolazainy hoe: “Koa nianiana+ tamin-katezerana aho hoe: ‘Tsy hiditra+ amin’ny fitsaharako ireo’”,+ na dia efa hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao+ aza no vita ny asany.+  Ary nilaza ny andro fahafito izy ao amin’ny andinin-teny anankiray, manao hoe: “Ary nitsahatra tamin’ny asany rehetra Andriamanitra tamin’ny andro fahafito”,+  ary hoy koa izy ao amin’ity andininy ity: “Tsy hiditra amin’ny fitsaharako ireo.”+  Koa satria mbola azo atao ny miditra amin’izany fitsaharana izany, sady tsy niditra koa ireo nitoriana ny vaovao tsara+ tamin’ny voalohany noho izy ireo tsy nankatò,+  dia manondro andro iray indray izy rehefa nilaza tao amin’ny salamon’i Davida, ela be tatỳ aoriana, hoe: “Anio”, araka ny efa voalaza tetsy aloha hoe: “Raha mihaino ny feony ianareo anio,+ dia aza manamafy ny fonareo.”+  Fa raha nentin’i Josoa+ tany amin’ny toeram-pitsaharana tokoa izy ireo,+ dia tsy ho niresaka+ andro iray hafa Andriamanitra taorian’izany.  Koa mbola misy sabata fitsaharana ho an’ny olon’Andriamanitra.+ 10  Fa izay olona niditra tamin’ny fitsaharan’Andriamanitra+ dia nitsahatra tamin’ny asany koa,+ tahaka ny nitsaharan’Andriamanitra tamin’ny asany. 11  Koa aoka isika hanao izay rehetra azontsika atao mba hidirana amin’izany fitsaharana izany, sao hisy amintsika koa ho latsaka ao amin’ny tsy fankatoavana mitovy amin’izany.+ 12  Fa velona+ sy mahery+ ny tenin’Andriamanitra,+ eny, maranitra noho ny sabatra+ roa lela, ary manindrona ka mahavita manavaka ny miseho ivelany*+ sy ny any am-po+ ary mampisaraka ny tonon-taolana sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany.+ 13  Ary tsy misy zavaboary izay tsy mibaribary eo imasony,+ fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imason’ilay hanao ampamoaka antsika.+ 14  Ary manana mpisoronabe ambony, izay lasa nankany an-danitra,+ isika. I Jesosy, Zanak’Andriamanitra+ izany mpisoronabe izany. Koa aoka àry isika hanaiky azy foana.+ 15  Fa tsy mba mpisoronabe tsy mahay mangoraka+ antsika amin’ny fahalementsika no ananantsika, fa izay efa notsapaina tamin’ny lafiny rehetra toa antsika koa, nefa tsy nanota.+ 16  Koa aoka àry isika hanatona+ ny seza fiandrianan’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa, ary ho sahy hiteny+ rehefa manao izany. Amin’izay isika dia hahazo famindram-po ary hanehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa, mba hahazoana fanampiana amin’ny fotoana mety.+

Fanamarihana

“miseho ivelany.” Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.