Hebreo 5:1-14

5  Ary alaina avy amin’ny olona ny mpisoronabe rehetra ka tendrena hanompo an’Andriamanitra,+ hahasoa ny olona, mba hanolorany fanomezana sy sorona noho ny ota.+  Mahay mitondra mora an’ireo tsy mahalala sy manao hadisoana izy, satria ny tenany koa aza mba voahodidin’ny fahalemeny+ ihany,  ka tsy maintsy manao fanatitra noho ny otan’ny tenany sy ny an’ny vahoaka+ koa izy.  Raha misy mahazo izany voninahitra izany, dia tsy noho ny sitrapony+ akory, fa noho ny fiantsoan’Andriamanitra ihany,+ tahaka ny tamin’i Arona.+  Dia toy izany koa i Kristy: Tsy izy no nanome voninahitra ny tenany+ mba ho mpisoronabe,+ fa ilay niteny momba azy+ hoe: “Ianao no zanako, ary izaho efa tonga rainao androany.”+  Araka ny lazainy any amin’ny andinin-teny hafa hoe: “Mpisorona mandrakizay ianao, tahaka an’i Melkizedeka.”+  Fony mbola nofo i Kristy, dia nitalaho sy niangavy+ tamin’Ilay nahay namonjy azy tsy ho faty, ary nitaraindraina mafy+ sy nitomany, ka nohenoina noho ny fahatahorany an’Andriamanitra.+  Na dia Zanaka aza izy, dia nianatra nankatò avy tamin’ny zavatra niaretany.+  Ary rehefa avy natao lavorary+ izy, dia nahatonga an’izay rehetra mankatò azy+ hahazo famonjena+ mandrakizay, 10  satria notendren’Andriamanitra ho mpisoronabe tahaka an’i Melkizedeka+ izy. 11  Betsaka ny zavatra azonay lazaina momba azy, ary sarotra hazavaina, satria tsy mazoto mihaino ianareo.+ 12  Fa na dia tokony ho efa mpampianatra+ aza ianareo raha ny fahelan’ny fotoana no jerena, dia mbola mila olona hampianatra anareo hatramin’ny voalohany ny fampianarana fototra+ momba ny fanambarana masin’Andriamanitra,+ ka nanjary tahaka an’ireo mila ronono, fa tsy ventin-kanina.+ 13  Fa izay rehetra mivelona amin’ny ronono dia tsy mahay tsara ny tenin’ny fahamarinana, satria mbola zaza.+ 14  Fa ny ventin-kanina kosa dia ho an’ny olona matotra, izay manana fahaiza-misaina+ efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy,+ satria nampiasaina.

Fanamarihana