Hebreo 7:1-28

7  Io Melkizedeka io ilay mpanjakan’i Salema, sy mpisoron’ilay Andriamanitra Avo Indrindra,+ ary izy ilay nitsena an’i Abrahama niverina avy nandresy mpanjaka maro, ka nitso-drano azy,+  ary izy ilay nomen’i Abrahama ny ampahafolon’ny zava-drehetra.+ Raha adika ny hoe Melkizedeka dia hoe “Mpanjakan’ny Fahamarinana” aloha voalohany, ary mpanjakan’i Salema+ koa izy, izany hoe “Mpanjakan’ny Fiadanana.”  Tsy nanan-dray izy ary tsy nanan-dreny, tsy nanana tetirazana, tsy nisy fiandohana ny androm-piainany+ sady tsy nisy fiafarana, fa natao nitovy tamin’ilay Zanak’Andriamanitra+ izy, ka mitoetra ho mpisoronabe mandrakizay.+  Koa diniho àry ny fahalehibeazan’izany lehilahy izany: Nanome azy ny ampahafolon’ny zavatra tsara indrindra nobaboiny i Abrahama,+ loham-pianakaviana.  Marina fa ireo anisan’ny taranak’i Levy+ izay tonga mpisorona, dia nodidian’ny Lalàna hanangona ny ampahafolon-karena+ avy tamin’ny olona,+ izany hoe avy tamin’ireo rahalahiny, na dia naterak’i* Abrahama koa aza ireo.+  Fa io lehilahy io kosa, izay tsy mba taranak’i Levy,+ dia nahazo ampahafolon-karena avy tamin’i Abrahama,+ ka nitso-drano an’ilay nomena ny fampanantenana.+  Koa tsy misy iadian-kevitra fa izay kely no mahazo tsodrano avy amin’izay lehibe noho izy.+  Ary ny amin’ilay iray, dia olombelona mety maty no mahazo ampahafolon-karena,+ fa ny amin’ilay iray kosa, dia ilay voaporofo fa velona.+  Ary na i Levy izay mandray ny ampahafolon-karena aza dia nandoa ny ampahafolon-karena tamin’ny alalan’i Abrahama, raha azoko atao ny milaza izany, 10  satria mbola tao an-kibon’i+ Abrahama izy fony i Melkizedeka nitsena an’io razambeny io.+ 11  Koa raha tena nahatonga ny olona ho lavorary+ ny fisoronan’ny+ Levita—satria anisan’ny Lalàna nomena ny vahoaka izy io+—dia inona indray no ilana+ hanendrena mpisorona hafa lazaina hoe tahaka an’i Melkizedeka,+ fa tsy tahaka an’i Arona? 12  Koa satria ovana ny fisoronana,+ dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna.+ 13  Fa anisan’ny foko hafa+ ilay lehilahy resahina amin’izany, ary tsy nisy olona nanompo teo amin’ny alitara avy tamin’io foko io.+ 14  Hita mazava fa avy tamin’ny fokon’i Joda+ ny Tompontsika, dia foko tsy mba voalazan’i Mosesy ho nisy mpisorona. 15  Ary vao mainka hita mazava kokoa fa misy mpisorona iray hafa tendrena,+ izay tahaka an’i Melkizedeka.+ 16  Tsy araka ny lalàna miorina amin’ny nofo+ no nahatonga azy ho toy izany, fa araka ny herin’ny fiainana tsy mety levona,+ 17  satria izao no voalaza, ho vavolombelona: “Mpisorona mandrakizay ianao, tahaka an’i Melkizedeka.”+ 18  Azo antoka àry fa nofoanana ilay didy teo aloha noho izy io nalemy+ sy tsy nisy vokany.+ 19  Fa ny Lalàna dia tsy nahatonga na inona na inona ho lavorary,+ fa ny nahavita izany kosa dia ny nampidirana fanantenana+ tsara kokoa, izay anatonantsika an’Andriamanitra.+ 20  Ary satria tsy natao izany raha tsy noho ny fianianana mafy, 21  —nisy tokoa olona tonga mpisorona nefa tsy noho ny fianianana mafy, fa misy anankiray kosa tonga mpisorona noho ny fianianan’Ilay nilaza toy izao momba azy: “Nianiana+ i Jehovah ka tsy hanenina, eny, nianiana izy hoe: ‘Mpisorona mandrakizay ianao’”+ 22  dia izany no nahatonga an’i Jesosy ho antoka ny amin’ny fifanekena+ tsara kokoa. 23  Maro ny mpisorona tsy maintsy nifandimby,+ satria tsy navelan’ny fahafatesana+ haharitra ho mpisorona izy ireo. 24  Fa izy kosa manana fisoronana tsy misy mpandimby, satria izy velona mandrakizay.+ 25  Koa mahavonjy tanteraka an’ireo manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany koa izy, satria velona mandrakariva mba hiangavy ho an’ireo.+ 26  Ary mpisoronabe toy izany no mety amintsika,+ eny, mpisoronabe tsy mivadika,+ tso-po,+ tsy misy loto,+ tafasaraka amin’ny mpanota,+ ary nanjary avo noho ny lanitra.+ 27  Tsy mila manao tahaka an’ireny mpisoronabe ireny izy, ka manolotra sorona isan’andro,+ voalohany noho ny otan’ny tenany,+ ary avy eo noho ny otan’ny vahoaka.+ Fa efa nataony indray mandeha+ monja izany rehefa nanolotra+ ny tenany izy. 28  Lehilahy manana fahalemena+ no tendren’ny Lalàna ho mpisoronabe,+ fa Zanaka natao lavorary+ mandrakizay kosa no tendren’ny tenin’ny fianianana+ mafy, izay tonga taorian’ny Lalàna.

Fanamarihana

A.b.t.: “avy tamin’ny andilan’i.”