Hebreo 8:1-13

8  Ary izao no votoatin’izany voalaza rehetra izany: Mpisoronabe+ toy izany no ananantsika, ary mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’ny Lehibe any an-danitra+ izy,  sy mpanompo ho an’ny besinimaro ary manompo ao amin’ny toerana masina+ sy ny tena tranolay, izay naorin’i Jehovah+ fa tsy naorin’olona.+  Fa tendrena mba hanolotra fanomezana sy sorona ny mpisoronabe rehetra.+ Koa tokony mba hanan-katolotra koa izy.+  Tsy ho mpisorona izy raha etỳ an-tany,+ satria efa eo ireo olona manolotra ny fanomezana araka ny Lalàna.  Ireo olona ireo anefa dia manao fanompoana masina izay tandindona+ fotsiny sady aloky+ ny zavatra any an-danitra, araka ny nandidian’Andriamanitra+ an’i Mosesy, fony izy hanamboatra ilay tranolay.+ Hoy mantsy Andriamanitra: “Tandremo mba ho araka ny modely naseho anao tatỳ an-tendrombohitra no hanaovanao ny zava-drehetra.”+  Fa fanompoana ho an’ny besinimaro, izay fanompoana tsara lavitra noho izany kosa no azon’i Jesosy ankehitriny, hany ka mpanelanelana+ amin’ny fifanekena+ tsara kokoa mifanitsy amin’izany izy, dia fifanekena izay naorina ara-dalàna tamin’ny fampanantenana tsara kokoa.+  Fa raha tsy nisy tsininy ilay fifanekena voalohany, dia tsy nisy nilana fifanekena faharoa.+  Fa tena manome tsiny ny vahoaka izy, rehefa miteny hoe: “‘Ho avy ny andro’, hoy i Jehovah, ‘izay hanaovako fifanekena vaovao amin’ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda.+  Tsy araka ilay fifanekena+ nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy nivoaka avy tany Ejipta+ anefa izany, satria tsy nitana ny fifanekena nataoko taminy izy ireo,+ ka tsy niraharaha azy ireo intsony aho’, hoy i Jehovah.”+ 10  “‘Fa izao no fifanekena hataoko amin’ny taranak’Israely, rehefa afaka izany andro izany’, hoy i Jehovah: ‘Hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony.+ Dia ho Andriamaniny aho,+ ary izy ireo ho oloko.+ 11  “‘Samy tsy hampianatra ny mpiray firenena aminy sy ny rahalahiny intsony mihitsy izy ireo hoe: “Mahalalà an’i Jehovah!”+ Fa hahalala ahy izy rehetra,+ manomboka amin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra. 12  Fa hamindra fo amin’ny tsy fahamarinana nataony aho, ary tsy hotsarovako+ intsony mihitsy ny fahotany.’”+ 13  Ambarany ho efa lany andro ilay taloha rehefa miteny izy hoe “fifanekena vaovao.”+ Ary izay efa lany andro sy mihantitra dia madiva ho levona.+

Fanamarihana