Hebreo 9:1-28

9  Tao amin’ilay fifanekena taloha àry, dia nisy lalàna momba ny fanompoana masina,+ ary nisy toerana masina+ tetỳ an-tany.  Fa naorina ny efitra voalohan’ny tranolay,+ ka tao amin’io efitra io no nisy ny fitoeran-jiro+ sy ny latabatra+ ary ny mofo+ aseho. Ary nantsoina hoe “ny Toerana Masina”+ io efitra io.  Fa tao ambadik’ilay ridao+ faharoa kosa no nisy ilay efitra nantsoina hoe “ny Masina Indrindra.”+  Tao no nisy ny fitaovana+ volamena fandoroana emboka manitra sy ny Vata misy ny fifanekena+ izay voapetaka takela-bolamena+ izy manontolo. Ary tao amin’io Vata io no nasiana ny siny volamena nisy ny mana,+ sy ny tehin’i Arona izay nitsimoka,+ ary ny takela-baton’ny+ fifanekena.  Ary teo amboniny no nisy ny kerobima+ be voninahitra izay nanaloka an’ilay sarony fampihavanana.+ Tsy fotoana tokony hiresahana an’izany amin’ny an-tsipiriany anefa izao.  Rehefa voaorina toy izany ireo zavatra ireo, dia miditra foana ao amin’ny efitra voalohan’ilay tranolay+ ny mpisorona mba hanao fanompoana masina.+  Fa ny mpisoronabe irery ihany kosa no miditra indray mandeha isan-taona+ ao amin’ilay efitra faharoa. Ary tsy miditra ao izy raha tsy mitondra ra,+ izay atolony noho ny amin’ny tenany+ sy noho ny fahotana nataon’ny vahoaka+ vokatry ny tsy fahalalany.  Koa asehon’ny fanahy masina mazava àry fa mbola tsy naharihary ny lalana+ mankao amin’ny toerana masina raha mbola nijoro ilay tranolay voalohany.+  Fanoharana+ enti-milaza an’izao fotoana voatondro izao io tranolay io. Araka io fanoharana io, dia misy fanomezana sy sorona atolotra,+ izay tsy mahalavorary+ ny feon’ny fieritreretan’ny+ olona manao fanompoana masina. 10  Fa momba ny hanina+ sy ny zava-pisotro+ ary ny fandrobohana+ samihafa fotsiny ny fanomezana sy ny sorona. Ny lalàna no nitaky ireny zavatra momba ny nofo ireny,+ ary tsy maintsy notandremana ireny mandra-pahatongan’ny fotoam-panitsiana voatondro.+ 11  Fa rehefa tonga kosa i Kristy, izay mpisoronabe+ ny amin’ny zava-tsoa efa ananantsika, dia tao amin’ny tranolay lehibe kokoa sy lavorary kokoa ary tsy nataon-tanana, izany hoe, tranolay tsy anisan’izao zavatra ary izao,+ 12  no nidirany. Ary tsy ran’osilahy sy ran’ny vantotr’ombilahy no nentiny niditra, fa ny ran’ny tenany mihitsy,+ ka niditra indray mandeha monja tao amin’ny toerana masina izy, ary nahazo fanafahana mandrakizay ho antsika.+ 13  Fa raha ny ran’osilahy+ sy ny ran’ombilahy+ ary ny lavenom-bantotr’ombivavy+ izay nafafy teo amin’izay naloto+ aza manamasina ka tonga hatramin’ny fanadiovana ny nofo,+ 14  mainka fa ny ran’i+ Kristy? Nanolotra+ ny tenany tsy misy tsiny tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanahy mandrakizay mantsy izy, ary ny rany no manadio+ ny feon’ny fieritreretantsika ho afaka amin’ny asa maty+ mba hanaovantsika fanompoana masina+ ho an’ilay Andriamanitra velona. 15  Koa izany no mahatonga azy ho mpanelanelana+ amin’ny fifanekena vaovao. Amin’izay dia hahazo fampanantenana ny amin’ny lova mandrakizay+ ireo voantso. Fa maty i Kristy mba hanafahana azy ireo amin’ny alalan’ny vidim-panavotana,+ ka hanavotana azy ireo tamin’ny fandikan-dalàna teo ambanin’ilay fifanekena taloha.+ 16  Rehefa misy mantsy fifanekena+ atao, dia takina ny hahafatesan’ilay olona nanao fifanekena. 17  Fa izay vonoina atao sorona no mampanan-kery ny fifanekena, satria tsy manan-kery mihitsy izy io raha mbola velona ilay olona nanao fifanekena. 18  Koa na ilay fifanekena taloha+ aza tsy natao nanan-kery raha tsy nisy ra.+ 19  Fa fony nolazain’i Mosesy tamin’ny olona rehetra ny didy tsirairay araka ny Lalàna,+ dia nalainy ny ran’ny vantotr’ombilahy sy ny ran’osilahy mbamin’ny rano, ka volonondry mena midorehitra sy hysopa*+ no namafazany izany teo amin’ny boky sy ny vahoaka rehetra, 20  sady hoy izy: “Ity no ran’ny fifanekena izay nandidian’Andriamanitra anareo.”+ 21  Ary nofafazany ra+ ny tranolay+ sy ny fanaka rehetra fanaovana fanompoana ho an’ny besinimaro. 22  Saika ny zava-drehetra no diovina amin’ny ra,+ araka ny Lalàna. Ary raha tsy misy ra alatsaka+ dia tsy misy famelan-keloka.+ 23  Koa tokony hodiovina amin’izany fomba+ izany koa ny tandindon’ny+ zavatra any an-danitra, fa ny zavatra any an-danitra kosa dia diovina amin’ny sorona tsara kokoa. 24  Fa tsy toerana masina nataon-tanana,+ izay tahaka an’ilay tena izy,+ no nidiran’i Kristy, fa ny lanitra mihitsy,+ mba hisehoany ankehitriny eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika.+ 25  Ary tsy niditra mba hanolotra matetika ny tenany izy, toy ny fanaon’ny mpisoronabe izay miditra isan-taona+ ao amin’ny toerana masina,+ sady mitondra ra nefa tsy ny ran’ny tenany. 26  Raha izany mantsy, dia ho voatery nijaly matetika izy nanomboka tamin’ny nanorenana+ izao tontolo izao. Fa ankehitriny, dia niseho+ indray mandeha monja+ izy mandritra ny fifaranan’ireo rafitra nisy teto amin’ity tontolo ity,+ mba hanaisotra ny ota amin’ny alalan’ny soron’ny tenany.+ 27  Natao ho faty indray mandeha monja ny olona,+ ary hisy fitsarana avy eo,+ 28  dia tahaka izany koa no nanolorana an’i Kristy indray mandeha monja+ mba hitondra ny fahotan’ny maro.+ Ary rehefa hiseho+ fanindroany+ izy, dia tsy hanaisotra fahotana,+ fa hiseho amin’ireo miandry azy fatratra ho famonjena an’ireo.+

Fanamarihana

Jereo Ek 12:22 f.a.p.