Hosea 1:1-11

1  Ny tenin’i Jehovah+ izay tonga tamin’i Hosea+ zanak’i Bery, tamin’ny andron’i+ Ozia,+ sy Jotama,+ sy Ahaza,+ ary Hezekia,+ izay samy mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andron’i Jeroboama+ zanak’i Joasy,+ mpanjakan’ny Israely.  Ary i Jehovah nanomboka niteny tamin’ny alalan’i Hosea, ka hoy i Jehovah taminy: “Mandehana+ ianao maka vady izay hijangajanga, dia hahazo zanaky ny fijangajangany ianao. Nijangajanga mantsy ity tany ity ka tsy nanaraka an’i Jehovah intsony.”+  Ary lasa izy naka an’i Gomera zanakavavin’i Diblaima. Dia bevohoka ravehivavy ka nitera-dahy taminy.+  Ary hoy i Jehovah taminy: “Ataovy hoe Jezirela+ ny anarany, fa kely sisa dia hataoko ampamoaka ny taranak’i Jeho+ noho ny ra nalatsaka tao Jezirela. Ary hataoko tsy hisy mpanjaka hitondra intsony avy amin’ny taranak’Israely.+  Amin’izany andro izany, dia hotapahiko eo amin’ny lemaka ivan’i Jezirela ny tsipìkan’ny+ Israely.”  Ary bevohoka indray i Gomera, ka nitera-bavy. Dia hoy Andriamanitra tamin’i Hosea: “Ataovy hoe Lo-rohama+ ny anarany, satria tsy hamindra fo+ amin’ny taranak’Israely intsony aho, fa horoahiko tokoa izy ireo.+  Ny taranak’i Joda kosa no hamindrako fo,+ ary ny herin’i Jehovah Andriamaniny no hamonjeko azy.+ Tsy amin’ny tsipìka na sabatra na ady, na soavaly na mpitaingin-tsoavaly anefa no hamonjeko azy.”+  Ary nampisara-nono an’i Lo-rohama i Gomera. Dia bevohoka indray izy, ka nitera-dahy.  Ary hoy Andriamanitra: “Ataovy hoe Lo-amy ny anarany, satria tsy oloko ianareo, ary tsy ho Andriamanitrareo aho. 10  “Ny isan’ny zanak’Israely dia ho toy ny fasika any an-dranomasina, izay tsy voafatra na voaisa.+ Ary any amin’izay nilazana tamin’izy ireo hoe: ‘Tsy oloko ianareo’,+ no hiantsoana azy ireo hoe: ‘Zanak’ilay Andriamanitra velona.’+ 11  Hangonina hiray hina ny taranak’i Joda sy ny zanak’Israely,+ ka hanangana mpitondra iray.+ Dia hiakatra hiala amin’ilay tany izy ireo, satria ho andro lehibe ho an’i Jezirela izany.+

Fanamarihana