Hosea 10:1-15

10  “Voaloboka mihasimba ny Israely.+ Mamoa foana izy,+ ka arakaraka ny habetsahan’ny voany no nampitomboany ny isan’ny alitarany,+ ary arakaraka ny hatsaran’ny taniny no nananganany tsato-kazo masina tsara tarehy.+  Lasa nihatsaravelatsihy ny fony,+ ka ho meloka izy. “Hisy hanapotika ny alitarany, sy handroba ny tsato-kazony masina.+  Dia hiteny izy ireo hoe: ‘Tsy manana mpanjaka isika,+ satria tsy natahotra an’i Jehovah. Ary na manana aza moa, inona no ho azony atao ho antsika?’  “Manao kobaka am-bava, sy mianiana lainga,+ ary manao fifanekena izy ireo.+ Miely toy ny zavamaniry misy poizina eny amin’ny saha voasa, ny tsy rariny.+  Ny mponin’i Samaria dia hatahotra noho izay hanjo an’ilay zanak’omby nataony sampy tao Beti-avena.+ Halahelo azy io izy ireo sy ny mpisoron’ny andriamani-kafa, izay niravoravo noho ny aminy sy noho ny amin’ny voninahitr’ilay firenena. Eny, halahelo izy ireo satria hatao sesitany lavitra azy+ ilay zanak’omby.  Hoentina any Asyria izy io ho fanomezana ho an’ny mpanjaka lehibe.+ Ho afa-baraka i Efraima,+ ary ny Israely ho menatra noho ny tetika nataon’izy io.+  Haringana i Samaria sy ny mpanjakany,+ ka ho toy ny tapaka rantsankazo eny ambony rano.  Horavana ny toerana avo ao Beti-avena,+ dia ny fahotan’ny Israely.+ Ho rakotry ny tsilo+ ny alitarany.+ Dia hilaza amin’ny tendrombohitra ny olona hoe: ‘Saròny izahay!’, ary amin’ny havoana hoe: ‘Mianjerà aminay!’+  “Efa tamin’ireny fotoana tany Gibea+ ireny no nanotan’ny+ Israely. Tsy niova izy ireo tany. Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady+ amin’ny zanaky ny tsy fahamarinana. 10  Koa hanafay azy ireo aho+ rehefa te hanao izany. Ary hisy firenena hangonina hamely azy, rehefa hoterena hitaritarika ny fahadisoany roa sosona izy.+ 11  “Vantotr’ombivavy efa voafolaka i Efraima, izay tia niasa teny am-pamoloana.+ Ary nolalovako ny vozony tsara tarehy. Fa ankehitriny kosa, dia asaiko hisy hitaingina i Efraima.+ Dia hiasa tany i Joda,+ ary i Jakoba hamaky bainga.+ 12  Mamafaza voan’ny fahamarinana,+ dia hijinja hatsaram-panahy feno fitiavana ianareo.+ Tany azo volena no asao+ dieny mbola misy ny fotoana itadiavana an’i Jehovah, mandra-pahatongany+ hampianatra anareo ny fahamarinana.+ 13  “Faharatsiana anefa no nafafinareo,+ ary tsy fahamarinana no nojinjainareo.+ Ny vokatry ny famitahana no nohaninareo,+ satria ianareo nitoky tamin’ny fanaonareo+ sy tamin’ny habetsahan’ny olo-maherinareo.+ 14  Dia nisavorovoro ny firenenareo.+ Ary horobaina daholo ny tanànanareo misy manda,+ toy ny nandroban’i Salamana ny tranon’i Arbela, tamin’ilay fotoanan’ny ady. Niara-notorotoroina tamin-janany ny reny tamin’izay.+ 15  Izany no hatao aminareo noho ny faharatsiana be loatra vitanareo, ry Betela ô!+ Rehefa mazava ratsy ny andro, dia haringana tokoa ny mpanjakan’ny Israely.”+

Fanamarihana