Hosea 11:1-12

11  “Fony mbola zaza ny Israely, dia tiako izy.+ Ary nantsoiko hiala avy tany Ejipta ny zanako.+  “Nisy niantso izy,+ nefa arakaraka ny niantsoana azy no vao mainka nialany teo amin’ireo niantso azy.+ Ho an’ny sarin’i Bala no nanaovany sorona,+ ary ho an’ny sary sokitra no nanolorany setroka ho sorona.+  Izaho anefa no nampianatra an’i Efraima handeha,+ sy nitrotro azy.+ Ary tsy fantany fa izaho no nanasitrana azy.+  Tady fitarihana olona no nitarihako azy, dia tadim-pitiavana.+ Koa tamin’izy ireo, dia efa toy ireo nanainga ny zioga tsy ho eo amin’ny valanoranony aho,+ ka nitondra sakafo tamin-katsaram-panahy ho an’ny tsirairay taminy.+  Tsy hiverina any Ejipta izy, fa i Asyria no ho mpanjakany,+ satria tsy nety niverina tamiko izy.+  Ary hisy sabatra hihodinkodina ao amin’ireo tanànany+ ka hanapatapaka ny bara hidim-bavahadiny sy handripaka,+ noho ny teti-dratsiny.+  Mifidy ny hivadika amiko ny oloko.+ Antsoina ho any amin’izay avo izy, nefa tsy misy mitsangana na iray aza.  “Hataoko ahoana anefa no hahafoy anao, ry Efraima ô?+ Ary hataoko ahoana no hanolotra anao, ry Israely ô?+ Hataoko ahoana no hamely anao tahaka an’i Adma?+ Ary hataoko ahoana no hamely anao tahaka an’i Zeboima?+ Efa niova hevitra ny aminao aho,+ fa hontsa dia hontsa ny foko.  Tsy hanampatra ny fahatezerako aho,+ ary tsy handringana an’i Efraima intsony,+ satria Andriamanitra aho+ fa tsy olona, eny, Ilay Masina eo anivonareo.+ Koa tsy ho avy amin-katezerana aho. 10  Hanaraka an’i Jehovah izy ireo.+ Ary hierona toy ny liona Andriamanitra.+ Fa hierona izy,+ dia hanatona amin-kovitra avy any andrefana ny zanany.+ 11  Hangovitra toy ny vorona izy ireo hivoaka avy any Ejipta,+ ary hangovitra toy ny voromailala rehefa hivoaka avy any Asyria.+ Dia hamponeniko ao an-tranony izy ireo”, hoy i Jehovah.+ 12  “Lainga no nataon’i Efraima manodidina ahy,+ ary fitaka no nataon’ny taranak’Israely manodidina ahy. Mbola miara-mandeha amin’Andriamanitra anefa ny Joda,+ ka mendrika ny fitokisan’Ilay Masina Indrindra.”

Fanamarihana