Hosea 12:1-14

12  “Homan-drivotra+ i Efraima, ary enjehiny foana ny rivotra+ avy any atsinanana. Lainga sy fandrobana no ataony be dia be.+ Manao fifanekena amin’i Asyria izy,+ ary mitondra menaka mankany Ejipta.  “Koa manana ady amin’ny Joda i Jehovah,+ mba hanaovany ampamoaka an’i Jakoba araka izay nataony.+ Dia hamaly azy araka ny ratsy nataony izy.+  Nihazona ny voditongotry ny rahalahiny izy+ tao an-kibo. Ary nitolona tamin’Andriamanitra+ araka izay fara heriny izy.  Nitolona tamin’ny anjely izy, ary nandresy.+ Dia nitomany izy, ka nitalaho famindram-po.”+ Tao Betela no nahitan’Andriamanitra azy,+ ary tao no niresahany tamintsika.+  Izy no Jehovah Andriamanitry ny tafika,+ ary Jehovah no anarana ahatsiarovana azy.+  “Miverena amin’Andriamanitrao,+ ka manehoa hatsaram-panahy feno fitiavana+ ary manaova ny rariny.+ Aoka koa ianao hanantena foana an’Andriamanitrao.+  Eny an-tanan’ny mpivarotra ny mizana mandainga,+ ary ny hanambaka no tiany.+  Hoy foana i Efraima: ‘Lasa manankarena+ aho, ary efa nahazo zava-tsarobidy maro.+ Amin’ny asa rehetra isasarako, dia tsy hahitan’izy ireo mihitsy fahadisoana lehibe toy ny fahotana.’+  “Fa izaho no Jehovah Andriamanitrao hatry ny fony ianao tany Ejipta.+ Ary mbola hamponeniko an-tranolay ianao, toy ny amin’ny andro fety. 10  Niteny tamin’ny mpaminany aho,+ ary nanome fahitana maro be. Tamin’ny alalan’ny mpaminany no nanaovako fanoharana.+ 11  “Nampiasa herin’ny maizina ny tao Gileada,+ sady nanao ny tsy marina.+ Namono omby ho sorona izy ireo tao Gilgala.+ Ary toy ny antontam-bato eny amin’ny saha voasa ireo alitarany.+ 12  Nandositra nankany ambanivohitr’i Syria i Jakoba.+ Ary nanompo i Israely+ mba hahazoana vady.+ Eny, niandry ondry izy+ mba hahazoana vady. 13  Mpaminany no nampiasain’i Jehovah hitondra ny Israely hiakatra avy tany Ejipta,+ ary mpaminany koa no nampiasainy hiambina azy.+ 14  Nampahatezitra an’Andriamanitra+ i Efraima, ka nanao izay hampalahelo azy. Dia izy ihany no hibaby ny helony noho izy nandatsa-dra.+ Ary hovalian’ilay Tompony Be Voninahitra ny fanalam-baraka nataony.”+

Fanamarihana