Hosea 13:1-16

13  “Nihorohoro ny olona rehefa niteny i Efraima, ary nahery teo amin’ny Israely izy.+ Nanjary meloka anefa izy noho ny amin’i Bala,+ ka maty.+  Ary vao mainka izy mampitombo ny fahotany ankehitriny ka manao sarivongana amin’ny volafotsy narendrika,+ dia sampy araka izay saim-pantany fotsiny.+ Asan’ny mpanao asa tanana daholo ireny.+ Ary ireny no ilazany hoe: ‘Aoka hanoroka zanak’omby+ ny olona mpanao sorona.’  Koa ho toy ny zavona maraina+ izy, sy ho toy ny ando levona vao maraina, sy ho toy ny akofa paohin’ny rivotra hiala eny am-pamoloana,+ ary ho toy ny setroka avy amin’ny lavaka eo amin’ny tafo.  “Izaho anefa no Jehovah Andriamanitrao hatry ny fony ianao tany Ejipta.+ Tsy nahafantatra Andriamanitra afa-tsy izaho ianao, ary tsy nisy mpamonjy afa-tsy izaho.+  Izaho no nikarakara anao tany an-tany efitra,+ izay tany be fanaviana.+  Arakaraka izay novokarin’ny kijanan’izy ireo no nahavoky+ azy. Dia voky izy ireo ka niavonavona+ ny fony. Koa izany no nanadinoany ahy.+  Dia ho toy ny liona tanora aho,+ amin’izy ireo, ary ho toy ny leopara mamitsaka+ eo amoron-dalana.  Hifanandrina aminy aho, toy ny ataon’ny orsa very anaka,+ ka hataoko rotika ny tratrany. Handrapaka azy toy ny fanaon’ny liona+ koa aho. Ary hisy bibidia hamiravira azy.+  Hitondra loza ho anao+ izany, ry Israely ô, satria izany dia fanoherana ahy izay mpanampy+ anao. 10  “Aiza àry izay mpanjakanao mba hamonjy anao any amin’ny tanànanao rehetra,+ ary aiza izay mpitsaranao? Fa ianao ihany no niteny hoe: ‘Omeo mpanjaka sy andriana izahay.’+ 11  Dia nanome mpanjaka anao tao anatin’ny fahatezerako aho,+ ary hanaisotra azy ao anatin’ny fahavinirako.+ 12  “Voafono ny fahadisoan’i Efraima, ary voatahiry ny fahotany.+ 13  Hanaintaina toy ny vehivavy mihetsi-jaza izy.+ Tsy zaza hendry+ koa izy, satria rehefa tonga ny fotoana hahaterahany, dia tsy hety hivoaka izy.+ 14  “Havotako amin’ny fangejan’ny Fasana* izy ireo,+ ary halaiko avy any amin’ny fahafatesana.+ Aiza ny fanindronanao, ry Fahafatesana ô?+ Ary aiza ny fandringananao, ry Fasana* ô?+ Hafenina tsy ho hitan’ny masoko ny fangorahana.+ 15  “Na mahavokatra+ toy ny zanaka bararata aza izy, dia ho avy ny rivotra avy any atsinanana, izay rivotra avy amin’i Jehovah.+ Avy any an-tany efitra no hiakaran’izany, ka hataony maina ny lavadrano ary hataony ritra ny loharano.+ Horobainy ny harena, dia ny zava-tsarobidy rehetra.+ 16  “Ho meloka i Samaria,+ satria nikomy tamin’Andriamaniny.+ Ho lavon-tsabatra+ izy. Ny zanany hotorotoroina,+ ary ny kibon’ny vehivavy bevohoka hotatahana.”+

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.