Hosea 14:1-9

14  “Miverena amin’i Jehovah Andriamanitrao, ry Israely ô!+ Fa ny fahadisoanao no nahalavo anao.+  Manaova teny fibebahana ka miverena amin’i Jehovah.+ Milazà aminy ianareo rehetra hoe: ‘Enga anie ka hamela heloka ianao!+ Ary raiso izay tsara. Izahay kosa, ho setrin’izany, dia hanolotra ny vokatry ny molotray, dia ny vantotr’ombilahy fiderana.+  Tsy hamonjy anay i Asyria,+ ary tsy hitaingin-tsoavaly izahay.+ Tsy hiteny amin’ny asan’ny tananay intsony izahay hoe: “Ry Andriamanitray ô!”, satria noho ianao no anehoana famindram-po amin’ny kamboty ray.’+  “Hositraniko ny fivadihany tamiko.+ Ary sitrapoko ny ho tia azy,+ satria efa niala taminy ny fahatezerako.+  Ho toy ny ando aho amin’ny Israely.+ Koa hamony toy ny lisy izy, ary hamaka toy ny hazon’i Libanona.  Hisandrahaka ireo rantsany. Ho lasa mihaja tahaka ny hazo oliva+ izy, ary hamerovero toy ny hazon’i Libanona.  Hitoetra eo ambany alokalony+ indray izy ireo, ary hamboly varimbazaha, sady hamony toy ny voaloboka.+ Ny fahatsiarovana Azy dia ho toy ny fahatsiarovana ny divain’i Libanona.  “Hiteny i Efraima hoe: ‘Hisy zavatra iombonako amin’ny sampy intsony angaha moa?’+ “Izaho no hamaly sy hikarakara azy.+ Tahaka ny hazo zenevrie+ midoroboka aho, ka eo amiko no ahitana voankazo ho anao.”  Iza no hendry ka hahazo ny hevitr’izany?+ Ary iza no malina ka hahalala an’izany?+ Fa mahitsy ny lalan’i Jehovah,+ ka ny marina no handeha eo,+ fa ny mpandika lalàna kosa ho lavo eo.+

Fanamarihana