Hosea 2:1-23

2  “Lazao amin’ny rahalahinareo hoe: ‘Oloko ianareo!’,+ ary amin’ny anabavinareo hoe: ‘Vehivavy amindrana fo ianareo!’+  Torio any amin’ny fitsarana ny reninareo.+ Eny, torio izy, fa tsy vadiko intsony,+ ary izaho tsy vadiny.+ Tokony hesoriny tsy ho eo anatrehany ny fijangajangany, ary tokony hesoriny tsy ho eo anelanelan’ny nonony ny fanitsakitsaham-bady nataony,+  sao hampitanjaka azy aho,+ sady hanao azy toy ny tamin’ny andro nahaterahany,+ ary hanao azy toy ny tany efitra+ sy tany tsy misy rano,+ ary sao hataoko matin’ny hetaheta+ izy.  Ary tsy hamindrako fo ny zanany,+ satria zanaky ny fijangajangana.+  Nijangajanga mantsy ny reniny,+ ary nanao zava-mahamenatra+ ilay nitondra azy ireo tao am-bohoka, fa hoy izy: ‘Te hanaraka an’ireo lehilahiko aho,+ dia ireo manome ahy mofo sy rano, sy lamba volonondry sy lamba rongony sy menaka ary zava-pisotro.’+  “Koa hofefeko tsilo ny lalany, ary hanangana rindrim-bato hanakanana azy aho,+ mba tsy hahitany izay alehany.+  Ary hanenjika an’ireo lehilahiny izy, fa tsy hahatratra azy.+ Ary hitady an’ireo izy, fa tsy hahita azy. Dia hilaza izy hoe: ‘Te hiverina any amin’ilay vadiko+ voalohany+ aho, fa tsara kokoa ny fiainako tamin’izany noho ny ankehitriny.’+  Tsy noeritreretiny+ anefa fa izaho no nanome azy varimbazaha+ sy divay mamy ary menaka. Ary izaho koa no nanome azy volafotsy be dia be, sy volamena, izay samy nampiasainy tamin’ny fivavahana tamin’i Bala.+  “‘Koa tsy hanome intsony aho, fa halaiko kosa ny varimbazahako rehefa tonga ny fotoam-pijinjana, ary ny divay mamy rehefa tonga ny fotoana fanamboarana azy.+ Ary hendahako ny lamba volonondriko sy ny lamba rongoniko izay manarona ny fitanjahany.+ 10  Ary haharihariko eo imason’ireo lehilahiny ny fivaviany,+ ary tsy hisy olona hanafaka azy avy eto an-tanako.+ 11  Ary hatsahatro daholo ny fotoam-pifaliany:+ Ny fetiny,+ ny tsinam-bolany,+ ny sabatany, eny, ny fotoanan’ny fetiny rehetra. 12  Ary hosimbako ny voalobony+ sy ny hazo aviaviny,+ izay nolazainy hoe: “Fanomezana natolotr’ireo lehilahiko ireny.” Dia hovako ho lasa ala ireny,+ ka harapaky ny bibidia. 13  Ary hataoko ampamoaka+ izy noho ireo andro nanolorany setroka ho sorona+ ho an’ny sarin’i Bala,+ dia ireo andro nanaovany kavina sy haingo+ ka nanarahany an’ireo lehilahiny.+ Izaho anefa hadinony’,+ hoy i Jehovah. 14  “‘Koa haharesy lahatra azy aho, ka handefa azy any an-tany efitra,+ ary hanao teny manohina ny fony.+ 15  Dia homeko azy manomboka amin’izay ny tanimboalobony,+ ary ho varavaram-panantenana ny lemaka ivan’i Akora.+ Ary eo izy no hanaiky, toy ny tamin’ny andro fahatanorany+ sy tamin’ny andro niakarany avy tany Ejipta.+ 16  Ary amin’izany andro izany ianao dia hiantso ahy hoe Vadiko, fa tsy hoe Tompoko intsony’,+ hoy i Jehovah. 17  “‘Ary hesoriko tsy ho eo am-bavany ny anaran’ireo Bala,+ ka tsy hotsarovana intsony ny anarany.+ 18  Ho azy ireo no hanaovako fifanekena amin’izany andro izany, dia fifanekena amin’ny bibidia+ sy ny voro-manidina eny amin’ny lanitra ary ny biby mandady amin’ny tany. Hofoanako tsy ho eo amin’ilay tany ny tsipìka sy ny sabatra ary ny ady.+ Ary hataoko mandry feizay izy ireo.+ 19  Mivoady aho fa haka anao ho vadiko mandritra ny fotoana tsy voafetra,+ eny, haka anao aho satria rariny sy hitsiny izany, ary mariky ny hatsaram-panahy feno fitiavana sy famindram-po.+ 20  Ary mivoady ny haka anao aho noho izaho tsy mivadika. Dia ho fantatrao tokoa i Jehovah.’+ 21  “‘Amin’izany andro izany dia hamaly aho’, hoy i Jehovah, ‘eny, hamaly ny fangatahan’ny lanitra, ary ny lanitra kosa hamaly ny fangatahan’ny tany.+ 22  Ary ny tany hamaly ny fangatahan’ny varimbazaha+ sy ny divay mamy ary ny menaka. Ireo kosa hamaly ny fangatahan’i Jezirela.*+ 23  Ary hafafiko amin’ny tany toy ny voa izy mba ho ahy.+ Ary izaho hamindra fo aminy, dia izy izay tsy namindrana fo.+ Dia hiteny amin’izay tsy oloko aho hoe: “Oloko ianao.”+ Ary izy ireo kosa hanao hoe: “Andriamanitro ianao.”’”+

Fanamarihana

Jezirela = “Hamafy voa Andriamanitra.”