Hosea 3:1-5

3  Hoy koa i Jehovah tamiko: “Mandehana indray mitia vehivavy manana lehilahy hafa+ sy manitsakitsa-bady. Ary aoka ianao hitia azy toy ny itiavan’i Jehovah ny zanak’Israely,+ izay manompo andriamani-kafa+ sady tia manolotra mofo voaloboka maina ho an’ireny.”+  Koa novidiko tamin’ny farantsa volafotsy dimy ambin’ny folo ravehivavy,+ sy tamin’ny vary orza eran’ny homera* sy tapany.  Dia hoy aho taminy: “Ho ahy ianao+ mandritra ny andro maro. Aza mijangajanga+ na manao firaisana amin-dehilahy hafa.+ Ary izaho koa tsy hanao firaisana aminao.”  Tsy hisy mpanjaka mantsy eo amin’ny zanak’Israely+ mandritra ny andro maro, sady tsy hisy andriana, na sorona,+ na tsangambato masina, na efoda,+ na terafima.+  Aorian’izay, dia hiverina ny zanak’Israely ka hitady an’i Jehovah Andriamaniny+ sy Davida mpanjakany.+ Ary hangovitra izy ireo hanatona an’i Jehovah+ sy ny hatsaran-toetrany, any am-parany.+

Fanamarihana

220 litatra eo ho eo.