Hosea 4:1-19

4  Henoy ny tenin’i Jehovah, ry zanak’Israely, fa manana ady amin’ny mponin’ity tany ity i Jehovah,+ satria tsy misy fahamarinana eto,+ na hatsaram-panahy feno fitiavana na fahalalana an’Andriamanitra.+  Koa mihabetsaka ny fanozonana+ sy ny famitahana+ sy ny vonoan’olona+ sy ny halatra+ ary ny fanitsakitsaham-bady,+ sady misesisesy ny fandatsahan-dra.+  Noho izany, dia hisaona ny tany+ ary madiva hanjavona ny mponina rehetra ao, mbamin’ny bibidia sy ny voro-manidina eny amin’ny lanitra. Ary na ny trondro any an-dranomasina aza dia hangonina mba ho faty.+  “Aza misy miady+ na mananatra anefa, fa toy ny olona miady amin’ny mpisorona ny firenenao.+  Ho tafintohina ianao amin’ny antoandro,+ ary na ny mpaminany aza ho tafintohina miaraka aminao, toy ny amin’ny alina.+ Ary haringako ny reninao.+  Ho ringana ny oloko noho ny tsy fisian’ny fahalalana.+ Noho ianao nanda ny fahalalana,+ dia holaviko tsy ho mpisoroko intsony ianao.+ Ary noho ianao manadino foana ny lalàn’Andriamanitrao,+ dia hohadinoiko koa ny zanakao.+  Arakaraka ny habetsahan’ny mpisorona no vao mainka nanotan’izy ireo tamiko.+ Ary natakalony fahafaham-baraka ny voninahitro.+  Ny fahotan’ny oloko no iveloman’izy ireo, ary satriny foana ireny hanao fahadisoana.+  “Ary hitovy ihany ny hanjo ny vahoaka sy ny mpisorona,+ ka hataoko ampamoaka izy ireo noho izay nataony.+ Dia hatsingeriko aminy ny ratsy nataony.+ 10  Koa hihinana izy ireo nefa tsy ho voky.+ Ary hanao firaisana amim-behivavy toy ny fanao amin’ny mpivaro-tena izy ireo, nefa tsy hihamaro,+ satria tsy miraharaha an’i Jehovah.+ 11  Fa fijangajangana sy divay efa niotrika ela ary divay mamy no manaisotra ny faniriana hanao ny tsara.+ 12  Ny hazo+ izay ataony sampy no angatahany hevitra,+ ary ny tehiny no miteny aminy. Fa mibahana ao an-tsainy ny fijangajangana ka mampaniasia azy,+ ary ny fijangajangany no porofon’ny tsy fanekeny an’Andriamaniny.+ 13  Eny an-tampon-tendrombohitra no anaovany sorona,+ ary eny amin’ny havoana no anolorany setroka ho sorona,+ eny, eo ambanin’ny hazo goavana sy ny hazo stiraksa ary ny hazobe, satria tsara alokaloka ireny.+ Noho izany, dia mijangajanga ny zanakareo vavy, ary manitsakitsa-bady ny vinantovavinareo. 14  “Tsy hataoko ampamoaka ny zanakareo vavy noho izy mijangajanga, ary tsy hataoko ampamoaka ny vinantovavinareo noho izy manitsakitsa-bady. Tsy hanao izany aho satria ny lehilahy no mitondra mpivaro-tena mankany amin’ny toerana mitokana,+ sy miaraka amin’ny vehivavy mpivaro-tenan’ny tempoly+ rehefa manao sorona. Ary hohosihosena ny vahoaka tsy misaina.+ 15  Na mijangajanga aza ianao, ry Israely,+ dia aoka kosa ny Joda tsy ho meloka.+ Ary aza mankany Gilgala+ ianareo, na miakatra any Beti-avena,+ na mianiana hoe: ‘Raha mbola velona koa i Jehovah!’+ 16  Fa lasa maditra toy ny ombivavy maditra ny Israely.+ Koa ankehitriny kosa ve i Jehovah hiandry azy toy ny fiandry zanak’ondry eny an-tany malalaka? 17  Lasa mpanompo sampy i Efraima,+ ka avelao izy ho any!+ 18  Rehefa mahalany ny labierany izy ireo,+ dia manao firaisana amim-behivavy toy ny fanao amin’ny mpivaro-tena.+ Tia fahafaham-baraka+ tokoa ireo mpitana ampinga+ ao Efraima. 19  Hisy rivotra hipaoka azy.+ Dia ho menatra noho ny sorona nataony izy ireo.”+

Fanamarihana