Hosea 5:1-15

5  “Henoy izao, ry mpisorona,+ eny, mihainoa tsara, ry taranak’Israely ô, ary aoka ianareo izay anisan’ny ankohonan’ny mpanjaka+ hanongilan-tsofina, fa ianareo no hotsaraina. Ianareo mantsy lasa fandrika+ tany Mizpa, ary toy ny fandrika harato novelarina tao Tabara.+  Efa be dia be+ ny fandripahana vitan’ireo mpaniasia. Koa nananatra azy rehetra aho.+  Fantatro tsara i Efraima,+ ary tsy misy miafina amiko ny momba ny Israely.+ Ary ankehitriny, ry Efraima ô, dia manao firaisana amim-behivavy toy ny fanao amin’ny mpivaro-tena ianao.+ Ary efa nandoto tena ny Israely.+  Misakana azy tsy hiverina amin’Andriamaniny ny zavatra ataony,+ satria mibahana ao an-tsainy ny fijangajangana+ ary tsy fantany i Jehovah.+  Ny fireharehan’ny Israely dia vavolombelona manameloka azy,+ ary ny fahadisoan’ny Israely sy Efraima no mahalavo azy.+ Ary lavo miaraka aminy koa ny Joda.+  Hitondra ny ondriny sy ny ombiny izy ireo ka handeha hitady an’i Jehovah, fa tsy hahita azy.+ Efa niala tamin’izy ireo mantsy izy.  Nivadika tamin’i Jehovah izy ireo,+ satria niteraka zaza hafa firenena.+ Koa ho ripaka ao anatin’ny iray volana izy ireo sy ny fananany.+  “Tsofy ao Gibea+ ny anjombona,+ ary tsofy ao Rama ny trompetra! Manaova hiakan’ady ao Beti-avena.+ Ao aorianao ao, ry Benjamina ô!+  Higagan’ny olona ianao, ry Efraima, amin’ny andro famaizana.+ Azo antoka ny teny nolazaiko teo amin’ny fokon’ny Israely.+ 10  Nanjary toy ireo mampihemotra ny fetra mamaritra ny tanin’olona+ ny andrianan’ny Joda. Koa hararako aminy toy ny rano ny fahatezerako. 11  Ampahorina i Efraima sady torotoroina ara-drariny,+ satria nifidy ny hanaraka ny fahavalony izy.+ 12  Toy ny koroka+ aho ho an’i Efraima, ary toy ny zavatra lo aho ho an’ny taranak’i Joda. 13  “Hitan’i Efraima ny aretiny, ary hitan’i Joda ny feriny.+ Dia nankany Asyria i Efraima,+ sady nandefa iraka ho any amin’ny mpanjaka lehibe.+ Kanjo tsy nahasitrana anareo izy,+ sady tsy nanam-panafody hahafaka ny ferinareo.+ 14  Ho toy ny liona tanora aho ho an’i Efraima,+ ary ho toy ny liona tanora matanjaka ho an’ny taranak’i Joda. Izaho no hamiravira azy sy handeha hitondra azy. Ary tsy hisy hamonjy izy.+ 15  Handeha aho ka hiverina any amin’izay nisy ahy, mandra-panefany ny saziny.+ Dia hangataka hihaona amiko* izy.+ Ary hitady ahy izy+ rehefa azom-pahoriana mafy.”+

Fanamarihana

A.b.t.: “hitady ny tavako.”