Hosea 6:1-11

6  “Andao hiverina amin’i Jehovah,+ fa izy no namiravira antsika,+ nefa izy ihany koa no hanasitrana antsika.+ Izy no namely antsika, nefa izy ihany koa no hamehy ny ratrantsika.+  Hataony velona indray isika rehefa afaka roa andro.+ Ary amin’ny andro fahatelo, dia hataony izay hitsanganantsika, ka ho velona eo anatrehany isika.+  Dia hahalala an’i Jehovah isika, sady mbola hiezaka hahalala azy.+ Tsy miovaova+ toy ny fiposahan’ny maraina+ ny fahatongavany. Ary ho toy ny firotsahan’ny orana be dia be ny fiaviany amintsika,+ eny, toy ny oran-dohataona izay mamonto ny tany.”+  “Inona no hataoko aminao, ry Efraima? Ary inona no hataoko aminao, ry Joda?+ Fa toy ny zavona maraina ny fitiavanareo,* sady toy ny ando levona vao maraina.  Koa hamely azy amin’ny tenin’ny mpaminany aho,+ ary hamono azy amin’izay lazain’ny vavako.+ Dia hiharihary toy ny mazava ny fanamelohana anao.+  Hatsaram-panahy feno fitiavana mantsy no sitrako+ fa tsy sorona,+ ary fahalalana an’Andriamanitra fa tsy fanatitra dorana manontolo.+  Nivadika tamin’ny fifanekena izy ireo,+ tahaka ny olombelona. Nivadika tamiko izy ireo+ tany.  Tanànan’ny mpanao ratsy i Gileada.+ Ary feno ra ny dian-tongotr’izy ireo.+  Mpandroba+ ireo mpisorona, ka miafina mba hanafika olona.+ Mamono olona eo an-tsisin-dalana ao Sekema+ izy ireo, satria tsy manao afa-tsy izay ratsy.+ 10  Ao amin’ny taranak’Israely no ahitako zava-mahatsiravina.+ Ny fijangajangan’i Efraima no ao,+ ka efa nandoto tena ny Israely.+ 11  Misy fijinjana voatokana ho anao koa, ry Joda ô, rehefa hampodiko ny oloko babo.”+

Fanamarihana

Na: “hatsaram-panahinareo feno fitiavana.”