Hosea 7:1-16

7  “Isaky ny manasitrana ny Israely aho,+ dia miharihary ny fahadisoan’i Efraima+ sy ny ratsy ataon’i Samaria.+ Fa zatra mamitaka izy ireo.+ Miditra an-trano ny mpangalatra, ary ny mpandroba manafika any ivelany.+  Tsy mba nieritreritra anefa izy ireo+ hoe hotsarovako ny faharatsiany rehetra.+ Efa manodidina azy ny ratsy ataony,+ ary eo anatrehako izany.+  Ny faharatsiany no ampifaliany ny mpanjaka, ary ny famitahany no ampifaliany ny andriana.+  Mpanitsakitsa-bady izy rehetra,+ sady toy ny lafaoro narehitry ny mpanao mofo, izay tsy misorona afo rehefa avy namolavola koba mandra-pitombon’ilay koba.  Tamin’ilay andron’ny mpanjakantsika, dia nankarary tena sady tezitra ireo andriana,+ noho ny herin’ny divay.+ Nifandray tanana tamin’ny mpaneso ny mpanjaka.  Fa ny fanirian’ny fon’izy ireo dia ataony miredareda,+ toy ny hoe ampanatoniny lafaoro.+ Eny, miredareda ao anatin’izy ireo izany. Matory mandritra ny alina ny mpanao mofony. Ary amin’ny maraina dia midedadeda ny afon’ilay lafaoro.+  Lasa mahamay toy ny lafaoro izy rehetra, ary arapany ny mpitsarany. Lavo daholo ny mpanjakany.+ Ary tsy misy amin’izy ireo miantso ahy.+  “Mifangaroharo amin’ireo firenena i Efraima,+ ka lasa toy ny mofo boribory masaka ila noho izy tsy navadika.+  Lanin’ny hafa firenena ny heriny,+ nefa tsy fantany akory.+ Ary fotsy daholo ny volony, nefa tsy fantany akory. 10  Ny fireharehan’ny Israely dia vavolombelona manameloka azy.+ Tsy miverina amin’i Jehovah Andriamaniny anefa izy ireo,+ sady tsy mitady azy, na eo aza izany rehetra izany.+ 11  Ary toy ny voromailala+ mora ambakaina sady tsy ampy saina+ i Efraima. Fa i Ejipta no nantsoiny,+ ary tany Asyria no nalehany.+ 12  “Hovelariko hanarona azy ireo ny fandrika haratoko,+ na aiza na aiza alehany. Ary hampidiniko avy any ambony izy ireo toy ny voro-manidina.+ Hofaiziko koa izy araka ny efa nampitandremana ny fiangonany.+ 13  Hahita loza izy+ fa nandositra ahy!+ Ary horobaina izy fa nandika ny lalàko! Mba nanavotra azy aho,+ nefa nandainga momba ahy izy.+ 14  Tsy tena vokatry ny fony no niantsoany vonjy tamiko,+ na dia nidradradradra teo am-pandrianany aza izy. Nandany andro fotsiny tamin’ny fihinanan-kanina sy ny fisotroana divay mamy izy,+ ary nanohitra ahy.+ 15  Izaho nampianatra+ sy nanatanjaka azy,+ nefa izy nanao teti-dratsy hanoherana ahy.+ 16  Niverina izy ireo, nefa tsy niverina ho amin’izay avo.+ Toy ny tsipìka migoragora izy.+ Ho lavon-tsabatra ireo andrianany satria milaza+ fanamelohana. Hanesoana azy any Ejipta izany.”+

Fanamarihana