Hosea 8:1-14

8  “Ataovy eo am-bava ny anjombona,+ ka tsofy! Fa misy toy ny voromahery+ tonga hamely ny tranon’i Jehovah, satria nivadika tamin’ny fifanekena nataoko taminy ireny+ sady nandika ny lalàko.+  Izaho no antsoiny ka ilazany hoe: ‘Ry Andriamanitro ô, mahafantatra anao izahay Israely.’+  “Manary zava-tsoa ny Israely.+ Koa aoka hanenjika azy ny fahavalo.+  Efa nanangana mpanjaka izy ireo,+ nefa tsy avy amiko izany. Efa nanangana andriana izy, nefa tsy fantatro akory izany. Ny volafotsiny sy ny volamenany no nanaovany sampy.+ Vokatr’izany, dia ho ringana izy ireo.+  Nariana ilay zanak’ombinao,+ ry Samaria ô! Tezitra mafy amin’izy ireo aho.+ Mandra-pahoviana izy ireo no tsy hahavita hanadio ny tenany mba tsy hanan-tsiny intsony?+  Fa avy tamin’ny Israely+ ilay zanak’ombin’i Samaria. Mpanao asa tanana no nanao azy.+ Ary tsy Andriamanitra izy io, satria ho lasa toy ny taim-bankona.+  “Fa rivotra no afafiny, ka tadio no hojinjainy.+ Tsy misy mamokatra ny voly eny an-tsaha.+ Ary tsy misy voa mitsimoka ahazoana lafarinina.+ Ary raha misy aza izany, dia ny hafa firenena no hitelina azy.+  “Hatelina ny Israely.+ Ho lasa any amin’ireo firenena izy ireo,+ toy ny vilany tsy misy mpitia.+  Niakatra tany Asyria izy,+ toy ny zebra mahaleo tena.+ Nanakarama lehilahy mpivaro-tena i Efraima.+ 10  Ary na maka lehilahy eo amin’ireo firenena aza izy ireo hokaramainy,+ dia hanangona azy ireo aho. Ary tsy ho ela izy ireo dia hanaintaina mafy,+ noho ny enta-mavesatra ampitondrain’ny mpanjaka sy ny andriana. 11  “Fa nanao alitara be dia be i Efraima mba hanotany.+ Dia nanana alitara maro izy mba hanotany.+ 12  Nanoratra zavatra maro ho azy aho momba ny lalàko,+ nefa tsy noraharahainy izany lalàna izany.+ 13  Hena+ no atolotr’izy ireo ho sorona fanomezana ho ahy, ary nihinana zavatra tsy tian’i Jehovah izy.+ Hotsarovan’Andriamanitra ny fahadisoan’izy ireo, ka hataony ampamoaka izy noho ny fahotany.+ Tany Ejipta no niverenan’izy ireo.+ 14  Nanomboka nanadino ny Mpanao+ azy ny Israely, ka nanorina tempoly maro.+ Ny Joda kosa nanao tanàna maro be nisy manda.+ Dia handefasako afo ireny tanànany ireny, ka holevonin’ny afo ny tilikambo fonenana isan-tanàna.”+

Fanamarihana