Hosea 9:1-17

9  “Aza mifaly, ry Israely ô!+ Aza miravoravo toy ireo firenena.+ Fa noho ny fijangajanganao no nialanao tamin’Andriamanitrao.+ Tia karaman’ny mpivaro-tena ianao, teny amin’ny famoloana rehetra teny.+  Koa tsy hanome sakafo azy ny famoloana sy ny lavaka famiazam-boaloboka.+ Ary tsy hisy intsony ny divay mamy.+  Tsy honina intsony eo amin’ny tanin’i Jehovah izy ireo.+ Dia hiverina any Ejipta+ i Efraima, ary hihinana zavatra maloto any Asyria izy ireo.+  Tsy handraraka divay ho an’i Jehovah intsony izy ireo.+ Ary tsy hankasitrahany intsony ny sorona ataony.+ Fa amin’izy ireo, dia toy ny mofom-pisaonana+ ireny, ka handoto tena izay rehetra mihinana azy. Ho an’ny tenany ihany ny mofony, fa tsy hoentina ao an-tranon’i Jehovah.+  Inona no hataonareo amin’ny andro fivoriana sy amin’ny andro fety ho an’i Jehovah?+  Tsy maintsy mandeha izy ireo satria voaroba ny taniny.+ Dia hanangona azy ireo i Ejipta,+ ary i Memfisa+ kosa handevina azy. Ho rakotry ny tsilo+ ny zava-tsarobidiny vita amin’ny volafotsy, ary hisy kirihitra be tsilotsilo haniry ao an-tranolainy.+  “Ho avy tokoa ny andro hifantohana amin’izy ireo,+ ary ho avy tokoa ny andro famaliana.+ Ho fantatry ny Israely izany,+ ka ho hitany fa adala ny mpaminany.+ Ary ny hamaroan’ny fahadisoanao sy ny habetsahan’ny fankahalana, no hahalasa adala ny olona nahazo fanambarana avy amin’ny fanahy.”+  Niandany tamin’Andriamanitro ny mpitilin’i+ Efraima.+ Fa ny mpaminany+ kosa mamelatra fandrika toy ny an’ny mpamandri-borona, eny amin’ny lalany rehetra.+ Ary misy fankahalana ao an-tranon’Andriamaniny.  Efa nanao zava-dratsy tafahoatra izy ireo,+ toy ny tamin’ny andro nitrangan’izany tany Gibea.+ Koa hotsarovan’Andriamanitra ny fahadisoany,+ ka hataony ampamoaka izy noho ny fahotany. 10  “Toy ny voaloboka any an-tany efitra ny Israely fony aho nahita azy.+ Ary toy ny aviavy vokatra voalohany, teo amin’ny aviavy sambany vao namoa, ny razanareo fony aho nahita azy.+ Nanaraka an’i Balan’i Peora anefa izy ireo,+ sady nanokan-tena ho an’ilay zava-mahamenatra,+ ka lasa naharikoriko sahala amin’ilay zavatra tiany.+ 11  Koa lasa manidina toy ny vorona ny voninahitr’i Efraima,+ ka tsy hisy vehivavy hiteraka ao, na ho bevohoka na hanana anaka.+ 12  Na mitaiza aza izy ireo, dia hataoko fongana ny zanany ka tsy hisy ho lasa lehilahy lehibe.+ Hahita loza koa izy ireo rehefa ialako!+ 13  Toa an’i Tyro nambolena teo amin’ny kijana+ i Efraima, nefa izao izy tsy maintsy mamoaka ny zanany ho any amin’ny mpamono.”+ 14  Omeo ny sahaza azy izy, Jehovah ô!+ Omeo azy ny kibo tsy mahatana zaza+ sy ny nono ritra. 15  “Tao Gilgala no nanaovany ny zava-dratsy rehetra,+ ka voatery nankahala azy aho+ tao. Noho ny ratsy nataony no handroahako azy hiala ao an-tranoko.+ Ary tsy ho tia azy intsony aho,+ fa mafy loha ny andrianany rehetra.+ 16  Haripaka i Efraima.+ Ho maina ny fakany,+ ka tsy hamoa intsony izy ireo.+ Ary na miteraka aza izy, dia hovonoiko ho faty ny zanaka niriny izay naloaky ny kibony.”+ 17  Holavin’Andriamanitra+ izy ireo satria tsy nihaino azy,+ ka ho lasa mpirenireny any amin’ireo firenena.+

Fanamarihana