Isaia 1:1-31

1  Ny fahitana+ azon’i Isaia+ zanak’i Amoza momba an’i Joda sy Jerosalema, tamin’ny andron’i Ozia,+ Jotama,+ Ahaza,+ ary Hezekia,+ izay samy mpanjakan’ny Joda:+  Aoka ny lanitra hihaino,+ ary aoka ny tany hanongilan-tsofina, fa izao no nolazain’i Jehovah: “Efa nitaiza sy nahalehibe zanaka aho,+ nefa nikomy tamiko izy ireo.+  Ny omby mahalala tsara ny tompony, ary ny ampondra mahalala tsara ny fihinanam-bilona natokan’ny tompony ho azy. Ny Israely kosa anefa tsy mahalala+ ahy, ary ny oloko tsy misaina.”+  Lozan’ilay firenena mpanota,+ ilay vahoaka mavesa-keloka, taranaka mpanao ratsy+ sy zanaka mandoza!+ Efa nahafoy an’i Jehovah izy ireo,+ sady naniratsira an’Ilay Masin’ny Israely,+ ary efa niala taminy.+  Aiza indray no tianareo hamelezana anareo,+ no mbola mikomy ihany ianareo?+ Efa marary ny loha manontolo, ary reraka ny fo manontolo.+  Tsy misy tsy marary koa hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia.+ Tsy nisy nopotserina na nofehezina anefa ny ratra sy ny mangana ary ny fery vao, sady tsy nohosorana menaka.+  Lao ny taninareo,+ kilan’ny afo ny tanànanareo,+ ary lanin’ny hafa firenena+ eo imasonareo ny vokatry ny taninareo.+ Eny, lao ny taninareo, toy ny hoe noravan’ny hafa firenena.+  Ary i Ziona+ zanakavavy dia nilaozana toy ny trano rantsankazo eny an-tanimboaloboka, sy toy ny trano rantsankazo fiambenana eny amin’ny saha fambolena kôkômbra, ary toy ny tanàna atao fahirano.+  Raha tsy i Jehovah Tompon’ny tafika no namela sisa niangana tamintsika,+ dia ho efa tonga tahaka an’i Sodoma sy ho nitovy tamin’i Gomora isika.+ 10  Henoy ny tenin’i Jehovah,+ ry mpitondra jadon’i+ Sodoma!+ Aoka ianareo mponin’i Gomora hanongilan-tsofina amin’ny lalàn’Andriamanitsika. 11  “Hataoko inona koa izay sorona be dia be atolotrareo?”, hoy i Jehovah. “Leon’ny ondrilahy+ atao fanatitra dorana+ sy ny tavin’ny biby nohatavezina+ aho, ary tsy ankasitrahako ny ran’ny+ vantotr’ombilahy sy ny ran’ny ondrilahy kely ary ny ran’ny osilahy.+ 12  Rehefa miseho eo anatrehako+ ianareo, iza no miteny aminareo hoe hitsakitsaho fotsiny ny tokotaniko?+ 13  Aza mitondra fanatitra+ varimbazaha intsony, fa tsy misy dikany ireny. Ary zava-maharikoriko amiko ny emboka manitra.+ Mankalaza tsinam-bolana+ sy mitandrina sabata+ ianareo, ary mandamina fivoriambe.+ Tsy zakako anefa ny ataonareo, satria sady mampiasa herin’ny maizina+ ianareo no manao fivoriambe manetriketrika. 14  Halako ny tsinam-bolanareo sy ny fotoanan’ny fetinareo.+ Lasa enta-mavesatra+ amiko ireny, ka sasatry ny mitondra azy aho.+ 15  Rehefa mamelatra ny tananareo+ ianareo, dia tampenako tsy hijery anareo ny masoko.+ Na manao vavaka maro+ aza ianareo, dia tsy hihaino aho,+ fa feno ran’olona ny tananareo.+ 16  Misasà ianareo,+ ary midiova.+ Esory tsy ho eo imasoko ny zava-dratsy ataonareo,+ ary aza manao ratsy intsony.+ 17  Mianara manao ny tsara,+ katsaho ny rariny,+ anaro ny mpampahory,+ omeo rariny ny kamboty ray,+ ary miadia ho an’ny mpitondratena.”+ 18  “Avia hifandamina isika”, hoy i Jehovah.+ “Fa na mena midorehitra aza ny fahotanareo, dia hatao fotsy mangatsakatsaka,*+ ary na toy ny ravin-damba mena antitra aza, dia ho toy ny volonondry fotsy. 19  Raha manaiky hihaino ianareo, dia hihinana ny vokatra tsara avy amin’ny tany.+ 20  Raha tsy manaiky+ kosa anefa ianareo fa mikomy, dia ho lanin’ny sabatra. Fa ny vavan’i Jehovah no efa niteny.”+ 21  Indrisy fa lasa mpivaro-tena+ ilay tanàna tsy nivadika!+ Ny rariny no nanjaka tao fahiny,+ ary ny fahamarinana no nitoetra tao,+ nefa ankehitriny kosa dia mpamono olona no ao.+ 22  Lasa tain-drendrika+ sisa ny volafotsinao, ary notampohin-drano ny labieranao.+ 23  Mafy loha ny andriananao, sady naman’ny mpangalatra.+ Samy tia mandray kolikoly+ izy ireo, sady te hahazo fanomezana foana.+ Tsy omeny rariny ny kamboty ray, ary tsy raisiny akory ny fitorian’ny mpitondratena.+ 24  Koa izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay tena Tompo, Ilay Maherin’ny Israely:+ “Ampy izay! Hanaisotra ny fahavaloko aho, ka hamaly+ azy araka izay nataony.+ 25  Dia hamely anao ny tanako, ka hesoriko tanteraka* ny tain-drendrika eo aminao, ary hariako ny loto rehetra eo aminao.+ 26  Ary hasiako mpitsara sy mpanolo-tsaina indray ao aminao, toy ny tamin’ny voalohany.+ Dia hantsoina hoe Tanànan’ny Fahamarinana sy Tanàna Tsy Mivadika ianao.+ 27  Ny rariny no hanavotana+ an’i Ziona, ary ny fahamarinana+ no hanavotana ny olony izay miverina. 28  Hiaraka ho montsamontsana ny mpikomy sy ny mpanota,+ ary ho fongotra ireo mahafoy an’i Jehovah.+ 29  Fa ho menatra izy ireo noho ny amin’ny hazo goavana nirinareo,+ ary hangaihay ianareo noho ny amin’ny zaridaina nofidinareo.+ 30  Fa ho toy ny hazobe malazo+ ravina ianareo, ary ho toy ny zaridaina tsy misy rano. 31  Dia ho toy ny kofehy rongony ny lehilahy matanjaka,+ ary ho toy ny pitik’afo ny vokatry ny asany. Hiara-mirehitra ireny, ary tsy hisy hahafaty an’izany afo izany.”+

Fanamarihana

A.b.t.: “fotsy tahaka ny lanezy.”
Na: “hesoriko amin’ny alalan’ny laron-tsavony.”