Isaia 15:1-9

15  Ny fanamelohana an’i Moaba:+ Voaroba nandritra ny alina i Aran’i+ Moaba, ka nangina. Voaroba nandritra ny alina koa i Kiran’i+ Moaba ka nangina.  Niakatra hitomany tany amin’ny tempoly sy tany Dibona+ izy, eny, nankany amin’ny toerana avo. Midradradradra i Moaba noho ny amin’i Nebo+ sy Medeba.+ Nosolaina+ daholo ny lohan’ny olona ao, ary noharatana daholo ny volombava.  Misikina lamba gony+ izy ireo eny an-dalana. Midradradradra sy mitomany eny an-tampon-trano+ sy eny an-tany malalaka ny olona rehetra ao, ary mitomany+ eny am-pidinana izy ireo.  Miantsoantso i Hesbona sy Elale,+ ka re hatrany Jahaza+ ny feony. Noho izany, dia mihiaka mafy foana ireo miaramilan’i Moaba. Tora-kovitra ilay firenena.  Mitaraina ny foko ato anatiko ato noho ny amin’i Moaba.+ Tonga hatrany Zoara+ sy Egleta-selisia+ ny mpandositra avy any Moaba. Samy mitomany izy ireo miakatra ny fiakarana any Lohita,+ ary mitaraindraina noho ny amin’ilay loza izy eny amin’ny lalana mankany Horonaima.+  Ritra tanteraka ny ranon’i Nimrima.+ Maina ny ahi-maitso, maty ny ahitra, ary tsy misy zava-maitso intsony.+  Koa ny zavatra sisa tavela sy ny fananana rehetra notehirizin’izy ireo, dia hoentiny any amin’ny lohasaha falehan-driaka misy hazo aravaha.  Manerana ny faritanin’i Moaba+ ny fitarainana, ary tonga hatrany Eglaima sy Bera-elima ny fidradradradrana,  satria nanjary feno ra ny ranon’i Dimona. Anisan’ny zavatra hafa hapetrako ao Dimona ny liona, izay hanafika ny sisa miangana any Moaba sy ny sisa tavela eo amin’ilay tany.+

Fanamarihana