Isaia 16:1-14

16  Mandefasa ondry avy any Sela hamakivaky ny tany efitra, ho any amin’ny mpifehy ny tany,+ any amin’ny tendrombohitr’i Ziona zanakavavy.+  Toy ny voro-manidina mandositra satria voaroaka ao amin’ny akaniny,+ dia ho toy izany ny zanakavavin’i Moaba eny amin’ny toerana fiampitana an’i Arnona.+  “Manolora hevitra, ary ampiharo ny didim-pitsarana.+ “Ataovy maizina be toy ny alina ny alokao amin’ny mitataovovonana.+ Afeno ny vahoakako miparitaka,+ ary izay mandositra dia aza atoro ny fahavalo.+  Aoka ho mpivahiny eo aminao ny vahoakako miparitaka, ry Moaba.+ Aoka ianao ho toerana hiafenan’izy ireo sao ho azon’ny mpandroba+ izy. Fa nifarana ny fiainan’ny mpampahory, ary nifarana koa ny fandrobana. Naripaka tsy hisy intsony eto an-tany ny mpanosihosy olona.+  “Hatsaram-panahy feno fitiavana no hampitoerana ny seza fiandrianana ho mafy orina.+ Hanaja ny fahamarinana ilay hipetraka eo amin’izy io, ao amin’ny tranolain’i Davida.+ Hitsara izy sady hikatsaka ny rariny, ary ho mailaka hanao zavatra araka ny hitsiny.”+  Efa renay ny fireharehan’i Moaba, fa mirehareha be izy.+ Rediredy tsy ho tanteraka anefa ny fizahozahoany sy ny fireharehany ary ny fisafoahany.+  Koa hidradradradra i Moaba noho ny fahoriany, eny, hidradradradra i Moaba manontolo.+ Higogogogo ireo tena ory, noho ny amin’ny mofo voaloboka mainan’i Kira-haresa,+  satria malazo ny voly eny amin’ny tanimboly mikitohatohatr’i Hesbona.+ Nokapohin’ny tompon’ireo firenena ny voalobok’i Sibma,+ dia ireo sampany feno voaloboka mena midorehitra, izay tonga hatrany Jazera,+ sy nirenireny tany an-tany efitra. Navela hirobona anefa ny tsimok’izy ireo, ka tonga hatrany amin’ny ranomasina.  Koa toy ny hitomaniako an’i Jazera no hitomaniako noho ny voalobok’i Sibma.+ Hataoko kotsan’ny ranomasoko ianareo, ry Hesbona+ sy Elale,+ satria tonga nandritra ny fahavaratra sy ny fotoam-piotazana ny horakoraka.+ 10  Nesorina tsy ho eny amin’ny saham-boankazo ny fifaliana sy ny firavoravoana. Tsy misy mihoby sy mihorakoraka intsony eny an-tanimboaloboka.+ Ary tsy misy voaloboka hohitsakitsahina intsony ao amin’ny lavaka famiazam-boaloboka.+ Natsahatro tanteraka ny horakoraka.+ 11  Koa mipararetra toy ny tadin’ny harpa ny ao anatiko noho ny amin’i Moaba,+ ary toy izany koa ny tsinaiko noho ny amin’i Kira-haresa.+ 12  Hita fa reraka teny amin’ny toerana avo i Moaba.+ Tonga hivavaka teny amin’ny toerany masina izy,+ saingy tsy nahavita na inona na inona.+ 13  Izany no efa nolazain’i Jehovah momba an’i Moaba. 14  Izao kosa no lazain’i Jehovah ankehitriny: “Ao anatin’ny telo taona, araka ny taona iasan’ny mpikarama,+ dia ho afa-boninahitra+ i Moaba sady hisy sahotaka isan-karazany ao aminy, ary olona vitsy dia vitsy tsy matanjaka no sisa hiangana.”+

Fanamarihana