Isaia 17:1-14

17  Ny fanamelohana an’i Damaskosy:+ “Nanjary tsy tanàna intsony i Damaskosy, fa korontam-bato sisa, eny, antontan-javatra rava.+  Nilaozana ireo tanànan’i Aroera+ ka lasa toerana andrian’ny andiam-biby, ary tsy hisy hampangovitra an’ireny any.+  Tsy misy tanàna voaro mafy intsony any Efraima,+ ary tsy misy fanjakana intsony ao Damaskosy.+ Toy izay nanjo ny voninahitry ny taranak’Israely no hanjo ny voninahitr’ireo sisa miangana amin’i Syria”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.+  “Amin’izany andro izany, dia hietry ny voninahitr’i Jakoba,+ ary hatao lasa mahia izy.+  Rehefa manangona ny vokatra eny an-tsaha ny mpijinja ary mijinja an’ireo salohim-bary ny sandriny,+ dia ho toy ny olona mitsimpona salohim-bary sisa tavela eny amin’ny lemaka ivan’ny Refaima+ izy.  Kely sisa no azo otazana eo aminy, toy ny rehefa manintsana voan’oliva, ka voan’oliva masaka roa na telo no eny an-tendron’ny rantsany, ary efatra na dimy no eny amin’ireo sampany mamoa”, hoy i Jehovah Andriamanitry ny Israely.+  Amin’izany andro izany, dia hiandrandra an’ilay Mpanao azy ny olombelona, ary hibanjina an’Ilay Masin’ny Israely ny masony.+  Tsy hitodika any amin’ireo alitara+ nataon’ny tanany+ izy. Ary tsy hobanjininy izay nataon’ny rantsantanany, na ny tsato-kazo masina izany na ny fandoroana emboka manitra.+  Amin’izany andro izany, dia ho toy ny toerana nilaozana any an’ala ireo tanànany voaro mafy, eny, ho toy ny sampana nilaozana tanteraka noho ny amin’ny zanak’Israely, ka ho lao+ tokoa. 10  Fa efa nanadino+ an’ilay Andriamanitry ny famonjena+ anao ianao, sady tsy nahatsiaro an’ilay Vatolampy+ fiarovana mafy ho anao. Izany no antony nambolenao voly mahafinaritra, ary nisy tsimoka avy amin’ny vahiny koa nambolenao niaraka taminy. 11  Azonao fefena tsara ny volinao mandritra ny andro, ary amin’ny maraina dia azonao atao izay hampitsimoka ny voa afafinao, kanefa tsy hisy ny vokatra amin’ny andro hahatongavan’ny aretina sy ny fanaintainana tsy misy fanafany.+ 12  Andray, izato fisahotaky ny vahoaka maro, izay mitabataba toy ny ranomasina misamboaravoara! Andray, izato kotaban’ireo firenena, izay mitabataba toy ny rano+ mahery fiavy! 13  Hitabataba toy ny rano be misasasasa ireo firenena.+ Ary hiteny mafy azy ireo Izy.+ Dia handositra lavitra ireo ka horoahina toy ny akofa paohin’ny rivotra eny an-tendrombohitra, sy toy ny tsilo atambolimbolin’ny tafio-drivotra.+ 14  Misy horohoro tampoka amin’ny takariva, ary raha mbola tsy maraina ny andro, dia tsy ho eo intsony ireo firenena ireo.+ Izany no anjaran’ireo mamabo antsika sy hanjo an’ireo mandroba antsika.+

Fanamarihana