Isaia 18:1-7

18  Lozan’ilay tany feno bibikely manana elatra izay mifanaretsaka, dia ilay any amin’ny faritry ny reniranon’i Etiopia!+  Io tany io no mandefa iraka+ izay handeha eny ambony ranomasina sy handeha lakan-jozoro eny ambony rano, ka manao hoe: “Ry iraka haingam-pandeha! Mandehana any amin’ny firenena lava ranjanana sy malama hoditra, dia vahoaka mampahatahotra ny olona hatraiza hatraiza, sady firenena mafy toto sy mpanitsakitsaka. Ary efa nofaohin’ny renirano koa ny taniny.”+  Ry mponina rehetra eny amin’ny tany lonaka,+ sy ianareo monina eto an-tany! Hahita zavatra ianareo, toy izay hita rehefa misy tsato-kazo famantarana atsangana eny an-tendrombohitra.+ Ary handre feo ianareo, toy izay re rehefa tsofina ny anjombona.+  Fa izao no nolazain’i Jehovah tamiko: “Ho tony aho, sady hijery eo amin’ny toerana onenako.+ Ho toy ny hafanana mahajambena miaraka amin’ny hazavana+ ny fanaovako an’izany, ary ho toy ny ando be dia be ao anatin’ny hafanana amin’ny fotoam-piotazana.+  Fa alohan’ny fijinjana, rehefa mivelatra tanteraka ny felam-boaloboka ka lasa voaloboka masaka ny voniny, dia hotapahina amin’ny antsy fandrantsanam-boaloboka ny laingony, ary hesorina ny sakelika. Eny, hokapaina ireny.+  Ary havela ho an’ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra, sy ho an’ny bibidia etỳ an-tany izy rehetra.+ Mandritra ny fahavaratra dia ho eny amin’ireny ny vorona mpihaza, ary mandritra ny fotoam-piotazana dia ho eny koa ny bibidia etỳ an-tany.+  “Amin’izay fotoana izay no hanaterana fanomezana ho an’i Jehovah Tompon’ny tafika,+ avy amin’ny vahoaka lava ranjanana sy malama hoditra,+ dia vahoaka mampahatahotra ny olona hatraiza hatraiza, sady firenena mafy toto sy mpanitsakitsaka. Ary efa nofaohin’ny renirano koa ny taniny. Haterina any amin’ny toerana misy ny anaran’i Jehovah Tompon’ny tafika izany, dia any amin’ny Tendrombohitra Ziona.”+

Fanamarihana