Isaia 19:1-25

19  Ny fanamelohana an’i Ejipta:+ Mitaingina rahona haingam-pandeha i Jehovah+ ka tonga any Ejipta. Koa ho tora-kovitra noho ny aminy ireo andriamanitra tsy misy dikany ivavahan’i Ejipta,+ ary hihorohoro ny fon’ny olona any.+  “Hampirisihiko hifamely ny Ejipsianina, ary samy hiady amin’ny rahalahiny avy sy amin’ny namany avy izy ireo, ka ny tanàna hiady amin’ny tanàna, ary ny fanjakana hiady amin’ny fanjakana.+  Dia ho very hevitra+ i Ejipta, ary horavako ny fikasany.+ Koa hitady fanampiana any amin’ny andriamanitra tsy misy dikany+ izy ireo, ary koa any amin’ny mpilalao ody sy ny mpamoha angatra ary ny mpilaza ny hoavy.+  Ary hatolotro eo an-tanan’ny mpitondra masiaka i Ejipta, ka mpanjaka mahery no hifehy azy”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay tena Tompo.  Ho ritra ny ranon’ny ranomasina, ary ho tankina sy ho maina koa ny renirano.+  Ho maimbo ireo renirano, hihena ka ho ritra ireo lakandranon’i Neily any Ejipta,+ ary ho simba ny bararata+ sy ny harefo.  Ho maina ny tany misy ahitra eny amoron’ny Reniranon’i Neily eo amin’ny vinaniny, sy ny taniny rehetra namafazam-boa.+ Hopaohin’ny rivotra izany ka tsy hisy intsony.  Dia hitomany ny mpanjono, halahelo ny mpamintana rehetra eo amin’ny Reniranon’i Neily, ary ho reraka ny mpanarato.+  Ho menatra ny mpiasa mikarakara rongony+ efa voakira, sy ny mpanenona lamba fotsy. 10  Ho torotoro ny mpanenona lamba misoratsoratra,+ ary halahelo ny mpikarama rehetra. 11  Tena adala ny andrianan’i Zoana.+ Hadalana ny torohevitra omen’ny olon-kendry+ mpanolo-tsain’i Farao. Koa ahoana no hilazanareo amin’i Farao hoe: “Zanaky ny olon-kendry aho sady taranaky ny mpanjaka fahiny”? 12  Aiza àry ireny olon-kendrinao+ ireny, mba hilaza sy hamantatra ny fanapahan-kevitr’i Jehovah Tompon’ny tafika ny amin’i Ejipta?+ 13  Hadalana+ no nataon’ny andrianan’i Zoana, voafitaka ny andrianan’i Nofa,+ ary nampirenireny an’i Ejipta ny lehibem-pokony.+ 14  Nataon’i Jehovah sahiran-kevitra+ i Ejipta, ary ny mpitarika azy dia nampirenireny azy tamin’ny asany rehetra, ka toy ny olona mamo mibolisatra eo amin’izay naloany+ izy. 15  Ary tsy hisy any Ejipta ny asa mety ho vitan’ny loha na ny rambo na ny tsimoka na ny harefo.+ 16  Amin’izany andro izany, dia ho toy ny vehivavy i Ejipta ka ho tora-kovitra+ sy hatahotra, satria hanambana azy amin’ny tanany i Jehovah Tompon’ny tafika.+ 17  Ary hihorohoro i Ejipta noho ny amin’ny tanin’i Joda.+ Matahotra koa izay olona ilazana momba azy io, noho ny amin’ny fanapahan-kevitr’i Jehovah Tompon’ny tafika hamely an’i Ejipta.+ 18  Amin’izany andro izany, dia hisy tanàna dimy any Ejipta+ hiteny ny fitenin’i Kanana+ sady hianiana+ amin’i Jehovah Tompon’ny tafika. Ary hantsoina hoe Tanànan’ny Faharavana ny tanàna iray. 19  Amin’izany andro izany, dia hisy alitara ho an’i Jehovah eo afovoan’i Ejipta,+ ary hisy tsangambato ho an’i Jehovah eo akaikin’ny sisin-taniny. 20  Ho famantarana sy vavolombelona ho an’i Jehovah Tompon’ny tafika izany, any Ejipta.+ Fa hitaraina amin’i Jehovah izy ireo noho ny amin’ny mpampahory,+ ka handefasany mpamonjy lehibe hamonjy azy.+ 21  Ary i Jehovah ho fantatry ny Ejipsianina,+ eny, hahafantatra an’i Jehovah ny Ejipsianina, amin’izany andro izany. Koa hanolotra sorona sy fanomezana+ izy ireo, ary hivoady amin’i Jehovah ka hanefa izany.+ 22  Ary hamely an’i Ejipta i Jehovah,+ eny, hamely nefa koa hanasitrana.+ Dia hiverina amin’i Jehovah izy ireo.+ Koa hihaino ny fitalahoany Izy ary hanasitrana azy.+ 23  Amin’izany andro izany, dia hisy lalambe+ avy any Ejipta mankany Asyria, ka ho tonga any Ejipta i Asyria, ary ho tonga any Asyria i Ejipta. Dia samy hanao fanompoana masina i Ejipta sy Asyria. 24  Amin’izany andro izany, dia ho fahatelo i Israely miaraka amin’i Ejipta sy Asyria,+ ka ho fitahiana eo amin’ilay tany,+ 25  satria hitso-drano azy i Jehovah Tompon’ny tafika hoe: “Hotahina+ anie i Ejipta oloko, sy Asyria+ asan’ny tanako, ary Israely lovako!”+

Fanamarihana