Isaia 2:1-22

2  Ny fahitana azon’i Isaia zanak’i Amoza momba an’i Joda sy Jerosalema:+  Izao no tsy maintsy hitranga any am-parany:+ Ny tendrombohitra misy ny tranon’i+ Jehovah dia ho mafy orina sady ho avo noho ny tampon’ireo tendrombohitra,+ ka hasandratra ho avo noho ireo havoana.+ Ary hitanjozotra ho any ny firenena rehetra.+  Maro ny olona ho any, ka hanao hoe: “Avia!+ Andao isika hiakatra ho any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba. Hampianatra antsika ny lalany izy, ary handeha amin’ny atorony isika.”+ Fa avy ao Ziona no hivoahan’ny lalàna, ary avy ao Jerosalema ny tenin’i Jehovah.+  Ary hamoaka didim-pitsarana eo amin’ireo firenena izy,+ ka hanitsy+ izay tsy mety eo amin’ireo vahoaka.+ Dia hanefy ny sabany ho angadinomby izy ireo, ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka.+ Tsy hanainga sabatra hifamely ny firenena, ary tsy hianatra ady intsony.+  Ry taranak’i Jakoba ô, andao isika handeha amin’ny fahazavan’i Jehovah.+  Nafoinao ny olonao, dia ny taranak’i Jakoba.+ Fa lasa feno fanao avy any Atsinanana+ ny taniny, ary mampiasa herin’ny maizina+ izy ireo toy ny ataon’ny Filistinina, sady feno zanaky ny hafa firenena eo aminy.+  Feno volafotsy sy volamena ny taniny, ary tsy hita lany ny harenany.+ Feno soavaly koa ny taniny, ary tsy tambo isaina ny kalesiny.+  Ary feno andriamanitra tsy misy dikany ny taniny.+ Ny zavatra nataon’ny tanan’olona, eny, izay nataon’ny rantsantanana ihany, no iankohofany.+  Koa ho lasa ambany ny olona, eny, hietry izy, ary tsy ho afaka hamela ny helony ianao.+ 10  Midira ao anaty vatolampy ary miafena ao amin’ny vovoka, noho ny fahatahorana an’i Jehovah sy noho ny voninahitry ny fahalehibeazany.+ 11  Haetry ny fiandranandran’ny mason’ny olona, ary ho lasa ambany ny olona ambony.+ Fa i Jehovah irery ihany no hasandratra amin’izany andro izany.+ 12  Fa andron’i Jehovah Tompon’ny tafika+ izany, ka tonga amin’izay manandra-tena sy miandranandrana, sy amin’ny olona ambony sy ny olona ambany,+ 13  sy amin’ny sedera avo be mijoalajoala rehetra any Libanona,+ sy amin’ny hazo goavam-be rehetra any Basana,+ 14  sy amin’ny tendrombohitra manerinerina rehetra sy ny havoana avo rehetra,+ 15  sy amin’ny tilikambo avo rehetra sy ny manda voaro mafy rehetra,+ 16  ary amin’ny sambo rehetran’i Tarsisy+ sy ny sambo tsara rehetra. 17  Koa haetry ny olona mirehareha, ary ho lasa ambany ny olona ambony.+ Fa i Jehovah irery ihany no hasandratra amin’izany andro izany.+ 18  Ary hanjavona tanteraka ireo andriamanitra tsy misy dikany.+ 19  Dia hiditra any amin’ny lava-bato sy ny lavaka ao anaty tany ny olona, noho ny fahatahorana an’i Jehovah sy noho ny voninahitry ny fahalehibeazany,+ rehefa hitsangana Izy ka hahatonga ny tany hihozongozona.+ 20  Amin’izany andro izany, dia harian’ny olona any amin’ny voalavo tsokotsoko vava sy ny ramanavy ny andriamaniny volafotsy tsy misy fotony, sy ny andriamaniny volamena tsy misy dikany izay nataony hiankohofana,+ 21  mba hidirany any amin’ny lava-bato sy any an-tsefatsefaky ny harambato, noho ny fahatahorana an’i Jehovah sy noho ny voninahitry ny fahalehibeazany,+ rehefa hitsangana Izy ka hahatonga ny tany hihozongozona. 22  Koa mitandrema amin’ny olombelona, raha tsy te hahita loza ianareo. Fa fofonaina ihany no eo am-bavorony,+ ka misy dikany inona moa izy?+

Fanamarihana