Isaia 22:1-25

22  Ny fanambarana momba ny lohasahan’ny fahitana:+ Fa inona àry no manjo anao, no miakatra eny an-tampon-trano daholo ny olonao?+  Ry tanàna be tabataba! Ry vohitra mifaly!+ Feno sahotaka ao aminao. Tsy matin-tsabatra na maty an’ady ireo olona maty ao aminao.+  Niara-nandositra daholo ny mpitondra jadona+ teo aminao.+ Voasambotra izy ireo ka nogadraina, nefa tsy nampiasana tsipìka akory. Ny olona rehetra tao aminao izay nandositra lavitra ka tratra, dia niara-nentina hogadraina avokoa.+  Izany no antony ilazako hoe: “Aza mibanjina ahy intsony. Hitomany aho fa malahelo mafy.+ Ary aza mikiry hampionona ahy amin’izao fandrobana ny oloko zanakavavy izao.+  Fa hampiharina amin’ilay lohasahan’ny fahitana ny andron’ny fisahotahana+ sy ny fanitsakitsahana+ ary ny fahaverezan-kevitra.+ I Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony, no hampihatra izany. Hisy koa ny mpandrava manda+ sy ny antsoantso mankany an-tendrombohitra.+  Efa noraisin’i Elama+ ny tranon-jana-tsipìka tao anatin’ny kalesin’ady mitondra olona sady tarihin-tsoavaly. Efa nesorin’i Kira+ koa ny saron’ny ampinga.  Dia ho feno kalesin’ady eny amin’ny lemaka iva tsara indrindra eo aminao, ary tsy maintsy haka toerana eny am-bavahady ny soavaly fitondra miady.  Hisy hanala koa ny zavatra miaro an’i Joda. Amin’izany andro izany, dia hojerenao ny fitehirizam-piadiana+ ao amin’ny Trano Alan’i Libanona.+  Ary ho hitanareo ny gorobaka eny amin’ny mandan’ny Tanànan’i Davida, satria ho maro izany.+ Dia hanangona rano ao amin’ny dobo+ ambany ianareo. 10  Hisainareo koa ny trano ao Jerosalema ka harodanareo, mba hanaovana ny manda+ ho sarotra iakarana. 11  Hisy koveta be fanangonan-drano hapetrakareo eo anelanelan’ny manda roa, mba hasiana ny rano avy ao amin’ny dobo tranainy.+ Ary ianareo tsy mba hitodika any amin’Ilay Be Voninahitra Mpanao izany, sady tsy mba hijery an’ilay namorona izany hatry ny ela. 12  “Amin’izany andro izany i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony,+ dia handidy anareo hitomany+ sy hisaona sy hanasola loha ary hisikina lamba gony.+ 13  Kanjo fifaliana sy firavoravoana no hita, ary koa famonoana omby aman’ondry, sy fihinanan-kena, ary fisotroan-divay.+ ‘Andao hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.’”+ 14  Koa nanambara tamiko i Jehovah Tompon’ny tafika,+ hoe: “‘Tsy hisy fandrakofam-pahotana+ ho anareo noho izany fahadisoana izany, mandra-pahafatinareo’,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony.” 15  Ary hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony: “Mankanesa ao amin’io Sebna+ mpiandraikitra ny trano+ io, ka ilazao izy hoe: 16  ‘Inona no anao eto, ary iza no anao eto, no mandavaka fasana ho anao eto ianao?’+ Mandavaka ny fasany eny amin’ny toerana ambony mantsy izy, ary mandavaka fonenana ho azy eny amin’ny harambato. 17  ‘Hatsipin’i Jehovah mafy anefa ianao, ry lehilahy tomady. Hohazoniny mafy ianao. 18  Tsy maintsy hahorongorony mafy ianao, ka hataony toy ny baolina hatsipy eny an-tany malalaka. Koa any ianao no ho faty, ary any ny kalesim-boninahitrao no ho fahafaham-baraka ho an’ny ankohonan’ny tomponao. 19  Ary horoahiko hiala amin’ny toeranao ianao, ka haongana hiala amin’ny andraiki-panjakana tananao.+ 20  “‘Amin’izany andro izany, dia hantsoiko i Eliakima+ mpanompoko,+ zanak’i Hilkia.+ 21  Koa hampanaoviko azy ny akanjom-boninahitrao, hafatotro tsara aminy ny fehikibo lamba nanaovanao,+ ary hatolotro eo an-tanany ny fahefanao. Ary izy ho rain’ny mponin’i Jerosalema sy ny taranak’i Joda.+ 22  Dia hataoko eo an-tsorony ny lakilen’ny+ ankohonan’i Davida. Koa hanokatra izy ka tsy hisy hanidy izany, ary hanidy izy ka tsy hisy hanokatra izany.+ 23  Hataoko ho toy ny fantsika fanantonana+ milentika eo amin’ny toerana mafy tsara izy, ary ho toy ny seza fiandrianana be voninahitra ho an’ny ankohonan-drainy.+ 24  Dia hahantona eo aminy daholo ny voninahitry ny ankohonan-drainy: Ny taranaka sy ny solofo, ny fitaovana madinika rehetra, ny vilia baolina, ary ny siny lehibe rehetra. 25  “‘Amin’izany andro izany’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ‘dia hesorina ny fantsika fanantonana+ izay efa nalentika teo amin’ny toerana mafy tsara.+ Hokapaina izy ka hianjera, ary hianjera avokoa ny entana mihantona eo aminy, fa i Jehovah no efa niteny.’”+

Fanamarihana