Isaia 23:1-18

23  Ny fanambarana momba an’i Tyro:+ Midradradradrà, ry sambon’i Tarsisy!+ Fa voaroba ilay seranana ka tsy misy intsony, sady tsy azo idirana intsony.+ Efa tany Kitima+ izy ireo no nilazana izany.  Mangìna, ry mponina amoron-tsiraka! Ny mpivarotra avy any Sidona+ izay miampita ranomasina no nahatonga anao hanan-karem-be.  Ary nentina teny ambonin’ny rano ny vokatr’i Sihora,+ dia ny vokatr’i Neily, izay fidiram-bolan’i Tyro. Lasa tombony ho an’ireo firenena izany.+  Aoka ho menatra ianao, ry Sidona.+ Izao mantsy no nolazain’ny ranomasina, ry tanàna voaro mafy eny amoron-dranomasina: “Tsy nihetsi-jaza aho, na niteraka na nitaiza zazalahy na nanabe virjiny.”+  Hanaintaina mafy ny olona rehefa mandre izay manjo an’i Tyro,+ toy ny rehefa nandre izay nanjo an’i Ejipta.+  Miampità ho any Tarsisy! Midradradradrà, ry mponina amoron-tsiraka.  Io ve ilay tanànanareo izay nifaly hatramin’ny taloha ela be sady nentin’ny tongony nivahiny lavitra?  Iza no nandray izany fanapahan-kevitra izany,+ mba hamelezana an’i Tyro izay mpanome satroboninahitra? Ny mpivarotra tao aminy dia andriana, ary ny mpivaro-mandeha dia olo-nanan-kaja teto an-tany.+  I Jehovah Tompon’ny tafika no nandray izany fanapahan-kevitra izany,+ mba hanazimbazimbana ny fireharehana noho ny hatsaran-tarehy rehetra,+ sy mba hanaovana tsinontsinona ny olo-manan-kaja rehetra eto an-tany.+ 10  Ry zanakavavin’i Tarsisy,+ aoka ianao hanenika ny taninao, toy ny ataon’ny Reniranon’i Neily. Tsy misy toerana fanamboaran-tsambo intsony.+ 11  Maninjitra ny tanany ambonin’ny ranomasina i Jehovah, sady mampitebiteby an’ireo fanjakana.+ Mandidy ny hamelezana an’i Fenisia izy, dia ny handravana ny toerana voaro mafy any.+ 12  Hoy koa izy: “Aza mifaly intsony,+ ry virjiny zanakavavin’i Sidona+ izay ampahorina, fa mandehana miampita ho any Kitima.+ Na any aza anefa ianao dia tsy handry feizay.” 13  Jereo ny tanin’ny Kaldeanina!+ Io firenena io, fa tsy i Asyria,+ no nanao an’i Tyro ho toerana ho an’ny biby mpirenireny any an-tany efitra.+ Nanangana tilikambo fanaovana fahirano+ izy ireo, ka nandrava tanteraka an’ireo tilikambo fonenana.+ Dia noravana ilay tanàna ka lasa korontam-bato sisa.+ 14  Midradradradrà, ry sambon’i Tarsisy, fa voaroba ny toerana voaro mafy any amin’ny taninareo.+ 15  Amin’izany andro izany, dia hohadinoina mandritra ny fitopolo taona i Tyro,+ izany hoe mandritra ny fotoana itondran’ny mpanjaka iray. Rehefa tapitra ny fitopolo taona, dia ho toy ilay mpivaro-tena voalazan’izao hira izao i Tyro: 16  “Makà harpa, mandehana manodidina ny tanàna, ry mpivaro-tena+ efa hadino. Tendreo araka izay fara fahaizanao ny zavamaneno. Manaova hira be dia be, mba hahatsiarovana anao indray.” 17  Rehefa afaka fitopolo taona, dia handinika an’i Tyro i Jehovah. Koa hikarama+ indray i Tyro, ka hivaro-tena amin’ny fanjakana rehetra eto ambonin’ny tany.+ 18  Hanjary ho zava-masina eo anatrehan’i Jehovah anefa ny tombony azony sy ny karamany.+ Tsy hotehirizina na hangonina izany. Homena an’izay mitoetra eo anatrehan’i Jehovah mantsy ny karamany,+ mba hahazoana sakafo mahavoky sy fitafiana mihaja.+

Fanamarihana