Isaia 25:1-12

25  Ianao no Andriamanitro, Jehovah ô!+ Mankalaza anao aho+ ary midera ny anaranao,+ fa nanao zava-mahagaga+ sy nanatanteraka izay nokasainao+ hatry ny ela ianao, satria tsy mivadika+ sy mendri-pitokisana+ foana.  Fa nataonao lasa korontam-bato ny tanàna, lasa antontan-javatra rava ny tanàna voaro mafy, ary nofoananao ny tilikambo fonenan’ny vahiny. Dia tsy haorina intsony ilay tanàna, hatramin’ny fotoana tsy voafetra.+  Koa hanome voninahitra anao ny vahoaka matanjaka, ary hatahotra anao ny tanànan’ireo firenena lozabe.+  Fa nanjary fiarovana mafy ho an’ny olona ambany ianao, fiarovana mafy ho an’ny mahantra ao anatin’ny fahoriany,+ fialofana amin’ny oram-baratra, ary fialokalofana+ amin’ny hafanana. Eny, fiarovana toy izany ianao rehefa misy olon-dozabe mamely mafy toy ny oram-baratra mifafy amin’ny manda.  Ampangininao ny tabataban’ny vahiny, toy ny analefahanao ny hafanana rehefa rakofanao aloky ny rahona+ ny tany karakaina. Dia tsy hisy intsony ny hiran’ny olon-dozabe.+  Ary hanao fanasambe ho an’ny firenena rehetra i Jehovah+ Tompon’ny tafika eto amin’ity tendrombohitra+ ity, dia fanasambe misy hanim-pito loha,+ fanasambe misy divay efa naotrika ela,* eny, fanasambe misy hanim-pito loha sady feno tsoka,+ sy divay+ efa naotrika ela ka notantavanina.+  Hofoanany eto amin’ity tendrombohitra ity ny rakotra izay mandrakotra ny vahoaka rehetra,+ sy ny lamba voatenona manarona ny firenena rehetra.  Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana.+ Hofafan’i Jehovah Tompo Fara Tampony koa ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra,+ ary hesoriny ny fahafaham-barakan’ny olony any amin’ny tany rehetra,+ fa i Jehovah no efa niteny.  Amin’izany andro izany, dia hisy hilaza hoe: “Izy no Andriamanitsika,+ ary manantena azy+ isika, ka hamonjy antsika izy.+ Izy no Jehovah,+ ary manantena azy isika. Koa aoka isika hifaly sy hiravoravo noho ny famonjeny.”+ 10  Fa hitoetra eto amin’ity tendrombohitra ity ny tanan’i Jehovah.+ Dia hohitsakitsahina eo amin’ny toerany i Moaba,+ toy ny fanitsakitsaka antonta-mololo eo amin’ny toeran-jezika.+ 11  Ary hikapoka azy ny tanany, toy ny ataon’ny mpilomano mikapoka ny rano amin’ny tanany rehefa milomano. Ny tanany mailamailaka no hampietreny ny fireharehan’i+ Moaba. 12  Dia harodany ilay tanàna voaro mafy sy ny manda fiarovany avo be. Haetriny izany ka hazerany amin’ny tany, dia amin’ny vovoka.+

Fanamarihana

Na: “divay naotrika niaraka tamin’ny faikany.”