Isaia 28:1-29

28  Hahita loza ilay satroboninahitra miavaka anaovan’ny mpimamon’i Efraima!+ Ary ilay fehiloha tsara tarehy dia tsy inona fa voninkazo mihamalazo anaovan’ilay lohasaha lonaka, izay onenan’ireo mamon-divay ireo!  Manana olona matanjaka sy mahery+ i Jehovah. Toy ny oram-baratra arahina havandra+ izy io, ary toy ny tafiotra mandrava, sy toy ny oram-be mahatonga tondra-drano,+ ka hampianjera mafy amin’ny tany.  Hohitsakitsahina+ ireo satroboninahitra miavaka anaovan’ny mpimamon’i Efraima.  Ary ilay fehiloha tsara tarehy izay tsy inona fa voninkazo mihamalazo+ anaovan’ilay lohasaha lonaka, dia ho toy ny aviavy+ vokatra voalohany izay masaka alohan’ny fahavaratra. Izay mahita azy ka mihazona azy eny an-tanana, dia handrapaka azy avy hatrany.  Amin’izany andro izany, i Jehovah Tompon’ny tafika dia ho toy ny satroboninahitra mandravaka+ sy fehiloha tsara tarehy+ ho an’ireo sisa miangana+ amin’ny olony,  ary izy no ho mpampirisika* an’ilay mipetraka hitsara,+ mba hampihatra ny rariny. Izy koa no ho tanjak’ireo manosika ny fahavalo avy eo am-bavahady.+  Ireny koa dia diso lalana noho ny divay, ary mirenireny noho ny toaka. Diso lalana ny mpisorona sy ny mpaminany+ noho ny toaka, very hevitra izy ireo vokatry ny divay, ary mirenireny+ vokatry ny toaka. Diso lalana koa izy ireo ao amin’ny fahitana hitany, ary mivembena amin’ny fanapahan-keviny.  Fa feno loa+ maharikoriko ny latabatra rehetra, ka tsy misy faritra madio intsony.  Fa iza no tadiaviny hampianarina fahalalana?+ Iza no hanazavany ny zavatra efa re?+ Zaza vao nosarahi-nono ve? Zaza nesorina teny amin’ny nonon-dreniny ve?+ 10  Fa izany dia “didy miampy didy, didy miampy didy, fitsipika* miampy fitsipika, fitsipika miampy fitsipika. Ity misy zavatra kely, iny misy zavatra kely.”+ 11  Koa amin’ny alalan’ireo miakanakam-piteny+ sy amin’ny fiteny hafa+ no hitenenany amin’ity vahoaka ity,+ 12  izay efa nilazany toy izao nefa tsy nety nihaino:+ “Ity no toeram-pitsaharana. Avelao hiala sasatra ny reraka. Ity no toerana fakana aina.” 13  Toy izao no hiheveran’izy ireo ny tenin’i Jehovah: “Didy miampy didy, didy miampy didy, fitsipika miampy fitsipika, fitsipika miampy fitsipika.+ Ity misy zavatra kely, iny misy zavatra kely.” Koa handeha izy ireo dia ho tafintohina ka hidaboka any aoriana, ary ho tapatapaka sy ho voafandrika ary ho voasambotra.+ 14  Henoy àry ny tenin’i Jehovah, ry mpirehareha sy mpifehy+ an’ity vahoaka ity izay eto Jerosalema: 15  Nilaza ianareo hoe: “Efa nanao fifanekena tamin-dRafahafatesana+ izahay, ary efa nahita fahitana+ niaraka tamin’ny Fasana.* Tsy hahatratra anay ny ranotrambo mitosaka be rehefa mandalo, satria ny lainga no ataonay fialofana,+ ary miafina ao amin’ny fitaka izahay.”+ 16  Koa izao no lazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Mametraka vato fototra ao Ziona+ aho, dia vato+ voasedra,+ eny, ilay vato fehizoro+ sarobidy izay fototra+ azo antoka. Tsy ho raiki-tahotra izay mino azy.+ 17  Ny rariny no hataoko ho tady fandrefesana,+ ary ny fahamarinana+ ho filamatra.* Koa hopaohin’ny havandra+ ny lainga fialofana,+ ary ho safotry ny rano ny toeram-piafenana.+ 18  Dia ho foana ny fifanekena nifanaovanareo tamin-dRafahafatesana,+ ary tsy haharitra ilay fahitana hitanareo niaraka tamin’ny Fasana.*+ Ianareo koa dia hanjary ho toerana hohitsakitsahin’ny+ ranotrambo mitosaka be rehefa mandalo+ izany. 19  Hifaoka anareo izy+ isaky ny mandalo, satria handalo izy isa-maraina sy mandritra ny andro ary mandritra ny alina. Ary ho antony mampangovitra+ izany, mba hahatonga ny olona hahazo ny hevitr’izay reny.” 20  Fa fohy loatra ny fandriana ka tsy ampy hitsorana, ary kely loatra ny lamba notenomina ka tsy ampy hirakofana. 21  Fa hitsangana toy ny teo amin’ny Tendrombohitra Perazima+ i Jehovah, ary ho tezitra toy ny teo amin’ny lemaka iva akaikin’i Gibeona+ izy, ka hanao zavatra sy hanao ny asany, nefa hafahafa ny zavatra ataony ary tsy mahazatra+ ny asany. 22  Ary aza manaraby+ sao hogejaina mafy kokoa ny tady mamatotra anareo. Reko mantsy fa efa nanapa-kevitra handripaka ny tany manontolo+ i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony.+ 23  Aoka ianareo hanongilan-tsofina, ka hihaino ahy. Mihainoa tsara, ary henoy ny teniko. 24  Miasa tany ka mamaky sy manapotika bainga tontolon’ny andro+ ve ny mpiasa tany mba hamafazam-boa?+ 25  Moa ve izy tsy mandravona ny tany aloha, ary avy eo dia manaparitaka ny komina mainty, sy mamafy ny komina?+ Tsy samy amboleny eny amin’ny toerana voatokana ho azy+ ve ny varimbazaha sy ny ampemby+ ary ny vary orza, fa ny vary spelta+ kosa ataony sisim-boly?+ 26  Manitsy+ ny olona araka ny marina Izy. Mampianatra azy ny Andriamaniny.+ 27  Fa tsy fitaovana fanosihosena+ varimbazaha no anosihosena ny komina mainty, ary tsy ampandehanina eo ambonin’ny komina ny kodiaran-tsarety. Fa tsorakazo+ no fivelezana ny komina mainty, ary tehina no fivelezana ny komina. 28  Angaha moa atao torotoro ny voa raha eny am-pamoloana? Tsy mba itsakitsahina+ tsy an-kijanona ireny.+ Tsy manorotoro an’ireny+ ny kodiaran-tsaretiny sy ny soavaliny, na dia ampandehaniny eny amboniny aza. 29  Izany koa dia avy amin’i Jehovah Tompon’ny tafika,+ izay manana fikasana mahagaga, sady mahatontosa soa aman-tsara an’izay ataony.+

Fanamarihana

Na: “fanahy mampirisika.”
A.b.t.: “tady fandrefesana.”
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
Fitaovana itsapana ny fitovian-tantana.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.