Isaia 29:1-24

29  “Lozan’i Ariela!+ Lozan’i Ariela, ilay tanàna nitobian’i Davida!+ Ampio taona ny taona, ary aoka hitsingerina ireo andro fety.+  Dia hampahoriko+ i Ariela ka hisy fisaonana sy fitomaniana.+ Ary amiko dia hanjary ho toy ny fitoeran’afo eo amin’ny alitaran’Andriamanitra izy.+  Koa hitoby manodidina anao aho mba hamely anao. Dia hataoko fahirano ianao ka hasiako fefy hazo. Ary hanangana tovon-tany hamelezana anao aho.+  Dia hietry ianao ka hiteny avy ao amin’ny tany, ary ho iva kely ny feonao, toy ny hoe avy ao amin’ny vovoka.+ Ho toy ny an’ny mpamoha angatra ny feonao avy ao amin’ny tany, ary ho toy ny feom-boronkely+ no fandrenesana ny teninao avy ao amin’ny vovoka.  Hanjary ho toy ny vovoka madinika ilay vahoaka tsy fantatrao,+ ary ho toy ny akofa manidina+ ny mpitondra jadona+ maro be. Hitranga tampoka+ ao anatin’ny indray mipy maso izany.  Hitsinjo anao i Jehovah Tompon’ny tafika, ka hampiasainy hiarovana anao ny kotroka sy horohoron-tany sy feo mafy sy tafio-drivotra sy oram-baratra ary lelafo mandevona.”+  Ary ho toy ny ao anaty nofy, ao amin’ny fahitana amin’ny alina, ny hanjo ny vahoakan’ny firenena rehetra miady amin’i Ariela,+ eny, izay rehetra miady aminy, mbamin’ny tilikambo fanaovana fahirano hamelezana azy, sy ireo mangeja azy.+  Eny, ny vahoakan’ny firenena rehetra miady amin’ny Tendrombohitra Ziona+ dia ho toy ny olona noana manonofy hoe mihinan-kanina, kanjo rehefa mifoha izy dia mbola noana ihany,+ ary toy ny olona mangetaheta manonofy hoe misotro, kanjo rehefa mifoha izy dia mbola reraka sy main-tenda ihany.  Aoka ianareo hidanàka sy ho gaga.+ Aoka ho jamba ianareo ka tsy hahita.+ Nanjary mamo+ izy ireo nefa tsy noho ny divay, ary mivembena nefa tsy noho ny toaka.+ 10  Fa efa nataon’i Jehovah renoky ny torimaso lalina ianareo.+ Dia akimpiny ny masonareo, izany hoe ny mpaminany,+ ary saronany ny lohanareo,+ izany hoe ny mpahita.+ 11  Ary aminareo dia toy ny teny ao amin’ny boky voaisy tombo-kase+ ny fahitana momba izany rehetra izany. Omena olona mahay mamaky teny ilay boky, ka ilazana izy hoe: “Vakio mafy ity, azafady”, nefa hoy izy: “Tsy voavakiko ity, fa voaisy tombo-kase.”+ 12  Omena olona tsy mahay mamaky teny indray ilay boky, ka ilazana izy hoe: “Vakio mafy ity, azafady”, nefa hoy izy: “Tsy mahay mamaky teny mihitsy aho.” 13  Ary hoy i Jehovah: “Manatona ahy am-bava fotsiny ity vahoaka ity, ary manome voninahitra ahy an-tendro-molotra fotsiny,+ fa ny fony kosa ataony lavitra ahy,+ ary mianatra didin’olombelona+ izy ka izany no heveriny ho fahatahorana ahy. 14  Koa intỳ aho! Izaho Ilay hanao zava-mahagaga indray amin’ity vahoaka ity,+ eny, hanao zava-mahagaga amin’ny fomba mahagaga. Dia ho foana ny fahendren’ny olon-kendriny, ary hiafina ny fahiratan-tsain’ny olony malina.”+ 15  Lozan’ireo manafina lalina be ny fikasany mba tsy ho hitan’i Jehovah,+ sy ireo manao zavatra ao amin’ny maizina+ sady miteny hoe: “Iza no mahita antsika? Iza no mahalala antsika?”+ 16  Izato haratsian-toetranareo e! Hoheverina ho mitovy amin’ny tanimanga ve ny mpanefy tanimanga?+ Ny zavatra natao ve hilaza momba ny mpanao azy hoe: “Tsy nanao ahy izy?”+ Ary ny zavatra novolavolaina ve hilaza momba ny mpamolavola azy hoe: “Tsy mahay izy?”+ 17  Moa ve tsy fotoana kely sisa dia hovana ho saham-boankazo+ i Libanona, ary hoheverina ho ala ny saham-boankazo?+ 18  Amin’izany andro izany dia handre ny teny ao amin’ny boky ny marenina,+ ary hahita ao amin’ny haizina sy ny haizim-pito ny mason’ny jamba.+ 19  Koa hampitombo ny fifaliany amin’i Jehovah ny mpandefitra,+ ary hiravoravo amin’Ilay Masin’ny Israely+ ny olona mahantra. 20  Fa hifarana ny fiainan’ny mpitondra jadona,+ ho fongotra ny mpirehareha,+ ary ho ringana izay rehetra mailaka hanisy ratsy,+ 21  dia ireo manolana tenin’olona mba hahameloka an’ilay olona,+ sy ireo mamandrika an’izay mananatra eo am-bavahady,+ ary ireo manendrikendrika olo-marina mba hanilihana azy.+ 22  Koa nilaza toy izao tamin’ny taranak’i Jakoba i Jehovah, dia izy izay nanavotra an’i Abrahama:+ “Tsy ho menatra i Jakoba, sady tsy ho hatsatra ny tarehiny.+ 23  Fa rehefa hitany eo aminy ny zanany izay asan’ny tanako,+ dia hanamasina ny anarako+ izy ireo, eny, hanamasina an’Ilay Masin’i Jakoba,+ ary hatahotra sy hanaja an’ilay Andriamanitry ny Israely.+ 24  Ho lasa mahira-tsaina izay manana fisainana mivaona, ary hiana-javatra na dia izay mimenomenona aza.”+

Fanamarihana