Isaia 30:1-33

30  “Lozan’ireo zanaka mafy loha”,+ hoy i Jehovah, “dia ireo vonona hanatanteraka fikasana nefa tsy fikasana avy amiko,+ sy mandraraka fanatitra zava-pisotro nefa tsy notarihin’ny fanahiko, ka mampitombo fahotana,+  sy ireo mandeha midina any Ejipta+ mba hitady fiarovana amin’i Farao sy hialokaloka amin’i Ejipta,+ nefa tsy nanontany ahy!+  Dia hanjary hahamenatra anareo ny fiarovan’i Farao,+ ary hahafa-baraka anareo ny fialofana eo ambany alok’i Ejipta.+  Fa tonga any Zoana+ ny andrianany, ary tonga hatrany Hanesa ny iraka nalefany.  Ho menatra daholo ny olona noho ny amin’ny firenena iray tsy mitondra soa, izay sady tsy afaka manampy no tsy mitondra soa, fa mahamenatra sy mahafa-baraka fotsiny.”+  Ny fanamelohana an’ireo biby any atsimo:+ Mandeha mamakivaky ny tany misy fahoriana+ sy fahasahiranana izy ireo, dia tany misy liona, sy leopara mierona, sy menarana ary bibilava misidina izay misy poizina mampamaivay.+ Eny an-tsoroky ny ampondra no itondrany ny fananany, ary eny amin’ny trafon’ny rameva+ no itondrany ny vatsiny, izay samy tsy hitondra soa ho an’ny olona.  Zava-poana ihany ireo Ejipsianina ka tsy hahavonjy.+ Izany no iantsoako azy hoe: “Rahaba!+ Tia mipetra-potsiny anefa izy ireo.”  “Avia àry, ka soraty eo amin’ny takela-kazo eo anatrehany izany, ary raketo ao amin’ny boky+ mba hampiasaina amin’ny andro ho avy, sady ho vavolombelona mandritra ny fotoana tsy voafetra.+  Fa vahoaka mpikomy+ izy ireo, ary zanaka tsy atokisana+ sady tsy vonona hihaino ny lalàn’i Jehovah.+ 10  Ary milaza amin’izay mahita izy ireo hoe: ‘Aza mijery’, ary amin’izay mahazo fahitana hoe: ‘Aza maminany zavatra marina momba anay.+ Teny fandokafana no lazao aminay, ary zavatra mamitaka no jereo ao amin’ny fahitana.+ 11  Mivilia lalana! Mialà amin’ny lala-mahitsy!+ Aza miresaka aminay momba Ilay Masin’ny Israely intsony.’”+ 12  Koa izao no lazain’Ilay Masin’ny Israely: “Mandà ny teniko+ ianareo ka mitoky amin’ny fanambakana sy famitahana, sady miantehitra amin’izany.+ 13  Koa izany fahadisoana izany dia ho toy ny triatra eo amin’ny manda+ avo be, eny, ho toy ny faritra mitriatra efa mibontsina ka madiva hianjera. Ary hirodana tampoka ao anatin’ny indray mipy maso+ ilay manda. 14  Ary hovakivakina izy io toy ny famakiana siniben’ny mpanefy tanimanga,+ izay potipotehina tsy asiana antra, ka ny potipotiny dia tsy hahitana silany iray akory mba hakana afo avy ao am-patana, na hanovozana rano kely eo amin’ny heniheny.”+ 15  Fa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony, Ilay Masin’ny Israely:+ “Ho voavonjy ianareo raha miverina sy mitony. Ny tsy fahataitairanareo sy ny fatokisanareo no ho tanjakareo.”+ Tsy nety anefa ianareo.+ 16  Fa hoy ianareo: “Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay!+” Koa handositra tokoa ianareo. “Ary soavaly haingam-pandeha no hitaingenanay!”+ Dia ho haingam-pandeha koa ny mpanenjika anareo.+ 17  Koa olona iray monja no mandrahona, dia ho tora-kovitra ny arivo.+ Olona dimy monja no mandrahona, dia handositra ianareo, ka izay sisa miangana aminareo dia ho toy ny andry tokana eny an-tampon-tendrombohitra, sy ho toy ny tsato-kazo famantarana eny an-kavoana.+ 18  Mbola manantena ny hiantra anareo ihany anefa i Jehovah,+ ka hitsangana mba hamindra fo+ aminareo. Fa Andriamanitry ny rariny i Jehovah,+ ka sambatra+ izay rehetra miandry azy.+ 19  Tsy hitomany intsony+ ianao rehefa mipetraka ao Jerosalema+ ny mponin’i Ziona.+ Hiantra anao Izy rehefa mandre ny fitarainanao. Raha vao mandre izany izy, dia hamaly anao.+ 20  Fahoriana no mofo homen’i Jehovah anareo, ary fampijaliana no rano homeny anareo.+ Na izany aza, dia tsy hiafina intsony ny Mpampianatra Be Voninahitra izay mampianatra anao, ka hahita an’ilay Mpampianatra Be Voninahitra+ ny masonao. 21  Ary raha mivily miankavanana ianao na mivily miankavia,+ dia ho ren’ny sofinao ny teny avy ao aorianao hoe: “Ity no lalana+ ka andehano.” 22  Lotoy ny sary sokitrareo norakofana takela-bolafotsy+ sy ny sarivongana metalinareo+ nopetahana takela-bolamena.+ Toy ny ataon’ny vehivavy tonga fotoana, dia harianao ireny+ ka ataonao hoe: “Maloto!”+ 23  Hanome ranonorana ho an’ny voa afafinao amin’ny tany Izy,+ ary sakafo matavy sy mahavoky no ho vokatry ny tany.+ Hiraoka ahitra eny amin’ny kijana malalaka tsara ny biby fiompinao,+ amin’izany andro izany. 24  Ny omby sy ny ampondra izay miasa tany kosa hihinana vilona nafangaro kidiadiamborona, izay niara-nokororohina tamin’ny lapelina+ sy ny fikororohana. 25  Ary amin’ny andro fandripahana, rehefa mianjera ny tilikambo,+ dia hisy rano mikoriana+ sy lakandrano eny amin’ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana rehetra. 26  Ho toy ny hazavan’ny masoandro mamirapiratra ny hazavan’ny volana fenomanana. Ary ho avo fito heny toy ny hazavana fito andro ny hazavan’ny masoandro mamirapiratra,+ rehefa fehezin’i Jehovah ny ratra+ amin’ny olony, ary sitraniny+ ny fery lalina vokatry ny kapoka nataony taminy. 27  Tonga avy lavitra ny anaran’i Jehovah, miaraka amin’ny fahatezerany mirehitra+ sy rahona matevina. Ny molony dia feno fanamelohana, ary ny lelany kosa toy ny afo mandevona.+ 28  Toy ny riaka be tafakatra hatreny am-bozona+ ny fanahiny, mba hanintsanana an’ireo firenena amin’ny sivana+ fanalana zavatra tsy misy dikany. Ary lamboridy+ mampirenireny no ho eo amin’ny valanoranon’ireo vahoaka.+ 29  Dia hanao hira+ ianareo, toy ny olona mihira amin’ny alina rehefa manamasina ny tenany ho amin’ny fety.+ Ary ho falifaly am-po ianareo, toy ny olona mitsoka sodina+ eny am-pandehanana ho any an-tendrombohitr’i Jehovah,+ ho any amin’ilay Vatolampin’ny Israely.+ 30  Hataon’i Jehovah re ny voninahitry ny feony,+ ary hataony hita ny fidinan’ny sandriny,+ miaraka amin’ny fahatezerana+ mirehitra sy ny lelafo mandevona+ sy ny oram-be sy ny oram-baratra+ ary ny havandra.+ 31  Fa hihorohoro i Asyria+ noho ny feon’i Jehovah. Hamely azy amin’ny tehina mantsy izy.+ 32  Isaky ny ataon’i Jehovah miantefa amin’i Asyria ny tsorakazo famaizany, dia harahina feon’ampongatapaka sy harpa+ izany. Ary hanambana azy amin’ny tanany izy ka hiady aminy tokoa.+ 33  Tsy ela izay dia efa vonona ny Tofeta+ nomanina ho an’i Asyria, sady efa nomanina ho an’ny mpanjaka koa.+ Nataony miavosa ao anatin’ny lavaka lalina ny kitain’i Tofeta. Midedadeda ny afo, ary be dia be ny kitay. Mandrehitra an’i Tofeta ny fofonain’i Jehovah, izay toy ny riakan-tsolifara.+

Fanamarihana