Isaia 31:1-9

31  Lozan’izay midina hitady fanampiana any Ejipta,+ sy miantehitra amin’ny soavaly,+ sy mitoky amin’ny kalesin’ady+ noho ny hamaroan’ireny, ary mitoky amin’ny soavaly fitondra miady satria tena mahery ireny. Tsy mitodika any amin’Ilay Masin’ny Israely izy ireo, ary tsy mitady an’i Jehovah.+  Izy koa anefa hendry,+ ka hahatonga loza.+ Tsy hanatsoaka ny teniny Izy,+ fa hitsangana hamely ny ankohonan’ny ratsy fanahy+ sy izay manampy ny mpanao ratsy.+  Olombelona ihany+ ny Ejipsianina, fa tsy Andriamanitra, ary nofo ihany ny soavaliny,+ fa tsy fanahy. Haninjitra ny tanany i Jehovah, dia tsy maintsy ho tafintohina ilay manampy, ary hianjera ilay ampiana,+ ka hiaraka ho levona izy rehetra.  Fa izao no nolazain’i Jehovah tamiko: “Mierona ny liona, eny, mierona ny liona tanora+ eo amin’ny remby azony, na tafangona daholo aza ny mpiandry ondry nantsoina hamely azy. Tsy ho raiki-tahotra izy na dia miantsoantso aza izy ireo, ary tsy hanaiky ho resy izy na dia mitabataba aza ireo. Dia ho toy izany koa i Jehovah Tompon’ny tafika rehefa hidina hiady, noho ny amin’ny Tendrombohitra Ziona sy ny havoanany.+  Hiaro an’i Jerosalema i Jehovah Tompon’ny tafika, toy ny iarovan’ny voro-manidina ny zanany.+ Eny, hiaro azy Izy sady hanafaka azy.+ Hitsimbina azy izy sady hamela azy ho afa-mandositra.”  “Koa miverena+ amin’Ilay nikomian’ny zanak’Israely, fa lehibe ny fikomiana nataon’izy ireo taminy.+  Fa amin’izany andro izany izy ireo dia samy hanary ny andriamaniny volafotsy tsy misy fotony sy ny andriamaniny volamena tsy misy dikany.+ Ny tananareo ihany no nanao ireny, ary fahotana izany.+  Ny Asyrianina dia ho lavon’ny sabatra, nefa tsy sabatr’olona izany, eny, sabatra tsy an’olombelona no handripaka azy.+ Handositra noho ny sabatra izy, ary hampanaovina asa an-terivozona ireo tovolahiny.  Koa hanjavona ny vatolampiny noho ny tahotra mafy, ary hihorohoro ireo andrianany noho ilay tsato-kazo famantarana”,+ hoy i Jehovah, izay manana ny hazavany ao Ziona sy ny lafaorony+ ao Jerosalema.

Fanamarihana