Isaia 32:1-20

32  Hisy mpanjaka+ hitondra mba hampanjaka ny fahamarinana,+ ary hisy andriana+ hitondra mba hampanjaka ny rariny.  Samy ho toy ny fierena amin’ny rivotra, sy fialofana amin’ny oram-baratra+ izy ireo, sady ho toy ny rano mikoriana any amin’ny tany karakaina,+ ary ho toy ny aloky ny vatolampy lehibe any amin’ny tany ngazana.+  Tsy haraikitra ny mason’ireo mahita, ary hanongilan-tsofina ireo mandre.+  Handinika fahalalana ireo maimaika,+ ary na ny lelan’ireo miakanakam-piteny aza hahay hiteny mazava tsara.+  Tsy holazaina intsony hoe malala-tanana ny adala, ary tsy hatao hoe olona ambony ny maty eritreritra.+  Fa mbola hiteny hadalana ihany ny adala,+ ary mamorona teti-dratsy ao am-pony+ izy, mba hahatonga fivadiham-pinoana+ sy mba hilazana lainga hanoherana an’i Jehovah ary mba handefasana ny noana sy ny mangetaheta hody maina.+  Ary ratsy ny fanaon’ny olona maty eritreritra.+ Fa torohevitra mahatonga fitondran-tena baranahiny+ no omeny, mba hanimbana ny ory amin’ny lainga,+ rehefa misy mahantra milaza zavatra ara-drariny.  Ny olona malala-tanana kosa manome torohevitra mahatonga halala-tanana, ary halala-tanana foana koa izy.+  “Mitsangàna, ry vehivavy miadana, ka henoy ny teniko!+ Henoy izay lazaiko, ry zanakavavy tsy miraharaha! 10  Hitebiteby ianareo tsy miraharaha,+ rehefa afaka herintaona mahery kely, satria tsy hisy ny vokatra na dia rehefa tapitra aza ny fiotazam-boaloboka.+ 11  Mangovita, ry vehivavy miadana! Mitebitebe ianareo tsy miraharaha! Esory ny akanjonareo ka mitanjaha, ary misikìna lamba gony.+ 12  Aoka ianareo hikapo-tratra sy hitomany+ noho ny amin’ireo saha nahafinaritra+ sy ny voaloboka nahavokatra. 13  Tsilo sy kirihitra misy tsilony no haniry eo amin’ny tanin’ny oloko,+ ka hanenika ny trano rehetra nisy fifaliana fahiny, eny, hanenika an’ilay tanàna nisy haravoana be.+ 14  Fa nafoy ny tilikambo fonenana+ ary nilaozana ny tabataban’ny tanàna. Nanjary lao i Ofela+ sy ny tilikambo fiambenana, ka lasa toerana ikarenjen’ny zebra sady lasa kijana ho an’ny biby fiompy mandritra ny fotoana tsy voafetra, 15  mandra-pirotsaky ny fanahy avy any amin’ny avo+ ho amintsika. Dia hanjary ho saham-boankazo ny tany efitra, ary hoheverina ho ala ny saham-boankazo.+ 16  “Honina any an-tany efitra ny rariny, ary hitoetra ao amin’ilay saham-boankazo ny fahamarinana.+ 17  Fiadanana no ho vokatry ny tena fahamarinana,+ ary filaminana sy tsy fananana ahiahy mandritra ny fotoana tsy voafetra koa no ho vokatra haterany.+ 18  Ny oloko hipetraka ao amin’ny fonenana anjakan’ny fiadanana, sy ao amin’ny toerana tsy ananana ahiahy tanteraka, ary ao amin’ny toeram-pialan-tsasatra tsy misy manelingelina.+ 19  Hisy havandra anefa rehefa mietry ny ala+ sy rehefa mietry tanteraka ny tanàna.+ 20  “Sambatra ianareo izay mamafy voa eny amoron’ny rano+ rehetra, ka mamaha ny fatoran’ny omby sy ny ampondra.”+

Fanamarihana