Isaia 33:1-24

33  Lozanao, ry ilay mandroba nefa tsy nisy nandroba anao, ilay mamitaka nefa tsy nisy namitaka anao!+ Horobaina koa ianao raha vao avy mandroba,+ ary hofitahina ianao raha vao avy mamitaka.+  Iantrao izahay, Jehovah ô!+ Ianao no antenainay.+ Aoka ianao ho sandrinay+ isa-maraina,+ eny, ho famonjena anay amin’ny fotoam-pahoriana.+  Mandositra ny olona rehefa mandre ny fitabatabanao.+ Miparitaka ireo firenena rehefa mitsangana ianao.+  Ny zavatra hobaboina+ eo aminareo, dia hangonina toy ny anangonan’ny kalalao ny zavatra hitany, ary hirohotra eny ny fahavalo, toy ny andiam-balala mirohotra mamely olona.+  Hasandratra i Jehovah,+ satria mitoetra eny amin’ny avo.+ Ary hofenoiny rariny sy hitsiny ao Ziona.+  Ny tsy fivadihana mandritra ny fotoana voatondronao no harenan’ny famonjena.+ Fahendrena sy fahalalana+ ary tahotra an’i Jehovah+ no zava-tsarobidiny.  Miantsoantso eny an-dalana ireo mahery fo amin’izy ireo, ary hitomany amin’alahelo mafy ny iraka mpitady fihavanana.+  Nanjary aolo ny lalambe,+ ary tsy misy mpandeha intsony eny an-dalana.+ Nivadika tamin’ny fifanekena ny fahavalo,+ sady nanao tsinontsinona an’ireo tanàna,+ ary tsy niraharaha olona.+  Misaona sy malazo ny tany.+ Mangaihay sy potika i Libanona.+ Nanjary toy ny lemaka karakaina i Sarôna,+ ary mihintsan-dravina i Basana sy Karmela.+ 10  “Koa hitsangana aho”,+ hoy i Jehovah, “ka hasandratro ny tenako.+ Eny, hijoro aho.+ 11  Bozaka maina no miforona ao an-kibonareo,+ ary vodivary no haterakareo. Handevona+ anareo toy ny afo+ ny toe-tsainareo. 12  Hirehitra toy ny sokay ireo firenena. Izy ireo dia ho toy ny tsilo notapahina izay dorana amin’ny afo.+ 13  Henoy izay hataoko, ry olona any lavitra!+ Aoka ho fantatrareo ny heriko,+ ry olona eto akaiky. 14  Raiki-tahotra+ ny mpanota ao Ziona, ary tora-kovitra ny mpivadi-pinoana,+ ka manao hoe: ‘Iza amintsika no mahajanona eo akaikin’ny afo mandevona?+ Iza amintsika no mahajanona eo akaikin’ny afo miredareda?’+ 15  “Izay mandeha amin’ny fahamarinana+ foana, sy milaza ny marina,+ sy tsy mandray tombony tsy ara-drariny azo amin’ny fitaka,+ sy manakifikifi-tanana tsy handray tsolotra,+ sy manampin-tsofina tsy hihaino resaka momba ny fandatsahan-dra, ary manakimpy ny masony tsy hahita zava-dratsy,+ 16  dia izy no honina eny amin’ny avo.+ Ary ho harambato sarotra aleha ny tendrombohitra fandosirany.+ Homena azy ny sakafony,+ ary tsy ho ritra mihitsy ny tahirin-dranony.”+ 17  Mpanjaka tsara tarehy no ho hitan’ny masonao.+ Ary hahita tany eny lavitra+ eny izy ireo. 18  Hiteny moramora+ ao am-ponao momba ny zavatra nampahatahotra ianao, hoe: “Aiza ny mpitan-tsoratra? Aiza ny mpamoaka ny vola hetra?+ Aiza ny mpanisa ny tilikambo?”+ 19  Tsy hahita firenena mpanambany olona intsony ianao, dia firenena mampiasa fiteny saro-takarina sy miboredika amin’ny fiteny tsy azonao.+ 20  Jereo i Ziona,+ ilay tanàna fanaovantsika fety!+ Ho hitan’ny masonao i Jerosalema, izay fonenana tsy misy manelingelina, sady tranolay tsy hisy hangorona.+ Tsy hotsoahana mihitsy ny fantsika be fanenjanan-day eo aminy, ary tsy hisy hotapahina ny tadiny.+ 21  Fa ao i Jehovah, Ilay Heni-kaja,+ no hiaro antsika, eny, hiaro toy ny renirano+ sy ny lakandrano lehibe izy. Tsy hisy handeha eny amin’ireny ny andian-tsambon’ny fahavalo, ary tsy hisy sambo lehibe handalo eny. 22  Fa i Jehovah no Mpitsara+ antsika, Jehovah no Mpanome lalàna+ antsika, Jehovah no Mpanjakantsika,+ ary izy no hamonjy antsika.+ 23  Hivaha ny tady, tsy ho voatana hijoro tsara ny andrin-tsambony, ary tsy voavelatra ny lay. Amin’izay fotoana izay dia hozaraina ny zavatra maro azo babo, ka na ny malemy tongotra aza haka be dia be amin’izay norobaina.+ 24  Ary tsy hisy mponina hilaza hoe: “Marary aho.”+ Ho voavela heloka+ ny olona monina ao amin’ilay tany.

Fanamarihana