Isaia 35:1-10

35  Hifaly ny tany efitra sy ny faritra karakaina,+ ary hiravoravo ny lemaka karakaina sady hamony toy ny voninkazo safrona.+  Eny, hamony+ tokoa izany, ary tena ho faly ka hiravoravo sy hihoby.+ Homena azy ny voninahitr’i Libanona,+ sy ny famirapiratan’i Karmela+ sy Sarôna.+ Ary hisy olona sasany hahita ny voninahitr’i Jehovah,+ dia ny famirapiratan’ilay Andriamanitsika.+  Hatanjaho ny tanana miraviravy sy ny lohalika mangozohozo.+  Lazao amin’ireo mitebiteby*+ hoe: “Mahereza.+ Aza matahotra+ fa ho avy hamaly izay natao taminareo ilay Andriamanitrareo,+ eny, hamaly Andriamanitra.+ Izy mihitsy no ho avy hamonjy anareo.”+  Amin’izany fotoana izany, dia hampahiratina ny mason’ny jamba,+ ary hatao mandre ny sofin’ny marenina.+  Amin’izany fotoana izany koa dia hahavita hianika tendrombohitra toy ny serfa ny malemy tongotra,+ ary hihoby ny lelan’ny moana.+ Fa hisy rano hiboiboika any an-tany efitra, ary hisy renirano any amin’ny lemaka karakaina.  Hanjary ho toy ny kamory anirian’ny bararata ny tany ngazana, ary ho toy ny loharano ny tany karakaina.+ Hisy ahi-maitso sy bararata ary zozoro+ ny fonenan’ny alikadia,+ dia ny toerana fialany sasatra.  Ary hisy lalambe+ hantsoina hoe Lalan’ny Fahamasinana any.+ Tsy handalo eny ny olona tsy madio,+ fa ho an’izay mahazo mandeha eny ihany izy io, ka tsy hisy handehandeha eny ny olona adala.  Tsy hisy liona eny, ary tsy hankeny ny bibidia mpiremby.+ Tsy hisy ho hita eny ireny,+ fa izay navotana ihany no handeha eny.+ 10  Koa hiverina any Ziona amim-pihobiana+ ireo navotan’i Jehovah,+ ary hifaly mandritra ny fotoana tsy voafetra izy ireo.+ Ho feno hafaliana sy haravoana izy ireo, ary handositra azy ny alahelo sy ny fisentoana.+

Fanamarihana

Na: “mitebiteby ao am-po.”