Isaia 36:1-22

36  Tamin’ny taona fahefatra ambin’ny folo nanjakan’i Hezekia Mpanjaka, dia niakatra hamely an’ireo tanàna voaro mafy rehetra tany Joda i Sankeriba+ mpanjakan’i Asyria,+ ka naka an’ireny.+  Ary nirahin’ny mpanjakan’i Asyria avy tao Lakisy,+ ho any amin’i Hezekia Mpanjaka any Jerosalema,+ i Rabsake+ mbamin’ny miaramila be dia be. Dia nijanona teo akaikin’ny lakandranon’ny+ dobo+ ambony izy, teo amin’ny lalambe mankany amin’ny sahan’ny mpanasa lamba.+  Ary nivoaka ho eo amin’i Rabsake i Eliakima+ zanak’i Hilkia, mpiandraikitra ny ankohonan’ny mpanjaka, sy Sebna+ mpitan-tsoratra, ary Joa+ zanak’i Asafa,+ mpanoratra ny raharaham-panjakana.+  Koa hoy i Rabsake tamin’izy ireo: “Mba ilazao i Hezekia hoe: ‘Izao no nolazain’ny mpanjaka lehibe,+ dia ny mpanjakan’i Asyria:+ “Fa inona koa izao itokisanao izao?+  Nilaza ianao hoe: ‘Ananako daholo na ny saina na ny hery hoenti-miady.’+ Rediredy fotsiny izany teninao izany. Fa iza no mba itokisanao no mikomy amiko ianao?+  I Ejipta no mba itokisanao hanampy anao.+ Bararata+ torotoro anefa izy, ka raha itehenana dia hanindrona sy handoaka tanana. Toy izany i Farao+ mpanjakan’i Ejipta ho an’izay rehetra mitoky aminy.+  Raha hoy kosa ianao hoe: ‘I Jehovah Andriamanitray no itokisanay!’ Fa angaha moa tsy izy no tompon’ireo toerana avo+ sy alitara nesorin’i Hezekia,+ izay nilaza tamin’ny Joda sy Jerosalema hoe: ‘Eto anoloan’ity alitara ity no hiankohofanareo’?”’+  Koa aoka ianao hifanamby+ amin’ny tompoko, dia ny mpanjakan’i Asyria:+ Homeko soavaly roa arivo ianao, dia ho hita eo raha manana olona afaka hitaingina azy.+  Hataonao ahoana no hampandositra governora anankiray, na dia izay anisan’ny kely indrindra amin’ny mpanompon’ny tompoko aza,+ nefa ianao aza mila mitoky amin’i Ejipta mba hahazoana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly?+ 10  Ary angaha moa izaho tsy nahazo alalana avy tamin’i Jehovah matoa miakatra hanafika sy handrava an’ity tany ity? I Jehovah mihitsy no niteny tamiko hoe:+ ‘Miakara hanafika an’io tany io, ary ravao izy.’”+ 11  Dia hoy i Eliakima+ sy Sebna+ ary Joa+ tamin’i Rabsake:+ “Fiteny syrianina+ re, azafady, no iteneno amin’ny mpanomponao, fa azonay ihany izany e! Aza manao fitenin’ny Jiosy+ aminay fa ren’ny olona etsy ambony manda.”+ 12  Hoy anefa i Rabsake: “Angaha moa izaho nirahin’ny tompoko hilaza izany teny izany aminao sy amin’ny tomponao, fa tsy amin’ny olona mipetraka etsy ambony manda, mba hihinanany ny tsy fihinany* sy hisotroany ny tsy fisotrony* miaraka aminareo?”+ 13  Ary nijoro+ teo ihany i Rabsake, ka niteny mafy tamin’ny fitenin’ny Jiosy,+ nanao hoe: “Henoy ny tenin’ny mpanjakan’i Asyria, ilay mpanjaka lehibe!+ 14  Izao no nolazain’ny mpanjaka: ‘Aza manaiky hofitahin’i Hezekia ianareo,+ fa tsy mahavonjy anareo izy.+ 15  Ary aza manaiky hotarihin’i Hezekia hitoky amin’i Jehovah,+ ka hilazany hoe: “Tena hamonjy antsika tokoa i Jehovah,+ ary tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asyria ity tanàna ity.”+ 16  Aza mihaino an’i Hezekia, fa izao no nolazain’ny mpanjakan’i Asyria: “Meteza hitolo-batana amiko,+ ka mivoaha hankatỳ amiko, dia samy hihinana ny voalobony sy ny aviaviny+ avy ianareo, ary samy hisotro ny rano avy amin’ny lavaka fanangonan-dranony,+ 17  mandra-pahatongako hitondra anareo ho any amin’ny tany izay tahaka ny taninareo,+ dia tany misy varimbazaha sy divay vaovao, tany misy mofo sy tanimboaloboka. 18  Sao mantsy hamitaka anareo i Hezekia+ ka hilaza hoe: ‘I Jehovah no hamonjy antsika.’ Fa angaha ny andriamanitr’ireo firenena nahavonjy ny taniny teo an-tanan’ny mpanjakan’i Asyria?+ 19  Aiza izao ireo andriamanitr’i Hamata+ sy Arpada?+ Aiza koa ireo andriamanitr’i Sefarvaima?+ Nahavonjy an’i Samaria teo an-tanako angaha ireny?+ 20  Iza tamin’ny andriamanitra rehetran’ireo tany ireo no nahavonjy ny taniny teo an-tanako?+ Koa ahoana no hahafahan’i Jehovah hamonjy an’i Jerosalema eo an-tanako?”’”+ 21  Nangina anefa izy ireo, ka tsy namaly azy na indraim-bava aza,+ satria efa nodidian’ny mpanjaka hoe: “Aza mamaly azy.”+ 22  Fa nankao amin’i Hezekia kosa i Eliakima+ zanak’i Hilkia, mpiandraikitra ny ankohonan’ny mpanjaka,+ sy Sebna+ mpitan-tsoratra, ary Joa+ zanak’i Asafa, mpanoratra ny raharaham-panjakana. Ary samy efa nandrovitra ny akanjony+ avy izy ireo. Dia nolazain’izy ireo tamin’i Hezekia ny tenin’i Rabsake.+

Fanamarihana

A.b.t.: “ny tainy.”
A.b.t.: “ny amaniny.”