Isaia 38:1-22

38  Tamin’izany andro izany, dia narary efa ho faty i Hezekia.+ Koa nankao aminy i Isaia+ mpaminany zanak’i Amoza, ka niteny hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Mamelà hafatra amin’ny ankohonanao,+ satria ho faty ianao fa tsy ho velona.’”+  Dia nitodika tany amin’ny rindrina+ i Hezekia ka nivavaka tamin’i Jehovah,+  nanao hoe: “Mitalaho aminao aho, Jehovah ô! Mba tsarovy+ re ny nandehanako+ teo anatrehanao tamim-pahitsiana*+ sy tamin’ny foko manontolo,+ ary ny nanaovako izay tsara teo imasonao e!” Dia nitomany be izy.+  Ary tonga tamin’i Isaia ny tenin’i Jehovah+ hoe:  “Mandehana, lazao amin’i Hezekia hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah, Andriamanitr’i Davida razambenao:+ “Efa reko ny vavakao,+ ary efa hitako ny ranomasonao.+ Koa hampiako dimy ambin’ny folo taona ny andronao.+  Ary hovonjeko eo am-pelatanan’ny mpanjakan’i Asyria ianao sy ity tanàna ity, ka harovako ity tanàna ity.+  Izao no famantarana avy amin’i Jehovah hahalalanao fa hotanterahin’i Jehovah ny teniny:+  Ny aloka izay efa nidina teo amin’ny zanatohatr’i Ahaza noho ny fidinan’ny masoandro,+ dia hataoko mihemotra zanatohatra folo.”’”+ Koa nihemotra zanatohatra folo ny aloka izay efa nidina teo amin’ny zanatohatra.+  Ary izao no nosoratan’i Hezekia mpanjakan’ny Joda, rehefa narary+ izy ka sitrana tamin’ny aretiny:+ 10  Hoy aho: “Hiditra eo am-bavahadin’ny+ Fasana* aho, amin’izao androko izao.Hesorina amiko ny taona sisa hiainako.”+ 11  Hoy aho: “Tsy hahita an’i Jah aho, eny, tsy hahita an’i Jah eto amin’ny tanin’ny velona.+Tsy hahita olombelona intsony aho, fa hiaraka amin’ny mponina any amin’ny tanin’ny fahafatesana. 12  Nongotana sy nesorina+ tamiko toy ny tranolain’ny mpiandry ondry ny fonenako.Ahoroko toy ny lamba ahoron’ny mpanenona ny fiainako,Ary manapaka+ ahy hiala amin’ny kofehy tenany Izy.Atolotrao ho azom-pahoriana aho, hatramin’ny maraina ka hatramin’ny alina.+ 13  Nampitony ny tenako aho mandra-maraina.+Toy ny liona mihitsy izy manapatapaka ny taolako+ rehetra.Atolotrao ho azom-pahoriana aho,+ hatramin’ny maraina ka hatramin’ny alina. 14  Mitaraindraina toy ny sidintsidina sy tsikorovana aho,+Ary mitoreo toy ny voromailala.+Valalanina ny masoko mitazana ny eny amin’ny avo:+‘Ory mafy aho, Jehovah ô! Tohano aho!’+ 15  Inona no holazaiko, ary inona no holazainy amiko?+Efa nanao zavatra izy.+Handeha amim-panetren-tena aho mandritra ny taona rehetra iainako, noho ny fahoriana mangidy+ nanjo ahy. 16  ‘Jehovah ô, noho izany no ahaveloman’ny olona, ary noho izany koa no mbola mahavelona ny aiko,+ toy ny an’ny olon-drehetra.Hositraninao aho ka hotsimbininao ny aiko.+ 17  Tsy fiadanana no hitako fa fahoriana mangidy, eny, mangidy.+Nanjary niraiki-po tamiko anefa ianao, ka nisakana ahy tsy ho any amin’ny lavaky ny fahalevonana.+Fa narianao any ivohonao ny fahotako rehetra.+ 18  Tsy ny Fasana* mantsy no afaka midera anao,+ ary tsy afaka mankalaza anao ny fahafatesana.+Tsy afaka miandrandra ny fahamarinanao ireo midina any an-davaka.+ 19  Ny velona, eny, ny velona no afaka midera anao,+Toy ny ahafahako midera anao androany.+Ary ny ray no afaka mampianatra+ an’ireo zanany momba ny fahamarinanao. 20  Avia hamonjy ahy, Jehovah ô!+ Dia hotendrenay amin’ny lokanga ny feon-kira noforoniko,+Eny, hotendrenay mandritra ny androm-piainanay ao an-tranon’i Jehovah.’”+ 21  Ary hoy i Isaia: “Makà mofo vita amin’ny aviavy maina noporetina, ka apetaho eo amin’ilay fery,+ mba hahasitrana an’i Hezekia.”+ 22  Tamin’izay fotoana izay ihany, dia hoy i Hezekia: “Inona no famantarana fa hiakatra any an-tranon’i Jehovah aho?”+

Fanamarihana

A.b.t.: “tamim-pahamarinana.”
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.