Isaia 39:1-8

39  Tamin’izany andro izany, dia nandefa taratasy sy fanomezana+ ho an’i Hezekia i Merodaka-baladana+ mpanjakan’i Babylona,+ zanak’i Baladana, rehefa reny fa narary i Hezekia nefa natanjaka indray.+  Faly i Hezekia tamin’ny fahatongavan’ireo iraka,+ ka nasehony azy ny zava-drehetra tao amin’ny fitehirizan-karenany,+ dia ny volafotsy sy ny volamena sy ny menaka balsama+ sy ny menaka sarobidy ary ny fitaovam-piadiany+ rehetra, mbamin’izay rehetra tao amin’ny fitehirizan-karenany. Tsy nisy tsy nasehon’i Hezekia azy ny tao an-tranony+ sy ny tao amin’ny fanjakany manontolo.+  Avy eo dia nankao amin’i Hezekia Mpanjaka i Isaia mpaminany, ka niteny taminy+ hoe: “Inona no nolazain’ireny olona ireny? Ary avy aiza, hono, ry zareo no nankatỳ?” Dia hoy i Hezekia: “Avy any an-tany lavitra, avy any Babylona izy ireny+ no nankatỳ amiko.”  Ary hoy i Isaia: “Inona no hitany tato an-tranonao?”+ Dia hoy i Hezekia: “Izay rehetra ato an-tranoko dia hitany daholo. Tsy nisy tsy nasehoko azy ny tao amin’ny fitehirizan-karenako.”  Dia hoy i Isaia tamin’i Hezekia:+ “Henoy ny tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika:  ‘Ho avy ny andro hitondrana an’izay rehetra ato an-tranonao sy izay rehetra notehirizin’ny razanao mandraka androany, ho any Babylona.’+ ‘Tsy hisy na inona na inona ho tavela’,+ hoy i Jehovah.  ‘Hoentina koa ny sasany amin’ny zanakao lahy izay haterakao,+ ka ho lasa tandapa+ any an-dapan’ny mpanjakan’i Babylona.’”+  Dia hoy i Hezekia tamin’i Isaia: “Mety izany tenin’i Jehovah nolazainao izany.”+ Ary hoy koa izy: “Satria mbola hisy fiadanana sy fahamarinana+ foana amin’ny androko.”+

Fanamarihana