Isaia 42:1-25

42  Io ny mpanompoko+ izay tohanako,+ ilay voafidiko+ izay sitrako!+ Nampitoeriko ao aminy ny fanahiko.+ Hampiharihary ny rariny amin’ireo firenena izy.+  Tsy hiantsoantso izy na hampiaka-peo, ary tsy hataony re eny an-dalana ny feony.+  Tsy hotapahiny ny bararata folaka,+ ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro mitsilopilopy. Hanao ny marina izy ka hampiharihary ny rariny.+  Tsy ho reraka na ho sasatra izy, mandra-panaovany ny rariny eny ambonin’ny tany.+ Ary ireo nosy hiandry ny lalàny.+  Izao no lazain’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ilay Mpamorona ny lanitra,+ Ilay Be Voninahitra mamelatra ny lanitra,+ Ilay mamelatra ny tany+ mbamin’izay vokariny,+ Ilay manome fofonaina+ ho an’ny mponin’ny tany,+ sy manome aina* ho an’izay mandeha eny ambonin’ny tany:+  “Izaho Jehovah no miantso anao araka ny fahamarinana,+ sady mitantana anao.+ Hiaro anao aho, ka ianao no hataoko antoka ho an’ny olona,+ sy fahazavan’ny hafa firenena,+  mba hampahiratanao ny maso jamba,+ sy hamoahanao ny voafonja+ hiala ao amin’ny lakaly figadrana, ary hamoahanao avy ao am-ponja ireo mitoetra ao amin’ny haizina.+  “Izaho no Jehovah! Izany no anarako.+ Koa ny voninahitro tsy homeko ny hafa,+ ary ny fiderana ahy+ tsy homeko ho an’ny sary sokitra.+  “Efa tanteraka ny zavatra nolazaina tany am-boalohany,+ fa zava-baovao kosa no lazaiko ankehitriny. Mbola tsy mipoitra ireny, dia efa ambarako aminareo.”+ 10  Mihirà hira vaovao+ ho an’i Jehovah! Hirao hatrany amin’ny faran’ny tany ny fiderana azy,+ ry olona mivelona amin’ny ranomasina+ sy amin’izay rehetra ao aminy, ry nosy mbamin’ny mponina eo aminy!+ 11  Aoka hanandra-peo ny tany efitra+ sy ny tanànany, ary ny tanàna kely onenan’i Kedara.+ Aoka hihoby ny mponina eny amin’ny harambato.+ Aoka ny olona hiantsoantso avy eny an-tampon-tendrombohitra. 12  Aoka izy ireo hanome voninahitra an’i Jehovah,+ sy hidera azy eny amin’ireo nosy.+ 13  Hivoaka hiady toy ny lehilahy mahery i Jehovah.+ Toy ny lehilahy mpiady izy, ka hofohaziny ny hafanam-pony.+ Hiantsoantso mafy hanao hiakan’ady+ izy. Hahery noho ny fahavalony izy.+ 14  “Efa hatry ny ela aho no nangina,+ ary mbola nangina+ sy nifehy tena+ foana. Hitaraina sy hisefosefo ary ho sempotsempotra toy ny vehivavy efa hiteraka+ anefa aho. 15  Handrava+ tendrombohitra sy havoana aho, ary hataoko maina ny zavamaniry rehetra eny. Hovako ho nosy ny renirano, ary hataoko ritra ny kamory+ anirian’ny bararata. 16  Ary hampandehaniko amin’ny lalana tsy fantany ny jamba,+ eny, lalana tsy fantany no handefasako azy.+ Hataoko mazava ny toerana maizina eo anoloan’izy ireo,+ ary hataoko mitovy tantana ny tany mikitoantoana.+ Izany no hataoko ho azy ireo, ary tsy hahafoy azy aho.”+ 17  Hiamboho sy ho menatra tokoa izay mitoky amin’ny sary sokitra,+ sy miteny amin’ny sarivongana metaly hoe: “Ianareo no andriamanitray.”+ 18  Mihainoa, ry marenina! Mijere mba hahita, ry jamba!+ 19  Iza moa no jamba fa tsy ny mpanompoko ihany? Ary iza no marenina toy ny irako? Iza no jamba toy ilay nahazo valisoa, na jamba toy ny mpanompon’i Jehovah?+ 20  Nahita zavatra maro ianao, saingy tsy nandinika.+ Nandre ny sofinao, saingy tsy nihaino ianao.+ 21  Noho ny fahamarinan’i Jehovah+ anefa, dia tiany ny hankalaza ny lalàny+ sy hahatonga azy io ho heni-kaja. 22  Nangalarina sy norobaina ny fananan’ilay vahoaka.+ Voafandrika ao an-davaka daholo izy ireo, ary voafina ao am-ponja.+ Nangalarina ny fananan’izy ireo nefa tsy nisy namonjy azy,+ ary norobaina izany nefa tsy nisy niteny hoe: “Avereno atỳ!” 23  Iza aminareo no hanongilan-tsofina hihaino an’izany? Iza no handinika sy hihaino any am-parany?+ 24  Iza no nanolotra an’i Jakoba horobaina, sy nanolotra an’i Israely tamin’ny mpangalatra? Tsy i Jehovah ve? Nanota taminy izy ireo, sady tsy nety nandeha tamin’ny lalany ary tsy nihaino ny lalàny.+ 25  Koa nanampatra taminy ny fahatezerany sy ny fahavinirany ary ny herin’ny ady Izy.+ Nanodidina azy izany ka nandoro azy,+ nefa izy tsy niraharaha.+ Niredareda foana nandoro azy izany, nefa tsy nahoany.+

Fanamarihana

Heb.: roah. Jereo F.F. 3B.