Isaia 43:1-28

43  Koa izao no nolazain’i Jehovah, ilay Mpamorona+ anao, ry Jakoba, sy ilay Mpamolavola+ anao, ry Israely: “Aza matahotra fa efa navotako ianao.+ Nantsoiko tamin’ny anaranao ianao,+ ary ahy ianao.+  Raha miampita rano ianao,+ dia homba anao aho,+ ary raha miampita renirano ianao, dia tsy hanafotra anao ireny.+ Raha mandeha eo amin’ny afo ianao, dia tsy ho may, ary tsy handoro anao ny lelafo.+  Fa izaho no Jehovah Andriamanitrao, Ilay Masin’ny Israely, Mpamonjy+ anao. Omeko ho vidin’ny nanavotana anao i Ejipta,+ ary ho solonao i Etiopia+ sy Seba.  Sarobidy eo imasoko ianao+ ka mendrika hohajaina, ary tia anao aho.+ Koa hanome olona ho solonao aho, ary firenena maro ho takalonao.+  “Aza matahotra fa momba anao aho.+ Avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro no hitondrako ny taranakao, ary avy any amin’ny filentehan’ny masoandro no hanangonako anao.+  Hilazako ny avaratra+ hoe: ‘Afaho izy!’, ary ny atsimo hoe: ‘Aza tazonina any intsony izy! Ento avy any lavitra ny zanako lahy, ary ento avy any amin’ny faran’ny tany+ ny zanako vavy,  dia izay rehetra antsoina amin’ny anarako+ sy noforoniko mba hanomezam-boninahitra ahy,+ eny, izay noforoniko sy nataoko.’+  “Avoahy ilay vahoaka jamba nefa mana-maso, ary marenina nefa manan-tsofina.+  Aoka hiangona eo amin’ny toerana iray ny firenena rehetra, ary aoka ho tafangona ny firenena samy hafa.+ Iza amin’ireo andriamanitra no afaka milaza an’izany?+ Ary iza no afaka manambara aminay ny zavatra hitranga voalohany?+ Aoka izy ireo hanome vavolombelona+ hanamarina azy, na aoka ny vavolombelony handre ka hilaza hoe: ‘Marina izany!’”+ 10  “Ianareo no vavolombeloko”,+ hoy i Jehovah, “eny, mpanompoko izay nofidiko,+ mba hahafantaranareo+ sy hinoanareo ahy,+ ary hahatakaranareo fa tsy miova Aho.+ Talohako dia tsy nisy Andriamanitra voaforona,+ ary mbola tsy nisy koa taoriako.+ 11  Izaho no Jehovah,+ ary tsy misy mpamonjy afa-tsy izaho.”+ 12  “Efa nilaza sy namonjy ary nanambara izany aho,+ fony mbola tsy nisy andriamani-kafa teo aminareo.+ Koa ianareo no vavolombeloko”,+ hoy i Jehovah, “ary izaho no Andriamanitra.+ 13  Tsy miova mihitsy Aho+ na rahoviana na rahoviana, ary tsy misy mahavonjy an’izay etỳ an-tanako.+ Hanao zavatra aho,+ ka iza no hahatohitra ny tanako?”+ 14  Izao no nolazain’i Jehovah, ilay Mpanavotra anareo,+ dia Ilay Masin’ny Israely:+ “Noho ny aminareo, dia halefako any Babylona ireny, ary hampidiniko ny bara hidin’ny fonja.+ Hampietreko koa ny Kaldeanina mandeha sambo ka hitaraindraina mafy.+ 15  Izaho no Jehovah, Ilay Masina+ tompoinareo, ilay Mpamorona ny Israely+ sady Mpanjakanareo.”+ 16  Izao no nolazain’i Jehovah, Ilay manisy lalana eny an-dranomasina sy eny amin’ny rano mahery,+ 17  dia Ilay mamoaka ny kalesin’ady sy ny soavaly sy ny tafika ary ny mahery:+ “Handry+ ireo ka tsy ho tafarina.+ Ho faty+ ireo, eny, hovonoina toy ny lahin-jiro.”+ 18  “Aza tsarovana ny zavatra tany am-boalohany, ary aza heverina ny zavatra taloha. 19  Jereo fa manao zava-baovao+ aho! Hipoitra izany ankehitriny, ka tsy ho fantatrareo ve?+ Hasiako lalana tokoa any an-tany efitra,+ ary hasiako renirano any amin’ny tany karakaina.+ 20  Hanome voninahitra ahy ny bibidia,+ dia ny alikadia sy ny aotirisy,+ satria hasiako rano any an-tany efitra ary hasiako renirano any amin’ny tany karakaina,+ mba hampisotroana ny oloko izay nofidiko,+ 21  eny, ilay vahoaka noforoniko ho ahy mba hitantara ny zavatra mendri-piderana nataoko.+ 22  “Tsy niantso ahy anefa ianao, ry Jakoba ô,+ satria tofoka tamiko ianao, ry Israely ô!+ 23  Tsy nitondranao ondry atao fanatitra dorana aho, ary tsy nomenao voninahitra tamin’ny sorona nataonao.+ Tsy notereko hitondra fanomezana anefa ianao tamin’ny fanompoana ahy, no sady tsy nataoko sasatry ny fanolorana ditin-kazo manitra.+ 24  Tsy nividiananao fantàkamanitra+ tamin’ny volanao aho, ary tsy novokisanao tamin’ny tavin’ny sorona natolotrao.+ Raha ny marina aza, dia izaho no noterenao hanompo noho ny fahotanao, sy nataonao sasatry ny fahadisoanao.+ 25  “Izaho Ilay mikosoka+ ny fahadisoanao+ noho ny amiko,+ ary tsy hotsarovako ny fahotanao.+ 26  Ampahatsiahivo aho, ary andao hifandahatra eny amin’ny fitsarana.+ Dia lazao ny fiarovan-tenanao mba ho hita fa marina ianao.+ 27  Nanota ilay rainao voalohany,+ ary nandika ny lalàko ireo mpitondra teny izay eo aminao.+ 28  Koa hohamavoiko ny andrianan’ny toerana masina, hatokako haringana i Jakoba, ary hatolotro ho fanevateva i Israely.+

Fanamarihana